Ny raharaha voalohany momba ny fiarovam-pirenena tao Makaô no nisamborana an'i Au Kam San, solombavambahoaka teo aloha

Au Kam San.

Au Kam San. Sary tao amin'ny pejy Facebook-n'i Au Kam San.

Nosamborina tamin'ny 30 Jolay tao Makaô i Au Kam San, demaokraty ela nihetezana sady mpanao lalàna teo aloha, noho ny fiampangana azy ho manana fifandraisana any ivelany manohintohina ny fiarovam-pirenena sy ny fanaparitahana vaovao tsy marina mampisara-bazana.

Ny fisamborana an'i Au no manamarika ny raharaha voalohany momba ny fiarovam-pirenena hatramin'ny nampiharan'ny ivon-toeram-pilokana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena tamin'ny 3 martsa 2009.

Araka ny fanambaran'ny Polisin'i Makaô tamin'ny 31 Jolay, nisy mponina iray 68 taona, antsoina hoe Au, voarohirohy ho manana fifandraisana amin'ny fikambanana mpankahala an'i Shina any ampitan-dranomasina nanomboka tamin'ny taona 2022, ary mpanome vaovao diso sady mampisara-bazana ho an'ireo mpampita vaovao ampitan-dranomasina sy an-tserasera. Ankoatra izay, voalaza ihany koa fa nanana fifandraisana maharitra tamin'ireo fikambanana maro mpankahala an'i Shina any ampitan-dranomasina izy, ary nanome vaovao tsy marina izay naely imbetsaka tamin'ny fampahalalam-baovaon'izy ireo, ka nahatonga fankahalana an'i Makaô sy ny governemanta afovoany Shinoa, nanakorontana ny fifidianana Lehiben'ny mpanatanteraka tao Makaô tamin'ny taona 2024, ary nahatonga ireo firenena vahiny hanao fihetsika feno fankahalana amin'i Makaô.

Tamin'io andro io ihany, namindra an'i Au tany amin'ny Biraon'ny Fampanoavana ny Polisin'ny Fitsarana mba hanaovana fanadihadiana momba ny fiampangana azy ho “nifandray tamin'ny fikambanana, vondrona, na olon-tsotra ivelan'i Makaô mba hanao hetsika manohintohina ny fiarovam-pirenena” araka ny Lalànan'ny Fiarovam-pirenena ao Makaô.

Nanondro an'i Au Kam San, mpanao lalàna teo aloha, ho ahiahiana ny fampahalalam-baovao tao an-toerana taty aoriana. Mpikambana tao amin'ny filankevitry ny tanànan'i Makaô teo anelanelan'ny taona 1993 sy 2001 rangahy io sady mpikambana tao amin'ny fanaovan-dalàna teo anelanelan'ny taona 2001 sy 2021. Rehefa nisotro ronono tamin'ny asam-panjakana i Au dia mbola nitoetra ho mpitsikera ny politikan'ny governemantan'i Makaô, toy ny fanafarana mpiasa sy ny fampiasam-bola ao Hengqin.

Nandritra ny Fifidianana Lehiben'ny Mpanatanteraka tao Makaô tamin'ny taona 2024, nasongadin'i Au ny fifandraisan'i Sam Hou Fai, kandidà tokana, tamin'i Beijing ary nilaza izy fa manaraka ny drafitry ny Fanjakana Foibe am-pahamendrehana i Sam   amin'ny fampandrosoana ilay tanàna filokàna.

Koa satria zanatany Portiogaly teo aloha i Makaô talohan'ny nanolorana azy ho an'i Shina tamin'ny taona 1999, ary mizaka ny zom-pirenena Portiogey ihany koa i Au, dia namoaka fanambaràna manameloka ilay fisamborana ny Vondrona Eoropeana (UE), ary nanasongadina fa manamarika ny “fihenan'ny fahamaroana ara-politika sy ny fahalalahana miteny ao Makaô” ny fampiharana ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena. Nampahatsiahiviny ihany koa ny manampahefana Shinoa fa “singa ivon'ny Lalàna fototra ao Makaô sy ny ‘firenena iray, rafitra roa ny fanajàna ny zon'olombelona sy ny fahalalahana fototra.’” Ny hoe Firenena iray ny rafitra roa dia fitsipika araka ny lalàmpanorenana ao Shina izay milaza an'i Hong Kong sy Makaô ho faritany Shinoa any ampitan-dranomasina manana fizakan-tena ara-politika sy ara-pifidianana. Tao anatin'ny dimy taona farany, nopotehina ny ankamaroan'ity fizakan-tena ity satria nanamafy ny fitazonany ny faritany roa ny PRC.

Ho setrin'ny fanambaràn'ny Vondrona Eoropeana, nilaza ny fanjakana Makaô fa “lavin'izy ireo tanteraka” ny fanamarihan'ny Vondrona Eoropeana ary nantitranteriny fa handray an-tanana ny raharaha “hentitra araka ny lalàna” ny manampahefana.

