
Sary nalaina tamin'ny Freepik. Fampiasana malalaka.
Tanatin’ny folo taona latsaka, lasa ho isan’ireo sehatra tena mavitrika indrindra amin’ny fitomboan’ny toekarem-pamoronana maneran-tany i Afrika. Tarihin’ireo tanora maro an’isa, ny fihanaky ny fampiasana finday avo lenta, ary ny kolontsaina ara-javakanto sy ny mozika malaza eran’izao tontolo izao, ka an’arivony ireo lasa mpamorona votoaty nomerika manenika an'i Lagos, Accra, Dakar, Lomé ary Nairobi. Na izany aza, mbola misy hatrany ny elanelana ara-toekarena eo amin’ny lanjan’ny asa vokarin’ireo mpamorona sy ny vola hampidiriny.
Lasa ankilabao ireo mpamorona na dia mivelatra aza ny tsena
Manodidina ny 85 isanjaton’ny mpiasa eto amin’ny kaontinanta afrikanina no mivelona ao anatin’ny sehatra tsy ara-dalàna, na ilay antsoina hoe kandra madinidinika, izay ahafahan’izy ireo manao asa an-tselika izay asa vonjy taitra ho enti-miavotra. Mitaky fandinihana lalina ny elanelana misy eo amin’ny lanjan’ny asa foroniny sy ny vola tena azony avy amin’izany, eo anatrehan'ny zava-misy iainan’ireo mpamorona votoaty nomerika any Afrika Andrefana. Araka ny tatitr'i Africa Creator Economy Report 2.0, navoakan’ny Communiqué sy TM Global nandritra ny Africa Creators Summit notanterahina tany Lagos tamin’ny Janoary 2026 mantsy, tombanana ho mitentina 3 miliara dolara amerikana amin’izao fotoana izao ny toekarena famoronana aty Afrika, ary antenaina hihoatra ny 17 miliara dolara izany ny taona 2030.
Araka ny tatitra ihany koa, 60 isanjaton’ireo mpamorona afrikanina no mahazo latsaky ny 100 dolara amerikana isam-bolana avy amin’ny asa nomerika, ary ny 54 isanjato aza dia mahazo latsaky ny 62 dolara amerikana isam-bolana. Ireo anefa no mamorona hira Afrobeat ampidirin’i Spotify eo an-tampon’ny tabilao mozika maneran-tany, sary miparitaka hatrany amin’ireo masoivoho mpanaraka fironana any Paris, ary votoaty fohy malaza ao amin’ny TikTok izay matetika haverin’ny hafa ampiasaina any an-kafa nefa tsy misy fanononana ny tompony na fandoavana tambiny ho azy ireo.
Tsy ampy intsony ny andraikitra tokana
Mpanoratra momba ny fizahantany, mpamorona votoaty ary mpamokatra asa famoronana monina any Ghana i Kofi Dotse, izay lehibe tao Accra. Naniry ny ho lasa mpamokatra izy, ary tanteraka izany nofinofiny izany. Ankoatra izany, tsy izay ihany fa lasa mpamorona votoaty, tonian-dahatsoratra, mpiraharaha ara-barotra, ary nanomboka ny taona 2025 dia lasa mpanofana koa.
Iray amin'ny fizarana podcast-ny antsoina hoe Hors Script (Tsy voaomana mialoha), mitondra ny lohateny hoe “From Labor to Value… The Premium Creative Blueprint”, izay noraketina tamin'ny teny anglisy tany am-piandohan'ny taona 2026, dia nanazava tamin'ny antsipiriany ny lalana sy dingana namolavola azy:
Looking at the current ecosystem, you cannot appear to have just one hat, so a lot of creatives have had to take on several roles within the space.
Tsy afaka ny hampiseho ho manana andraikitra iray monja, raha jerena ny tontolo misy ankehitriny. Noho izany, maro amin'ireo mpamorona no voatery mandray sy mitana andraikitra maro samihafa ao anatin'ity sehatra ity.
Na izany aza, tsy azo antoka ny vola raisina avy amin'ny sehatra nomerika, na dia manangona sy mampivelatra ireo fahaiza-manao maro ireo aza izy ireo, ary matetika ny tambiny kajian'ny algorithma dia tsy mifanaraka amin'ny ezaka tena ataon'izy ireo. Iharan'ny teritery ara-bola ihany koa anefa ny marika sy orinasa eto an-toerana, na dia miezaka mahazo vokatra betsaka araka izay azo atao nefa mandany vola kely indrindra. Raha ny mpanjifa kosa, araka ny tatitry ny Africa Creator Economy Report, 78%-n'ny tanora Afrikana no mandany vola kely amin'ny traikefa ara-kolontsaina nomerika. Tsy noho ny tsy fahalianany izany, fa noho ny fahalemen'ny fahefa-mividiny. Tsy mitombo mitovy amin'izany anefa ny vola azo avy aminy, na dia miely sy zaraina be aza ny asa famoronana. Araka io tatitra io ihany, ny mpamorona votoaty manana fidiram-bola marin-toerana indrindra amin'izao fotoana izao dia mahazo eo amin'ny 25%-n'ny fidiram-bolany avy amin'ny vokatra nomerika, fiofanana an-tserasera, boky elektronika, ary ny 14% avy amin'ny varotra entana mitondra ny marik'izy ireo manokana. Ambony lavitra noho ny vola mivantana azon'izy ireo avy amin'ireo sehatra toy ny Spotify na YouTube izany.
