
Ilay mpanao gazety Hem Vanna. Sary tamin'ny lahatsoratra avy amin'ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ADHOC tao amin'ny CPJ. Fampiasana ara-drariny.
Nosamborina tamin'ny 3 Febroary ilay mpanao gazety an-tserasera Hem Vanna taorian'ny nandefasany tatitra an-dahatsary momba ny tambajotra lazaina fa fisolokiana tao Kambodza. Nampiseho miharihary ny fitomboan'ny isan'ny mpanao gazety miatrika antsojay noho ny fitateram-baovao momba ireo ivon-toeram-pisolokiana an-tserasera ao amin'ny firenena sy ny ezaka famoretana ataon'ny governemanta ny fisamborana azy.
Scam centers are a well-established problem in Cambodia as organized crime networks create illegal scam offices and kidnap people — often migrant workers who they lure to the country under false promises of job opportunities — and force them to conduct elaborate online scams. The operations are especially insidious as they victimize both the scam targets and those who are forced to work as slaves under threat of torture or death. Cambodian officials have been working to crack down on the practice since it began attracting international attention in 2021.
Olana efa miorim-paka ao Kambodza ny ivon-toeram-pisolokiana satria manokatra birao tsy ara-dalàna momba ny fisolokiana ny tambajotranà mpanao heloka bevava efa maty paika ary maka an-keriny olona — matetika dia ireo mpiasa mpifindramonina voasarika ho any amin'ny firenena noho ny fampanantenana asa sandoka — ary terena izy ireo hanao fisolokiana an-tserasera. Amim-pitaka indrindra izany asa izany satria samy lasibatra avokoa na ireo voasoloky na ireo izay voatery miasa an-terivozona noho ny fandrahonana fampijaliana na ho faty. Niezaka hamongotra izany fomba fanao izany ny tompon'andraikitra Kambodziana raha nanomboka nisarika ny saina iraisam-pirenena izany tamin'ny taona 2021.
Tamin'ny 30 Janoary, nandefa tatitra an-dahatsary momba ny fisolokiana ahiana ho fisolokiana an-tserasera hita eo akaikin'ny tobin'ny polisy ao Poipet i Hem Vanna, mpamoaka lahatsoratra ao ambadiky ny HVNN TV Online. Nampiantso azy tany amin'ny tobin'ny polisy ao Poipet ny manampahefana tamin'ny 3 Febroary ary niampanga azy ho “nikasa nanimba ny lazan'ny andrim-panjakana”.
Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Kiripost, nitantara ny zavatra niainany tao amin'ny toby i Khun Dim, mpiara-miasa amin'i Vanna. “Niara-nandeha izahay, ary niampanga anay tamin'ny tatitra navoakanay izy ireo. Nilaza izy ireo fa nanao tatitra tsy marina izahay, nilaza fa tsy 100 metatra ny trano fa 700 metatra miala ny tobin'ny polisy miaramila,” hoy izy.
Talohan'ny nisamborana azy, niangavy ny manampahefana i Vanna mba tsy handrahona mpanao gazety, ary nanamafy fa izy ireo no “fitaratra eo amin'ny fiarahamonina” mampifandray ny mpitondra sy ny olom-pirenena.
Voampanga araka ny andininy faha-301 sy 495 ao amin'ny fehezan-dalàna famaizana Kambodziana i Vanna, izay manameloka ny fanakanana na firaketana resaka manokana sy fandrangitana. Raha meloka izy dia hisazy telo taona an-tranomaizina raha be indrindra.
Fikambanana sivily maromaro no nanao sonia fanambarana manameloka ny fisamborana an'i Vanna.
The arrest and charging of this journalist is yet another incident that demonstrates the government’s tendency to silence members of the press through the misuse of criminal law.
Authorities could have sought clarification or requested a correction, if necessary, through lawful and proportionate means under the Press Law.
Tranga iray hafa mampiseho ny fironan’ny governemanta hampangina ny mpanao gazety amin’ny alalan’ny fampiasana ny lalàna mifehy ny heloka bevava ny fisamborana sy ny fiampangana ity mpanao gazety ity.
Afaka nangataka fanazavana na fanitsiana, raha nilaina, ny manam-pahefana tamin’ny alalan’ny fomba manara-dalàna sy mifanaraka amin’ny lalànan’ny asa fanaovan-gazety.
Am Sam Ath, talen'ny fampandehan-draharaha ao amin'ny vondrona Kambodziana mpiaro ny zon'olombelona Licadho, dia nitaraina tamin'ny fanaovana ny lalàna ho fitaovampiadiana mba hampitahorana mpanao gazety. “Toa mihena raha jerena ny habaka ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, indrindra fa manana lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety i Kambodza, saingy toa tsy ataony laharam-pahamehana ny fampiasana io lalàna io ho an’ny mpanao gazety”, hoy izy.