Tamin'ny taona 2021, nampandrenesina ny Vondrona Eoropeana tamin'ny fanapahan-kevitry ny manampahefana tao Makaô hanilika ireo kandidà 21 mpomba ny demokrasia tsy hirotsaka amin'ny fifidianana Antenimierampirenena. Nanakiana izany izy ireo, ary nilaza fa hanimba ny fahamaroana ara-politika izany ary hampihena ny adihevitra demaokratika ao an-tanàna.

Tamin'ny volana lasa, kandidà miisa 12 no voarara tsy hirotsaka amin'ny fifidianana Solombavambahoaka hoavy amin'ny volana septambra noho ny masontsivana momba ny tsy fivadihana taorian'ny fanitsiana ny lalàm-pifidianana tamin'ny taona 2024. Koa satria tsy mifandray amin'ny vondrona mpomba ny demokrasia mahazatra ireo kandidà miisa 12 dia niteraka hatezeram-bahoaka ny fanesorana azy ireo tsy ho kandidà, ka nisy ny nametra-panontaniana momba ilay masontsivana momba ny fitsirihana ny tsy fivadihana.

Iray amin'ireo mpitsikera i Au Kam San. Ohatra, tao amin'ny lahatsorany Facebook tamin'ny 16 Jolay, nampitahainy ny fomba fanalana kandidà ny taona 2021 sy ny taona 2025:

四年前被DQ的人,在政治光譜上,不管是民主派抑或自由開放陣營,都可說是異見份子,經常尖銳批評政府。而四年後被DQ的,基本是建制派的外圍,連異見份子都說不上。而當局還是要出重招DQ,這才彰顯出在所謂「愛國者治澳」的愰子下,不單止行政長官要繼續小圈子,連立法會都要「完善」到變成小圈子。

與四年前相比,因為當年針對DQ還可以提出司法上訴 […] 當局必須拿出足夠論據證明被DQ者有「不擁護」「不效忠」的行為,法院才好配合那場大戲。但經過去年的立法會選舉法修改,當選管會根據國安委那個有約束力的意見「依法」決定某一參選人不具備參選資格時,被DQ者竟然是「依法」「不得向選舉管理委員會提出聲明異議或向法院提起司法上訴」

Efa-taona lasa izay, ireo izay tsy nahafeno fepetra, teo amin'ny sehatra politika, no mpanohitra nanakiana matetika ny governemanta, na demokraty izy ireo na mpikambana ao amin'ny antoko liberaly. Ireo tsy nahafeno fepetra efa-taona taty aoriana anefa, dia olona tsy ao anatin'ny antoko mpanorina ny ankabetsahany ary tsy azo antsoina akory hoe mpanohitra. Na izany aza dia mbola nolavin'ny manam-pahefana ankitsirano ihany izy ireo. Midika ny fihetsika toy izany fa tsy vitan'ny hoe mila ferana ny fifidianana Lehiben'ny mpanatanteraka, fa tsy maintsy ‘hatsaraina’ ihany koa ny fifidianana Antenimieram-pirenena mba hifehezana izany ao anaty faribolana kely raha araka ny rafitra antsoina hoe ‘fanjakana tia tanindrazana ao Makaô’.

Raha ampitahaina tamin'ny efa-taona lasa, dia mbola afaka nametraka fitarainana ara-pitsarana ireo tsy nahafeno fepetra tamin'izany fotoana izany […] tsy maintsy ampy ny porofo omen'ny manam-pahefana mba hilazana fa tsy ‘atokisana’ na tsy ‘mahatoky’ ireo olona tsy mahafeno fepetra, mba hahafahan'ny fitsarana manaraka ambokony. Na izany aza, taorian'ny fanitsiana ny Lalàm-pifidianana momba ny Filankevitry ny Solombavambahoaka tamin'ny taon-dasa, rehefa manapa-kevitra ny Komitin'ny Fitantanana ny Fifidianana fa tsy mahafeno ny fepetra ny kandidà iray, araka ny hevitra marim-pototra avy amin'ny Komitin'ny Fiarovam-pirenena, dia voarara “araka ny lalàna” tsy hanao fitarainana any amin'ny Komitin'ny Fitantanana ny Fifidianana na hametraka fitoriana eny amin'ny fitsarana ilay kandidà tsy nahafeno fepetra.

Mety higadra hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina i Au, noho ny fiampangana azy ho niray tsikombakomba tamin'ny vahiny. Ny vadiny no ao anatin'ny vavolombelon'ny raharaha, na dia nilaza tamin'ny mpanao gazety aza izy fa tsy fantany ny anton'ny hilazana fa nandika ny lalànan'ny fiarovam-pirenena ny vadiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.