Rehefa tsy afaka miampita sisintany ny vola
Sehatra iraisam-pirenena momba ny tolotra ara-bola i Stripe izay tsy hita firy any amin'ny firenena rehetra miteny frantsay ao Afrika atsimon'i Sahara. Ny sehatra fandoavam-bola PayPal kosa dia misy amin'ny ampahany ihany, satria voafetra ny fahafahana misintona vola. Ho an'ireo mpamorona votoaty monina ao Cotonou, Dakar, na Lomé, miatrika sakana izay tsy takatry ny sain'ireo mitovy asa aminy any Berlin na Toronto akory, ny fanangonana fandoavam-bola avy amin'ny mpanjifa Amerikana na Eoropeana. Miteraka sakana ara-drafitra izany toe-javatra izany, ka manakana ny fahazoana miditra amin'ny tsena manerantany amin'ny ambaratonga lehibe.
Raha haravona, miasa ivelan'ny rafitra ara-panjakana rehetra ity toekarena tsy ara-dalàna ity, ary manonitra ny tsy fisian'ny tontolo voarafitra sy mahomby. Tahaka ireo tambajotran'ny varotra tsy ara-dalàna izay miasa amin'ny kaontinanta manerana ny sisintanim-pirenena, dia mamorona ny lalany manokana izy any amin'ireo toerana izay tsy nahavitan'ny fanjakana sy ny tsena manerantany nanangana fotodrafitrasa mampifandray. Fotodrafitrasa ilaina izy io, izay sady mahazaka sedra no mipoitra ho azy araka ny zava-misy.
Angon-drakitra ara-kolontsaina, tombombarotra any an-kafa.
Fanadihadiana iray momba ny fandrafetana ny zotram-pamatsiana asa mifandraika amin'ny angon-drakitra eto Afrika dia nahita fa mpiasa an'arivony, indrindra any Afrika atsimon'i Sahara, no miasa amin'ny maha-mpanivana votoaty azy, manala ireo votoaty mampahory sy mampivarahontsana, sady manisy fanamarihana amin'ireo tahirin-kevitra ampiasaina hanofanana ny Ilontsaina Arafitra (IA) ho an'ireo sehatra teknolojia lehibe. Hita ihany koa fa mandray anjara amin'ny fananganana rafitra izay tsy manome zo azy ireo ry zareo. Mampiasa ny teny hoe “apartheid nomerika” ireo mpanoratra mba hilazana fotodrafitrasa iray izay mbola mampisy tsy fitoviana ara-drafitra eo amin'ny fahazoana fitaovana, tsena ary tambiny, arakaraka ny toerana misy ny olona.
Nanampy sosona iray hafa amin’ity toe-javatra ity izay mampisy fanesoana ankolaka ny Generative AI. Miankina amin’ny fandraisan’anjaran’ny Afrikanina an’arivony ny tetikasa toa ny Waxal, natomboky ny Google mba hanangonana sy handraketana fiteny afrikanina sasantsasany. Misy na izany aza ny olana ara-drafitra. Rehefa ampidirina ao anatin’ny angon-drakitra misokatra ireo tahirin-kevitra ireo, dia mamokatra votoaty ny milina izay miparitaka sy ahazoam-bola, nefa tsy mahazo tambiny na vola miditra ireo tena mpiaro sy mpitahiry ny fiteny tany am-boalohany. Miova ho endrika vaovao amin’ny fanararaotana ara-kolontsaina ny fampidirana ny nomerika vokatr’izany.
Manorina anilan'ny rafitra efa misy
Nanangana ny Sedo+ i Sedo Tossou, mpamorona avy any Benin, izay sehatra fandefasana votoaty afrikanina, nefa tsy nangataka famatsiam-bola avy amin’ireo mpampiasa vola ivelany. Ao anatin’ny sehatra iray izay variana amin’ny fandrefesana fitomboana sy ny tarehimarika momba ny fandrosoana, ka lasa fanambarana ara-politika tokoa izany fanapahan-kevitra izany. Nanazava mazava tsara ny antony nanosika azy izy, tamin’ny resadresaka nifanaovany tamin’ny Hors Script sy nandritra ny dinidinika iray tany Lomé, ary ny fomba fijery izay manohitra ireo fitantarana manjaka ao amin’ny tontolon’ny teknolojia afrikanina:
Si tu n'as pas le pouvoir de l'argent, il faut que tu développes le pouvoir de la communauté. Le capital étranger cherche rarement à financer les récits africains et cherche à en contrôler le cadre. Cette distinction est fondamentale.
