Ahoana no irosoan'ny vondrom-piarahamonina sivily amin'ny fitakìny ny sehatra sivika ao Vietnam

A Vietnam Rise group activity.

Sary avy amin'ny hetsiky ny vondrona Vietnam Rise. Nahazoana alalana

Nanasaro-toerana kokoa ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpikatroka tsy ho lasibatry ny manampahefana ireo fameperana [mg] amin'ny sehatra sivika ao Vietnam raha fanatontosana ny asany ry zareo. Tsy manakana ireo hetsika sy fanentanana manao izay hanomezana hery bebe kokoa ny olona hampihatra ny zony sy hampiroborobo fiovana tsara eo amin'ny vondrom-piarahamoniny ny ambana samihafa. Anisan'ireo mavitrika manohana ny fanavaozana ireo Vietnamiana ampielezana izay miahy ny tanindrazany ary dondona ny handalina ny vakoka.

Samy avy any ampielezana ireo olona telo mpanorina ny Vietnam Rise, izay efa namoaka fanadihadiana, nampiroborobo programam-batsim-pianarana, ary niara-niasa tamin'ireo tambajotra any Azia Atsimo Atsinanana mba hanasongadinana ny fiharatsian'ny sehatra sivika any Vietnam sy hampiroborobo ny fomba fiasa vaovao hanohanana ireo mpikatroka eny ifotony sy hanolo-tanana ireo olom-pirenena hanosi-bohon-tanana ireo lalàna henjana.

Noantsafain'ny Global Voices momba ireo zava-kendreny ny Vietnam Rise, ireo fanamby atrehiny amin'ny asany, ary ny anjara asan'ny fiaraha-miasa isam-paritra amin'ny fitakiana hisìn'ny toerana sivika.

Global Voices (GV): Inona no tanjon'ny Vietnam Rise? Ahoana no fomba hanatanterahanareo ny zava-kendrenareo?

Vietnam Rise (VR): Ny tanjona fototry ny Vietnam Rise ny hanome hery ireo mpikatroka eny ifotony sy ireo fikambanan'olon-tsotra ao Vietnam. Kinendrinay ny hahatanteraka io iraka io amin'ny alàlan'ny fandraisanay anjara amin'ny fandaharana isaky ny enimbolana ho an'ny ketrika sy vatsim-pianarana. Mifantina ireo Vietnamiana mpikatroka ny fandaharan'asa vatsim-pianarana ary mampiofana azy ireo amin'ny fitarihana.  Manome voam-batsy sy fanohanana amin'ny fitantanana tetikasa ho an'ireo vondrona mpikatroka eny ifotony kosa ny programan-ketrika. Miasa amin'ny sehatra maro samihafa toy ny zon'ny mpiasa, ny fahazoana fanabeazana, ary ny raharaha LGBT ireo mpikambana sy vondrona ao amin'ny ketrika. Manomana fiofanana mivantana sy fitetezam-pianarana ho an'ireo mpikatroka izahay mba hihaonany sy hizaràny fomba fanao tsara indrindra amin'ireo mpikatroka mitovy saina any Azia Atsimo Atsinanana. Ny tanjon'ireo fandaharan'asa ireo dia ny hanombohana ireo vondrom-piarahamonina mamelona tena sy manome hery ao Vietnam.

GV: Inona avy ireo fanamby atrehinareo amin'ny asanareo, ary ahoana no fomba handresenareo azy ireo?

VR: Anisan'ireo fanamby atrehinay ao Vietnam ny fanaparitahan'ny fampitam-baovaom-panjakana ny fampahalalana diso momba ny tanjon'ny Vietnam Rise sy ireo ambana fanasaziana ara-politika. Firenena iray tarihin'antoko tokana i Vietnam ary mihidy ho an'ny fiarahamonim-pirenena ny fidirana ho ara-dalàna, hetsika iray voamariky ny fiampangana ho mandositra hetra, manely hevitra manohitra fanjakana, ary “manararaotra ny fahalalahana demôkratika” amin'ireo mpikatroka. Voamarika ho mpanohariana ireo fikambanana tsy anaty lisitra sady mandrisika ny olona hisalasala amin'ny fahefana, ary indraindray aza lazaina ho mpampihorohoro. Henjana ny sazin'ny fivilian-dalana ara-politika, ka manery ireo mpikatroka maro eny ifotony hiditra amin'ny fantsona ambanin'ny tany sy miafina na hangina tanteraka.

