Vehivavy Koreana-Sinoa mpanamboatra tofô ranony amin’ny fomba Yanbian maneho ny firaisankinan'ny fianakaviana.

Water tofu with toppings. Photo taken by Jo Carter.

Frômazina ranona saozaha miaraka amin'ny fangaro hafa. Sary nalain'i Jo Carter. Nahazoana alalana.

Nitsidika ny tanànan’i Helan, any Yanbian, aho tamin’ny 28 Desambra 2025, izay tanindrazan’i Lee YJ, vehivavy sinoa-koreana iray izay nozaraina tao amin’ny Global Voices tamin’ny volana Mey lasa teo ny tantarany. Efa fito volana izay no nifampiresahanay farany; na izany aza, nandray ahy tamim-pitiavana ny fianakaviany ary nanasa ahy handray anjara tamin’ny fombafomba iray manamarika ny fetra sy ny maha-izy azy ny fianakaviana: ny fanamboarana ny tsodibi (초디비),  ranona saozaha amin’ny fomba Yanbian, izay antsoina hoe sundubu (순두부) amin’ny teny koreana mahazatra any Korea Atsimo.

Soybeans being ground into a velvety paste.

Saozaha nopotipotehina ho atao paty volory. Sary nopihan'i Jo Carter. Nahazoana alalana.

Tsy mifamatotra amin’ny vanim-potoana na fety manokana ao amin’ny kalandrie ny tsodibi. Araka ny fanazavan’i Choi MJ, atao izy io rehefa tafavory ny fianakaviana, na inona na inona fotoana amin’ny taona. Rehefa miverina mody any an-tranony ny tsirairay, lasa sakafo fototra eo amin’ny latabatra ny tsodibi — matetika ny vehivavy no mamolavola azy amin'ny tanana ao anaty fianakaviana, ary maneho ny firaisan-kina sy ny fiaraha-miasan'ny mpianakavy.

Mihoatra ny iray andro ny fanamboarana ranona frômazina saozaha. Voalohany, tsy maintsy alòna mandritra ny alina ny voana saozaha, avy eo totoina mandra-pahazo paty matevina sy malefaka.

Dingana manan-danja indrindra mba hamoahana ny tsiro manankarena ao amin’ny voan-tsaozaha ny fitotoana azy indroa. Hita tsara ny fiovany : amin’ny fitotoana voalohany dia mbola marokoroko izy, fa amin’ny fitotoana azy fanindroany kosa dia lasa malefaka sy mitovitovy amin’ny kremy, no sady mitahiry tanteraka ny haren-tsiron’ilay voa. Ampiana rano mafana avy eo mba hahatonga azy ho malama kokoa sy ho mora potserina.

Ny dingana faharoa dia ny famotserina. “Hanao io asa io koa ianao,” hoy i Lee nanasa ahy hiara-hiasa aminy amin’ity dingana ity.

The straining process.

Ny dingana famolavolana. Sary nomen’i Jo Carter. Nahazoana alalana.

Nataonay tao anaty kitapo lamba ilay paty, ary notsindriako sy nopotsipotseriko mba hivoahan’ny ranon’ilay saozaha, i Lee kosa nitazona ny vavan’ilay kitapo. Avy eo dia nafindranay tao anaty kitapo misy harato manify kokoa ilay ranony mba ho sivanina fanindroany. Asa mitaky hery ara-batana izany, indrindra fa efa mihoatra ny fitopolo taona ny ankamaroan’ny vehivavy ao amin’ny fianakavian’i Lee. Na izany aza, vitan’izy ireo tamin-tanjaka sy tamin’ny faharetana ilay asa, izay efa voakolokolo tamin’ny traikefa am-polo taonany maro.

Tonga ny fotoanan'ny famanàna azy. Ao amin’ny lakozia nentim-paharazan’izy ireo, misy vilany lehibe iray apetraka eo ambonin’ny fatana, izay sady ampiasaina hamanàna ny gorodona ihany koa.

A traditional kitchen in South Korea. The furnace serves as both a stove and a floor-heating system.

Lakozia nentim-paharazana any Korea Atsimo. Ny fatana dia sady ampiasaina ho lafaoro fahandroana no sady famanàna ny gorodona koa. Sary nalain’i Jo Carter. Nahazoana alalana.

