
Sary avy amin'ny Canva Pro.
Avy amin'i Jacobo Nájera sy i Miguel Trujillo
Navoaka voalohany tao amin'ny The Tor Project tamin'ny 17 Novambra 2025 ity lahatsoratra ity. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ny dika nohavaozina araka ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny media.
Tao anatin'ny fe-potoam-piasan'ny filoha enin-taona indroa misesy tao Meksika farafahakeliny, ary nandritra ny taona voalohany nitondran'ny fitondrana ankehitriny izay dia voasakana ny fidirana amin'ireo tranonkalan'ny governemanta federaly hahazoana torohay sy serivisim-panjakana raha te-hiditra amin'ny alàlan'ny tambajotra Tor.
Nitatitra ny fanadihadiana nataon'ireo mpanoratra ity lahatsoratra navoaka tamin'ny 9 Oktobra 2023 [mg] ity fa sampan-draharaham-panjakana 21 no nanakana ny fidirana avy amin'ny tambajotra Tor. Nesorina ampahany ny sakana tamin'ny fiandohan'ny volana Jolay 2025.
An-tapitrisany isan'andro ireo mampiasa ny tambajotra Tor mba hidirana aterineto amin'ny fomba azo antoka, hiarovany ny zony hahazo torohay sy fahalalahana miteny, ary hialana amin'ny sivana na ny fanaraha-mason'ny governemanta. Any Meksika, tombanana ho roa alina ny olona mampiasa azy io, araka ny angon-drakitra navoakan'ny Tor Project.
Any Meksika, nandray ny Tor ho ampiasainy ireo fikambanana sy firaisa-monina sivily, anisan'izany ny fametrahana boaty mailaka tsy itononana anarana amin'ny sehatra fanaovan-gazety sy ny fiarovana ankihy amin'ny fiarovana ny zon'olombelona.
Nandritra ny fitantanana teo aloha, niaiky ny tombontsoa azo avy amin'ny fampiasana Tor hiadiana amin'ny kolikoly ny governemanta Meksikana. Nanangana boaty mailaka mampiasa Tor ho an'ny Minisiteran'ny Asam-panjakana ry zareo. Avy amin'izany ny governemanta nametraka lasitra ara-pitsipika fankatoavana ny filàna iantohana ny tsy fitononana anarana amin'ny famakiana bantsilana anaty raharaham-panjakana. Nilaza ny tenimita navoaka tao amin'ny Gazety Ofisialin'ny Federasiona hoe:
Safeguarding confidentiality: […] is an obligation for all persons assigned to the Bureau[;] the Coordinator General, assisted by the Coordinator, shall supervise, control, and evaluate all activities of the System [to ensure that] they guarantee anonymity of whistleblowers and information, taking the measures they deem necessary, and shall implement actions for improvement in furtherance of such efforts.
Miaro tsiambaratelo: […] dia adidin'ny olona rehetra voatendry hiasa Birao[;] ny Mpandrindra Ankapobeny, ampian'ny Mpandrindra, no hanara-maso, hifehy ary hanombana ny asan'ny Rafitra rehetra [mba hahazoana antoka fa] voaantoka ny tsy fitononana anarana sy ny torohain'ireo mpamaky bantsilana, voapetraka ny fepetra heveriny fa ilaina, ary hampiharina izay hetsika hanatsaràna ny fampandrosoana ny ezaka toy izany.
Tsy nankatoa ny fanakanana ny fitondran'ny Filoha [teo aloha] Enrique Pena Nieto (2012-2018), raha niaiky kosa ny governemantan'i Andres Manuel Lopez Obrador (2018–2024) fa nitazona ny fanakanana ary nanazava fa noho ny antony fiarovana no nanaovana izany.
(…) protective measures are taken, such as blocking network traffic considered malicious, automated, or potentially threatening, which affects users of the Tor network, since its very nature makes it impossible to distinguish between ordinary and automated users, which is considered a risk to gob.mx, for which reason access over that network is restricted.