Fanamby iray hafa eo amin'ny vondrompiarahamonina iraisampirenena ny tsy fahafantarana loatra ny fahefana tsirefesimandidin'i Vietnam raha oharina amin'ny toerana toa an'i Shina sy Korea Avaratra. Tsy isalasalàna fa  antony iray mahatonga ny tsy fahafantaran'ny olona avy any ivelany momba ny fikatonana ara-politika ao Vietnam ny fahombiazan'ny fitomboana ara-toekarena sy ny maha-toerana fizahan-tany mahafinaritra azy. Manahirana amin'ny hasarota-toerana mianjady amin'ny fiarahamonim-pirenena ihany koa ny tsi-fisìna torohay azo antoka sy mora idirana momba ny fikatrohana vietnamiana voasoratra tamin'ny teny anglisy ho an'ireo tsy miteny vietnamiana.

GV: Manao ahoana ny halehiben'ny fiaraha-miasa sy ny firaisankina isam-paritra amin'ny fiarovana sy fitakiana ny sehatra sivika ao Vietnam?

VR: Mihasarobidy indrindra noho ny hatramin'izay ny fiaraha-miasa sy ny firaisankina isam-paritra eo amin'ny samy mpikatroka Azia Atsimo Atsinanana samy lasa anjorom-bala rehefa miha-mifintina ny loharanom-bola. Fomba iray hamerenana indray ny sehatra sivika ny fampivondronana fahaiza-manao, angon-drakitra ary fahalalàna lalina isam-paritra ho famahàna olana. Raha atao ohatra ny fikambananay,  dia ao anatin'ny tetikasa Terali, tolotra anampiana ireo mpiaro ny zon'olombelona any Azia Atsinanana sy Atsimo Atsinanana ho fiatrehana ireo olana fiarovana an'habaka, ny Vietnam Rise. Samy mpamatsy servisy fanampiana ao anatin'izany ny TibCert (Tibet), Vietnam Rise (Vietnam), ary Security Matters (Thailand, Hong Kong, Kambôdza, ary Malezia). Kinendrin'ny tolotra ny hiasa ho an'ireo vondrom-piarahamoninay manokana sady mamokatra tobin-tahiry angon-drakitra iraisana momba ireo ambana sy olana ho fanatsarana ny fahatakaranay ireo fandrahonana ny zon'olombelona ankihy any Azia Atsimo Atsinanana.

Vietnam Rise

Sary avy amin'ny hetsiky ny vondrona Vietnam Rise. Nahazoana alalana

Nandray anjara tamin'ny fifanakalozan-kevitra isam-paritra toy ny Fivoriambe momba ny Zo ankihy Azia-Pasifika 2025 (DRAPAC) ny Vietnam Rise  ho fampiroboroboana ny asany sy hianarana avy amin'ny haizatran'ireo mpikatroka hafa. Nizara izay azonotsoahina tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity DRAPAC ity ny mpitantana ny programany.

Even amidst geopolitical challenges, we cannot assume that resources are as scarce as we are making them seem. Clearly, there are many motivated young activists who continue to attend DRAPAC and share experiences with one another. With some strategic reallocation of resources and collaboration, we will be able to adapt to and thrive in hostile environments. This attitude of measured optimism and commitment to mutually beneficial connections will carry civil society organisations forward.

Na dia eo aza ny fanamby ara-jeopolitika, dia tsy afaka mihevitra izahay fa vitsy ny azo tovozina araka ny asehonay azy ireo. Mazava ho azy fa maro ireo tanora mpikatroka mazoto manohy manatrika ny DRAPAC ary mifampizara haizatra. Amin'ny alàlan'ny famindrana stratejika ireo fitaovana sy ny fiaraha-miasa no ahafahanay manara-bolontany sy miroborobo ao amin'ny tontolo masiaka. Io toe-tsaina feno fanantenana voalanjalanja sy fanoloran-tena hifanasoa io no hitondra ireo fikambanan'ny firaisamonina sivily handroso.

[N]anomana Fetiben'ny Hetsika Sosialy ny Vietnam Rise ny volana Novambra [2025], izay [n]antenaina hamory sy hanandratra ireo vondrom-piarahamonina, vondrona ary mpikatroka mitarika ireo hetsika vietnamiana sy ireo fisantaran'andraikitra tarihin'ny tanora. [Na]songadina tamin'izany ny tapatapak'ahitra ivelan-jotra ho an'ny ONG isam-paritra ho fampivondronana ireo fomba fijerin'ireo tanora mpikatroka isam-paritra amin'ny fampandraisana anjara mahomby ireo vondrom-piarahamonina voahilikilika any Azia Atsimo Atsinanana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.