“Manana lakozia maoderina izahay, fa tsy dia ampiasainay firy,” hoy i Lee YN, zandry faravavin’i Lee, tamim-pireharehana. “Mahomby kokoa ary manaja ny tontolo iainana kokoa ny fampiasana ny nentim-paharazanay.” (Na izany aza, tsikaritro fa niditra tao amin’ilay lakozia maoderina ihany izy tatỳ aoriana mba hanomana ireo sakafo fanampiny!)

Ny rahalahin’i Lee, CS, no nidina mba handrehitra ny fatana. Amin’ny fomba nentim-paharazana any Yanbian, ny vehivavy no manao ny tsodibi, ary matetika voafetra amin’ny asa ara-teknika fotsiny ny anjaran’ny lehilahy, toy ny fikarakarana ny afo.

Mandra-pahafanan'ny lapoaly tsikelikely, nanomboka nanendy ireo sakafo fanampiny teo amin’ny takelaka vy manakaiky azy eo i Lee sy ny rahavaviny, indrindra fa ny kimchi voaendy avy amin’ny karazana zavamaniry anaty ala. Ivelan'ny kolontsaina koreana, maro no mieritreritra fa ny kimchi dia toy ny laisoa masiaka nasian-tsirony samihafa, saingy ny tena marina dia midika hoe “pikely” fotsiny izy io, ka mety na samy hafa aza ny legioma ampiasaina, ary tsy voatery ho masiaka ny vokatra.

Noesorin’ny fianakavian’i Lee ny ranon-tsaozaha alohan’ny hampangotraka azy. Notsihifiny haingana ilay kremy niforona teo ambony iny, ary nasiany fampivainganina. Rehefa nahosotra tsimoramora dia niseho ny fahagagana: nanomboka nivonto ho lasa toy ny hero-dronono fotsy tahaka ny lanezy ilay ranon-tsaozaha. Noharoiny moramora hatrany, indraindray maka ny hoditry ny frômazy saozaha izay mipoitra tsikelikely eo ambonin’ny fangaro izy tahaka irony taratasy matevina irony.

The tofu congealing on the stove.

Ny fromazy saozaha ampangatsiahina  eo ambony lapoaly lehibe (koveta). Sary nalain’i Jo Carter. Nahazoana alalana.

Rehefa hikarakara azy dia esorina ny rano mihoatra, ary aroso miaraka amin’ny saosy vita ao an-trano. Fangaro saosy saozaha sy legioma manitra voatetika ny saosy, toy ny tongolo, tongolo gasy, ary sakay.

Malefaka tsara ery ny Tsodibi rehefa vao vita iny, ary manankarena tsiro no toy misy tsirom-boanjo tsy tafavoakan’ny frômazy saozaha amidy eny an-tsena. “Ny fomba tsara indrindra hankafizana ny fromazy saozaha dia ianao ihany no manao azy, sa tsy izany?” hoy i YN.

Nanazava i Choi MJ, zandrn’i Lee vavy, fa matetika aroso miaraka amin’ny saosy maivana ny Tsodibi, satria efa manankarena tsiro ary misy tsirom-boanjo ihany koa ny fromazy saozaha rehefa hohanina. Samy hafa amin’ny fromazy saozaha amin’ny fomba sinoa izy, izay matetika endasina na ahandroina miaraka amin’ny zava-manitra sy akora hafa. Ny tofô ranony any Yanbian koa dia azo atao ihany any an-dakozia nentim-paharazana, mampiasa ny takelaka vy nentim-paharazana. “Tsy mitovy ny vokatra azo amin’ny fitaovana maoderina,” hoy i Choi.

Mba hitahirizana ny frômazy saozaha, dia halatsaka ao anaty boaty efamira nolafihina lamba. Avy eo naka lovia iray hafa boribory nofenoina rano, ary notsindriana ny fromazy soja hivaingana sy ho mafy.

Sary nalain'i Jo Carter

Ny anarany hoe “tofu ranony” dia tena maneho ny maha izy azy ny Tsodibi. Tahaka ny vehivavy manao azy, satria sakafo mampifandray safosafo malefaka, nefa sady misy hery mangina sy tanjaka ao ambadik’izany. Rehefa manomboka ny vanim-potoan'ny hatsiaka any ivelany, ny hafanan'ny lapoaly sy ny tsirom-boanjo entiny dia nampahatsiaro ahy ny hafanan’ny fatana sy ny hanitra sakafo manankarena ary indrindra matetika dia tsy hita ao amin’ny trano fisakafoana lafo vidy, fa ao anatin’ny tanan’ireo olona matihanina miasa moramora sy miharitra, izay tsy manadino ny niaviany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.