(…) noraisina ny fepetram-piarovana, toy ny fanakanana ny fifamezivezena amin'ny tambajotra heverina ho misy fikasan-dratsy, mandeha ho azy, na mety hampidi-doza, ka hampisy fiantraikany amin'ireo mpiseran'ny tambajotra Tor, satria ny toetrany mihitsy no mahatonga ny tsy fahafahana manavaka ireo mpisera tsotra sy ireo mpisera mandeha ho azy, izay heverina ho mampidi-doza ho an'ny gob.mx, izay antony hamerana ny fidirana amin'io tambajotra io.
Namaly ny Global Voices i Juan Carlos Guerrero Torres, Talen'ny Famakafakana Ara-pitsarana sy ny Fitantanana Antontan-taratasy ao amin'ny biraon'ny filoha, sady tompon'andraikitra amin'ny paikady nomerika sy ny fampandrosoana ireo zotra fampandehanana ny fotodrafitrasa nomerika.
Momba ity valiny ity, nampahafantatra anay ny Tor Project, tamin'ny alàlan'ny mpitondrateniny Pavel Zoneff, fa misy ny fomba fiasa ahafahana mampisy fifandanjana eo amin'ny fampihenana ny risika ho an'ny mpisera sy ny tranonkala nefa tsy mandà ny fidirana amin'ny aterineto ho an'ireo vondron'olona miankina amin'ny tambajotra Tor. Araka ny teniny:
Blocking entire sections of the internet based on the outdated belief that all traffic from the Tor network is indistinguishable or malicious is a mistake and puts people at risk. There are many ways for websites to defend against threats such as DoS attacks, bots, and other malicious actions without isolating a significant part of the global online community.
Fahadisoana ary mametraka ny olona ho tandindonin-doza ny fanakanana manontolo amin'ny ampahan'aterineto mifototra amin'ny finoana efa lany andro tsy hay avahana na mamosavy izay rehetra fifamezivezena avy amin'ny tambajotra Tor. Maro ny fomba ahafahan'ny tranonkala miaro tena manoloana ireo fandrahonana toy ny fanafihana DoS, bots, ary ireo hetsika ratsy hafa nefa izany tsy mampanirery ny ampahany betsaka amin'ny vondrom-piarahamonina anjotra manerantany.
Nanova politika ny fitondrana amin'izao fotoana
Etsy ankilany, tamin'ny 6 Mey 2025, nanambara ny fitondrana amin'izao fotoana eo ambany fitarihan'ny Filoha Claudia Sheinbaum Pardo fa tsy manan-kevitra ara-politika na fanamarinana voarakitra hanakanana ny fidiran'ireo zatra mampiasa Tor amin'ny tranonkala www.gob.mx. Araka ny voalazan'i Gabriela Ignacio Vazquez, mpandrindra ny fotodrafitrasa nomerika sy ifandraisana amin'ny mangarahara ao amin'ny Birao Nasionaly momba ny fotodrafitrasa nomerika ao amin'ny Sampam-piofoana dizitaly, tompon'andraikitra amin'ny fampizorana ireo fanaovan-dalàna (politika) mifandraika amin'izany.
Tamin'ny 5 Jolay, nandritra ny fanaraha-maso mahazatra hanaovana fikarohana, nanamafy izahay fa nesorina ny fanakanana ao amin'nywww.gob.mx. Noho izany, azo atao izao ny miditra avy amin'ny tambajotra Tor ireo tranonkalan-torohay fototra an'ny governemanta Meksikana – sy ireo tovan-torohay avy amin'ireo sampan'ny governemanta samihafa voatahiry ao.
Na izany aza, hitanay ihany koa fa mitazona ny sakana ny datos.gob.mx, ary notapahina ny boaty mailaka ho an'ireo mpamaky bantsilana, izay efa nekena teo aloha hanohanana ireo zatra Tor, ka nosoloina sehatra SIDEC, izay tsy mamela ny fidirana avy amin'ny tambajotra Tor.