His assessment of the ecosystem focuses on its structure, especially the contractual stringency, rights management, and institutional capacity to protect what is created. This structure is often built in opposition to a framework that discourages informality but fails to provide an effective gateway into the formal sector. Specialists in edutainment — education through entertainment — now play a strategic role at the center of this transfer. Their success ultimately depends on their ability to merge knowledge and narrative to protect their value, making it incomprehensible to a market that seeks to quantify it at any cost.
Ny fanombanany ny rafitra iasan’ny tontolo iainana dia mifantoka indrindra amin’ny firafiny, indrindra ny hamafin’ny fepetra ara-pifanarahana, ny fitantanana ny zon’ny fananana ara-tsaina, ary ny fahaiza-manaon’ny andrim-panjakana amin’ny fiarovana ny vokatra noforonina. Matetika anefa io rafitra io dia miorina manohitra tontolo iray izay manakivy ny fomba fiasa tsy ara-dalàna, saingy tsy mahavita manome làlana mazava sy mahomby hidirana ao amin’ny sehatra ara-dalàna. Amin’izao fotoana izao, ireo manampahaizana manokana amin’ny edutainment — fanabeazana amin’ny alalan’ny fialamboly — dia manana andraikitra stratejika eo afovoan’ity fifindran’ny fahalalana sy ny sanda ity. Miankina amin’ny fahaizany mampifandray ny fahalalana sy ny fitantarana amin’ny fomba iray miaro ny lanjan’ny asa famoronany ny fahombiazan’izy ireo, ka mahatonga izany ho sarotra hamarinina sy refesina amin’ny rafitra tsena izay mikatsaka hatrany ny hanova ny zava-drehetra ho isa sy sanda ara-bola.
Iza no mety hahazo ny 17 miliara Dolara Amerikana ny taona 2030?
Ny taona 2020, misy fanadihadiana iray nataon’ny masoivoho alemana misahana ny fiaraha-miasa amin’ny fampandrosoana, ny Deutsche Gesellschaft für Internationale Zusammenarbeit (GIZ), mitondra ny lohateny hoe “Governance of the platform economy in developing countries and emerging economies”, izay efa nanasongadina ny tsy fisian’ny rafitra ara-dalàna matanjaka sy mirindra ao Afrika. Raha tsy misy fitsipika mazava momba ny angon-drakitra, ny lalàna mifehy ny asa nomerika, ary ny hetra, dia mety hisy ambana ara-drafitra ny fidiram-bola vokarina eto an-toerana ary mety hivoaka sy hiròna mankany amin’ireo mpisehatra ivelany. Telo taona taty aoriana, tamin’ny taona 2023, ny fanadihadiana nataon’ireo mpampianatra Tom Kwanya sy Kutoma J.Wakunuma momba ny fanaraha-maso ny sehatra nomerika ao Kenya dia naneho fa mbola marefo sy tsy ampy fampandrosoana ny rafitra ara-dalàna miaro ireo mpiasa na dia any amin’ireo firenena heverina ho mandroso indrindra amin’ity sehatra ity aza.
Mamaritra tsy tapaka ireo teboka telo lehibe tsy azo hiadian-kevitra ireo mpisehatra amin'ity sehatra ity. Voalohany, ny fiandrianam-pirenena ara-angon-draki-kolontsaina. Rehefa ampiasaina hampiofanana ireo maodely IA ny votoaty Afrikana, dia tsy maintsy fantarina, arahina ary karamaina ireo mpamorona tany am-boalohany. Faharoa, ny fiarovana ny mpiasa amin'ny tsindry. Asa mendrika mitaky karama mendrika ny fanelanelanana, fiantohana fiahiana ara-tsosialy ary fankatoavana ara-dalàna, fa tsy fifanarahana amin'ny mpiantoka miafina ao ambadiky ny sosona telo amin'ireo mpamatsy tolotra. Ary farany, safidy ara-drafitra ny fitoviana amin'ny karama iraisam-pirenena momba ny fahasamihafan'ny karama ara-jeografika.
Raha tsy misy an'ireo fanovàna fototra telo lalina ireo, mbola mety hahita ireo mpilalao tsy Afrikana hafa hahazo tombony amin'ny asa mafy nataony ireo mpamorona Afrikana.