Araka ny filazan'ny mpanara-maso ny fampahalalam-baovao, mpanao gazety Kambodziana miisa dimy no nosamborina tamin'ny taona 2025 noho ny tatitra nataon'izy ireo. Tao anatin'ny roa volana monja, mpanao gazety miisa enina no nosamborina sy voampanga tamin'ny heloka bevava noho ny tatitra momba ny fihenjanana mitombo ao amin'ny sisin-tanin‘i Thailandy-Kambodza sy ireo ahiana ho fisolokiana an-tserasera.
Kambodziana sy vahiny an'arivony no avotra tamin'ny fanerena hiasa tany amin'ny ivon-toerana voalaza fa fisolokiana an-tserasera manerana ny firenena. Nampanantena ny governemanta Kambodziana fa hanao bemidina sy fisamborana maro kokoa mba hanavotana ireo mpiasa mpifindramonina sy hampitsaharana ny fiparitahan'ireo ivon-toeram-pisolokiana ahiana ho manana fifandraisana amin'ireo tambajotra fikambanan-jiolahy.
Nampiahiahy ireo vondrona media manerantany ny fisamborana an'i Vanna sy ny fanaovana lasibatra ny mpanao gazety mpanao tatitra momba ny olan'ny foibe fisolokiana. Nandrisika ny manampahefana i Shawn Crispin, lehiben'ny solontenan'ny Komity Fiarovana ny Mpanao Gazety (CPJ) any Azia Atsimo Atsinanana, mba hifantoka amin'ny famahana ny olan'ny heloka an-tserasera fa tsy amin'ny famoretana ireo izay manaitra ny saina momba izany.
Hem Vanna’s arrest is a clear act of retaliation for reporting on Cambodia’s cyberscam industry. Journalism is not a crime, but cyberscamming is. Authorities must stop using vague criminal laws to silence critical reporting on an issue of national and global importance.
Famaliana faty miharihary noho ny tatitra momba ny fisolokiana an-tserasera ao Kambodza ny fisamborana an'i Hem Vanna. Tsy ny asa fanaovan-gazety no heloka bevava fa ny fisolokiana an-tserasera. Mila atsahatry ny manampahefana ny fampiasana lalàna manjavozavo momba ny heloka bevava mba hampanginana ny tatitra manakiana ny olana manan-danja iray eo amin'ny sehatra nasionaly sy maneran-tany.
Cédric Alviani, Asia-Pacific bureau director of Reporters Without Borders (RSF), said authorities should not silence journalists reporting on public interest issues.
Nilaza i Cédric Alviani, talen'ny biraon'ny Reporters Sans Frontières (RSF) any Azia-Pasifika, fa tsy tokony hanampim-bava mpanao gazety mitatitra momba ny olan'ny tombontsoam-bahoaka ny manampahefana.
Journalist Hem Vanna simply did his job by exposing acts of violence and the existence of a cyber-scam compound. His reporting is clearly in the public interest, and it is shocking that the authorities are trying to silence him.
Nanao ny asany tsotra fotsiny ilay mpanao gazety Hem Vanna tamin'ny fampiharihariana ny herisetra sy ny fisian'ny fikambanan'ny mpisoloky an-tserasera. Mazava ho azy fa ho tombontsoan’ny besinimaro ny tatitra nataony, ary mahazendana fa miezaka manampim-bava azy ny manam-pahefana.
Nanoratra i Sebastian Strangio, tonian-dahatsoratra ao amin'ny gazety an-tserasera The Diplomat any Azia Atsimoatsinanana, fa tokony hidera ny fanadihadiana ataon'ny fampitam-baovao momba ireo foibe fisolokiana an-tserasera ny manampahefana raha tian'izy ireo hahomby ny fanenjehana.
Given the credible allegations of elite collusion with Cambodia-based scam syndicates, and several years of ineffectual crackdowns, it is natural — indeed, necessary — to question the nature and extent of the current anti-scam campaign. The same is true of the government’s treatment of the press. If the scam crackdown was genuine, the government would presumably welcome unbiased media coverage. Its apparent allergy to scrutiny invites suspicions that the current crackdown may not be all as it seems.
Raha jerena ny fanambarana azo antoka momba ny firaisana tsikombakomba eo amin'ireo olona ambony sy ireo tambajotran'ny fisolokiana ao Kambodza, sy ny famoretana tsy mahomby nandritra ny taona maro, dia ara-dalàna — tena ilaina tokoa — ny mametram-panontaniana momba ny antony sy ny hoe hatraiza ny fanentanana manohitra ny fisolokiana ankehitriny. Toy izany koa ny fihetsika ataon'ny governemanta manoloana ny mpanao gazety. Raha tena marina ny ady amin'ny fisolokiana, dia azo inoana fa hidera ny tati-baovao amin'ny fomba tsy miangatra ny governemanta. Mampiahiahy momba ny tena anton'ny famoretana ankehitriny ny fankahalana miharihary momba ny fanadihadiana.
Tamin'ny 11 Febroary, nandefa taratasy tany amin'ny Fitsaràna any amin'ny Faritanin'i Banteay Meanchey ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona ADHOC nangataka azy hiditra an-tsehatra amin'ny famotsorana ilay mpanao gazety Vanna.







