
Sary avy amin'ny lahatsoratr'i Kant Kaw. Loharano: Exile Hub, mpiara-miasa ara-botoaty amin'ny Global Voices
Iray amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices any Azia Atsimo Atsinanana ny Exile Hub, izay nipoitra ho setrin'ny fanonganam-panjakana tany Myanmar tamin'ny taona 2021, ary mifantoka amin'ny fanomezan-tanjaka ireo mpanao gazety sy mpiaro ny zon'olombelona. Navoaka indray ity lahatsoratra nasiam-panovàna ity araka ny fifanaraham-piaraha-miombon'antoka ara-botoaty.
Nanomboka ofisialy tamin'ny taona 2009 ny dian'i Kant Kaw hanao gazety, saingy efa taloha ela nialoha izany no nanombohan'ny tantarany. Namaky boky isan-karazany izy fahazaza, voasarika tamin'ny herin'ny fiteny. Nanofinofy ho lasa mpanoratra, nefa takany sahady fa tsy mahazaka entina mivelona ny fanoratana fotsiny. Ka nanohy ireo asa azo natao izy sady nitozo tamin'ny fitiavany.
Niova ny zava-drehetra rehefa nahita ny asa fanaovan-gazety izy. Hitany fa izany no mifanandrify indrindra amin'ny tanjony sy ny fivelomany. Izany no namela azy hanoratra, hijoro vavolombelona ary hikarakara vahoaka. Dimy ambin'ny folo taona taty aoriana, dia mbola eny an-kianja izy, ary nilaza fa tsy nitsahatra nitia ny asa.
“Tena tiako ny mihevitra sy manoratra vaovao malaza. Tsy haiko ny mijanona amin'io.”
Mandrava ny fahanginana manoloana ny famoretana
Vetivety ihany dia tsapan'i Kant Kaw fa mihoatra noho ny tatitra zava-mitranga araka ny fivoaran-draharaha ny iantsoana azy. Nahatsiaro ho voatery hanambara ny tolona atrehin'ny vehivavy any Myanmar isan'andro izy.
“Nihaona tamin'ireo vehivavy mizaka mangina ny tahotra ao aminy aho, nefa mbola nahita hery hiarovana ny zanany sy ny fianakaviany. Mifoha isa-maraina izy ireo misafidy ny hiangana. Nandritra ny resaka nifanaovanay, tsy nahita fahalemena aho, fa hery miavaka – indrindra nandritra ny fotoan-tsarotra ara-politika.”
Tamin'ny alalan'ny asan'i Kant Kaw ireo tantara mety ho tsy voalaza no nahatratra mpihaino marobe kokoa. Ohatra, nasehony tamin'ny mazava ny zavamisy iainan'ny tanora reny iray ao an-tanàna iray misy fifanandrinana maminavina isan'andro izay tsy mampidi-doza indrindra, misafidy izay lalana azo antoka kokoa hividianana sakafo, mihevitra hoe hisokatra ve ny sekolin'ny zanany, ary manavatsava ireo toeram-pisavan'ny miaramila.
Noraketiny koa ireo fotoana nitondran'ny maro faisana: fanafihana an-tanàna ihazonana sy anaovana famotorana ireo vehivavy eo imason'ny zanany; trangam-panorisorenana ara-nofo sy fandrahonana mba hampidirana tahotra na hahazoam-baovao. Taorian'ny famotsorana, dia maro tamin'ireo niangana no nangina, voaterin'ny fanilikilihana sy ny tahotra valifaty tsy tapaka.
Miady amin'ny fitongilanana satria vehivavy, lahatsoratra iray isa-potoana
Toa tsy azo ihodivirana ny fanavakavahana ao amin'ny efi-pamoaham-baovao. Matetika ny vehivavy no ambaniana, na ahilika, na vitsy kokoa ny fanararaotra omena azy. Ho setrin'izany, dia nanosika ny tenany hanao ny tsara indrindra eo amin'ny sehatra misy azy i Kant Kaw.
“Rehefa niatrika fanavakavahana aho, dia nampiasa ny asako ho fanaporofoana fa tsy tokony hohamaivanina amin'ny maha-vehivavy ahy, ary nahomby tamin'izany.”
Niha-sahy kokoa izy, noho ireo asa soratry ny mpanoratra vehivavy izay nanome aingam-panahy azy mihoatra noho ny tantaram-pahombiazan'ny lehilahy rehetra. Nifofotra izy hampiako mafy ny tantaran'ireo vehivavy sy ny fikolokoloana ny talentany, ary mankatoa ny filazan-tantara ho fomba mahomby hanaovana izany.
Care as a practice for sustaining the work Fikarakarana ho toy ny fomba fanao hanohanana ny asa
Nampisy fiantraikany ireo taona maro nanaovana tati-baovao, indrindra taorian'ny fanonganam-panjakana tao Myanmar. Ninia nikarakara tena amin'izao andro izao ho fanohanany ny asany: mozika, fananihan-tendrombohitra, finamanana, ary famahana olana ara-pihetseham-po mavitrika.
Manome araka izay azony izy, manohana sy manatrika ireo namana sahirana. Fantany ny olana:
“Matetika ny vehivavy mitondra vesatra ara-pihetsehampo bebe kokoa. Mora ny mipatitaka rehefa tsy manana faharetana ara-tsaina ka miaro ny tenako amim-pitandremana aho.”
Tanteraka ny nofinofiny ho lasa mpanoratra — saingy tsy araka ny noeritreretiny voalohany. Manoratra ho an'ny vahoaka izy, ho an'ireo vehivavy nampanginina noho ny tsy rariny ny feony, ary manohy manoratra ho hetsika fanoherana, mandrakitra ny marina, sady loharanom-panantenana.
Amin'ny alalan'ny asa sorany izy no manosi-bohontanana ny fahanginana, ny tsy rariny, ary manohitra izay rehetra sahy manivaiva nyazon'ny vehivavy atao.






