Ahafatesan'olona matetika ny fifandonana eo amin'ny mpihady sy ny orinasa mpitrandraka ao RDC, renivohitry ny kobalta eto an-tany

Tsangambaton'ny mpihady (ireo mpihady amin'ny tanana na amin'ny fitaovana tsotra) eo amin'ny rond point Mwangeji ao Kolwezi, Lualaba any RDC ; PSaripikan'i Simplice Bambe, nahazoana alalana

Manana ny 70%-n'ny tahirin-kobalta manerantany ny tanànan'i Kolwezi, ao amin'ny faritanin'i Lualaba any atsimo atsinanan'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo (RDC). Antsoina ho ‘renivohitry ny kobalta manerantany‘, miaina anaty disadisa ity tanàna ity noho ny fifandirana eo amin'ireo mpitrandraka miasa tanana (antsoina koa hoe mpihady) sy ireo orinasa mpitrandraka.

Manana ny lanjany manokana tokoa ity harena an-kibon'ny tany ity ankehitriny noho ny fampiasana azy amin'ny sehatra maro samihafa sy ny mampiavaka azy: zava-bita ara-angovo, fahazakàna hafanana sy ny fahatezàny, ary ny toetrany mañetika. Sarobidy be ny kobalta amin'ny sehatry ny fanamboarana fiara mandeha herinaratra, ny sehatra an'habakabaka, ary ny sehatry ny fitsaboana. Sehatra mpamelona voalohany ao RDC, mampiasa olona maherin'ny telo tapitrisa amin'izao fotoana izao ary mandray anjara mihoatra ny 90% -n'ny toekaren'ny firenena.

Vakio: En RDC un drame dans une mine de cobalt et de cuivre illustre le coût humain de la transition énergétique

Nanao sonia didim-pitondrana hiarovana ireo orinasa mpitrandraka sy handravona ny sehatry ny fitrandrahana varahina sy kobalta artizanaly ao Kolwezi Atoa Louis Watum, Minisitry ny Harena An-kibon'ny Tany ao amin'ny RDC, tamin'ny 19 Desambra 2025. Niteraka tsi-fahafaliana teo amin'ireo mpihady izay nahilika ity fanapahan-kevitra ity, ka nahatonga fahafatesan'olona maro, asam-pandrobana sy fanimbana.

Ny fehezan-dalàna momba ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany Kongoley, ao amin'ny Andininy faha-109, andalana 1 sy 2, dia mankatoa ny fisìn'ireo mpihady ho mpiantsehatra fototra amin'ny asa fitrandrahana. Saingy tsy manana Fari-pihadìna (ZEA) ireo mpihady ireo, na dia mihoatra ny olona telo tapitrisa aza, araka ny tarehimarika nomen'i Louis Watum tamin'ny 25 Novambra 2025, tao amin'ny tsenankevitra Makutano tao Kinshasa. Ratsy fitantanana ny sehatry ny fitrandrahana, noho ny fironan'ny manampahefana Kongoley nivarotra saika ny asam-pitrandrahana rehetra tao Grand Katanga (atsimo atsinanan'ny firenena) tamin'ny mpampiasa vola vahiny.

Vokatr'izany, roahina an-keriny ireo mpihady mba hanomezana lalana ho an'ny orinasa. Eny an-kianja, tsizarizary ny fiarahan'ny orinasa sy ny mpihady miaina.

Vakio : En RDC, une pollution des eaux attribuée à une exploitation minière chinoise

Miavo-tena ireo mpihady

Ny tsy fisìn'ny fari-pitrandrahana ofisialy ho an'ny mpihady no mahatonga azy ireo hiditra an-keriny ao amin'ireo toeram-pitrandrahana any amin'ny faritanin'i Lualaba mba hamelomany ny fianakaviany. Miteraka fahasimbana goavana maro izany fidirana an-tsokosoko izany ary mampisy fifandonana izay miteraka fatiolona indraindray. Voarakitra an-tsoratra ny tatitra vonoan'olona sy ratra mafy teo amin'ireo mpiasa ofisialin'ny orinasa. Matetika izy ireo no mpiantoka asa na mpitatitra ny vokatry ny toeram-pitrandrahana mankany amin'ny orinasa. Nitaraina tamin'ny Global Voices momba ity toe-javatra ity i Junior Biane, mpanamory fitaovam-pitrandrahana hoe:

Nous sommes toujours attaqués dans les mines par les creuseurs artisanaux de Musonoie. Hier par exemple, nous avons été tabassés par les creuseurs et un collègue est touché à l'œil gauche.

“Tafihan'ireo mpihady any amin'ireo toeram-pitrandrahana avy any Musonoie hatrany izahay. Omaly ohatra, nodarohan'ireo mpihady izahay, ka naratra teo amin'ny masony havia ny mpiara-miasa iray.”

Etsy ankilan'izany kosa ireo orinasa miampanga ny fitondrana kongoley ho tsy mandray andraikitra amin'ny fiarovana ny fampiasam-bolany manoloana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ataon'ny mpihady.

Mitaky fiarovana avy amin'ny fanjakana ireo mpandraharaha indostrialy.

Notononin'ny Kamoto copper company (KCC), sampana iray ao amin'ny orinasa Anglo-Soisa Glencore, ohatra, ireo trangam-panafihan'ireo mpihady tsy manana ZEA. Amin'izao fotoana izao, ny toeram-pitrandrahana T17, KOV ary Mashamba, mpitrandraka varahina any amin'ny faritanin'i Lualaba, no matetika iharan'ny fandrobana kamiao sy fanafihana mpiasa. Miaina toe-javatra mitovy amin'izany ny orinasa sinoa COMMUS.

Vakio : En RDC, une pollution des eaux attribuée à une exploitation minière chinoise

Ao anatin'izany toe-javatra izany no nikarakaran'ny mpiasan'ny KCC diabe tamin'ny 3 Desambra 2025 ho any amin'ny biraon'ny governoran'ny faritanin'i Lualaba ho fanamelohana ireo fanafihana sy herisetra.

Tsy mbola nisy vahaolana matotra noraisin'ny manampahefana, nefa fototry ny toekarena Kongoley ny sehatry ny fitrandrahana. Izy io no havokavoky ny harin-karena faobe (PIB) ary loharanom-bolan'ny fankjakana, izay mihoatra ny 30% amin'ny tetibolam-pirenena. Noho izany, tokony hojeren'ny governemanta ny manahirana ireo orinasa.

Vakio ihany koa : A l'Est de la RDC, les mines financent en partie les groupes rebelles

Na dia feno harena an-kibon'ny tany aza ny Repoblika Demokratikan'i Kongo, dia mahantra ny antsasaky ny mponina ao aminy. Araka ny tatitry ny Banky Iraisampirenena navoaka tamin'ny Oktobra 2025, miaina ao anatin'ny fahantrana lalina ny 85,3% amin'ny mponina ao amin'ny Repoblika Demokratikan'i Kongo. Tombanana ho 84% ny tahan'ny tsy fananana asa, raha toa ka 1.600 dolara amerikana ny taham-pidiram-bola isan-taona isan'olona, ​​na 134 dolara amerikana isam-bolana.

Tsy manolotra vahaolana maharitra, na ho an'ny mpihady na ho an'ny orinasa ny politikan'ny governemanta amin'izao fotoana izao.

Vakio ny pejy manokana teny frantsay :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.