
Hopitalin'ankizy ao Mariupol taorian'ny tifitra an'habakabaka rosiana. Sary avy amin'i АрміяInform. CC BY 4.0
Naharitra 1462 andro izao ny fanafihana feno nataon'i Rosia an'i Okraina. Izany hoe 48 volana, na efa-taona. Hatramin'ny 24 Febroary 2026, dia efa mihoatra 44 andro noho ny Ady Lehibe Faharoa (Vava ady atsinanana) niainan‘ny Firaisana Sovietika izany. Miaina tifitra tsy an-kijanona ny olona any Okraina, mivaingana ao an-tranony ry zareo tsy misy herinaratra sy hafanana, satria saika isan'andro i Rosia no nandatsaka baomba amin'ny sivily ary nandrava ireo fotodrafitrasa sivily nandritra ity ady ity. Tafasaraka amin'ny fianakaviany sy ny namany ny Okrainiana; maro no namoy ny tranony sy ny tanàna niaviany izay voadaroka baomba.
Hatramin'izao fotoana izao, an'hetsiny ny miaramila ary an'aliny ny sivily Okrainiana maty tamin'ity ady ity. Hatramin'ny febroary 2026, mibodo ny 20 isanjaton'i Okraina ny tafika Rosiana. Amin'ny mponina 41 tapitrisa talohan'ny ady, dia Okrainiana 8 tapitrisa eo ho eo no nafindra toerana tao Okraina, ary 7 tapitrisa eo ho eo no lasa mpitsoa-ponenana.
Amin'izao fotoana izao ireo ONG Help Desk Media, Memorial, Kronika, ary Zimin Foundation namoaka anjotra ny arisiva fijoroana vavolombelona avy amin'ireo nanatri-maso ny fanafihan'i Rosia nandritra ny vanim-potoana 2022 –2024. Efa navoaka tao amin'ny pejy Instagram an'ny Help Desk ireo fijoroana vavolombelona ireo saingy tsy afaka miantehitra amin'ny sehatra iray ny arisiva. Ankehitriny, azo jerena anjotra arahina famariparitana sy teny irery amin'ny teny okrainiana, rosiana ary anglisy izany.
Ireto misy rohy mankany amin'ny sasany amin'ireo tantara ireo.
Oleksandr: Notohizako tanaty nofiko ny eboeboko tamin'ny namako rehetra: “Jereo, velona i Ira.” Mponina iray ao Dnipro namoy ny vadiny nandritra ny nandarohana ny trano fonenany. Mitohy ny tantarany roa taona taty aoriana.
Maria: “Nolazaina imaso imaso taminay fa izahay no nanasa an'i Rosia, fa fahadisoanay izany.” Mponina iray tao Sievierodonetsk nandritra ny famindrana toerana nanavatsava an'i Rosia sy Pôlônina ho any Alemaina
Tetiana sy Zauri: “Mbola mijoro ny tranonay ao Kherson — manome anay hery izany. Ny trano ao Abkhazia indray tsy misy sisa afa-tsy ny fanorenana.” Ny tantaran'ilay vehivavy Okrainiana iray sy ny lehilahy Zeorziana iray izay nandositra ny ady tao Abkhazia 30 taona lasa izay ary mandositra ny ady any Okraina indray ankehitriny.
Tetezo ny tranonkala ary jereo ny arisivan'ireo fijoroana vavolombelona voarakitra ao.






