Zeorziana mpiady ho an'i Okraina maneho herimpo, fanoloran-tena ary fifaharana

Ny olom-pirenena Zeorziana Mamuka Mamulashvili, miady any ambava adin'ny fifandonana eo amin'i Rosia sy Okraina. Sary Facebook; nomena alalana hampiasaina.

Sambany teo amin'ny tantaran'i Okraina, nisy olom-pirenena Zeorziana roa  niasa teny ambava ady nahazo mari-boninahitra ambony avy amin'ny tafika Okrainiana. Anisan'izany i Mamuka Mamulashvili, komandin'ny Andia-tafika Zeorziana — vondrona miaramila vahiny betsaka indrindra miady miaraka amin'ny tafika Okrainiana amin'ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina. Nomena medaly sy mari-pankasitrahana noho ny herim-po miavaka ihany koa i Levan Pipia, izay niara-nanorina ny Andia-tafika Zeorziana.

Natolotry ny Filoha Okrainiana Volodymyr Zelensky ho an'ireo lehilahy ireo ny medaly volafotsy sokajy voalohany izay manamarika ny fankasitrahana manantantara ny fandraisan'ny Andia-tafika anjara amin'ny fiarovana an'i Okraina manoloana ny fanafihan'i Rosia. “Tsy valisoan'olontsotra iray manokana fotsiny izy ity — fa ho an'ny Andia-tafika manontolo sy ny Zeorziana rehetra mijoro miaraka amin'i Okraina,” hoy i Mamulashvili tamin'ny Global Voices nandritra ny tafatafa an-telefônina noraketina. “Ny fanoloran'ny filoha no maneho ny ambaratonga ambony indrindra amin'ny fankasitrahana ny sorona sy ny fanoloran-tenanay.”

Taorian'ny latsa-bato tsy nisy nitsipaka tao amin'ny parlemanta Okrainiana no nahazoana ny valisoa, hanehoana ny fanohanan'ny fanjakana ankapobeny ary manamafy ny maha-ara-dalàna ny Andia-tafika amin'ny maha-hery mpiady azy.

Lasibatry ny servisy manokan'ny Rosiana

Mitatao ao ambadik'ity fankatoavana ity misy loza mahatsiravina. Nambaran'i Mamulashvili fa manomana fanentanana anjotra ny mpitandro filaminana Rosiana hanaratsiana ny Andiatafika Zeorziana, ary nitady izay hamonoana azy amin'ny alalan'ny valisoa 100.000 dolara amerikana.

“Niezaka ry zareo hanaovana anay ho marika haringana – na anjotra na ara-batana. Nokendrena izahay ho hafatra ho an'ireo iraisampirenena manohana an'i Okraina,” hoy ny fanazavan'i Mamulashvili. Noderainy ny fiaraha-miasa akaiky tamin'ny Sampam-piarovana Okrainiana tamin'ny fandravana tambajotram-pamonoana olona miasa voalohany ao Kyiv.

Hery mitombo any ambava ady

Miha-mivelatra amin'izao fotoana izao ny Andia-tafika Zeorziana, mametraka vondrom-pitondra fitaovam-piadiana mavesatra mivezivezy ary mandray anjara amin'ny fanimbam-pitaovana, fanangonana tahirim-pitsikilovana sy fanafihana any ambava ady, indrindra any amin'ny faritra mora azo sy mora votsotra toa an'i Kharkiv sy Sumy.

“Zeorziana ny ankamaroan'ny mpiadinay, izay vondrona vahiny lehibe indrindra eto Okraina. Raha mifanolosolo ny volontera vahiny, dia miady maharitra eto ny lehilahinay,” hoy i Mamulashvili. Mbola avo ny herintsaina na dia efa ho telo taona aza ny fifandonana, satria manatsara ny fahaiza-manaony sy mahafehy ny teknolojia miaramila maoderina ny mpiady.

Na dia manana anjara asa lehibe aza ny Andia-tafika, dia tsy miankina amin'ny fanampiana ara-bola mivantana, fa amin'ny famatsiam-bola ho an'ny tenany. Misy mpikambana manao sonia fifanarahan'asa amin'ny tafika mitam-piadiana Okraina, fa maro no tsy manao izany. “Mahazo fanohanana iraisampirenena amin'ny fanazarantena sy ny teknolojia izahay amin'ny ankapobeny,” hoy i Mamulashvili nanampy. “Manatrika fiofanana any ivelany ny manamboninahitray mba haharaka amin'ny fivoaran'ny resaka ady.”

Fijoroan'ny governemanta Zeorziana manjavozavo

Raha ny toerana ofisialin'i Zeorziana manoloana ny ady, dia nilaza tamim-pahatsorana ny komandin'ny Andia-tafika. “Tsy maneho ny safidin'ny vahoaka Zeorziana izay manohana tanteraka an'i Okraina ny governemanta Zeorziana amin'izao fotoana,” hoy i Mamulashvili nanamarina. “Izahay, ny Andia-tafika, no tena mitondra feon'ny fiarahamonina Zeorziana eto.”

Rehefa nanontaniana momba ny mety hisian'ny fiovana ara-politika, dia nilaza izy fa pragmatika: “Hifarana ny politika prô-Rosiana any Georgia rehefa resy eto Okraina i Rosia. Mifamatotra amin'ity ady ity mihitsy ny hoavin'i Zeorzia.”

Hatramin'ny nanafihan'i Rosia tanteraka an'i Okraina, dia niharatsy ny fifandraisana ara-pirahalahiana teo amin'i Georgia sy Okraina taloha, amin'ny fanakianan‘ireo mpitariky ny Georgian Dream – anisan'izany ny praiminisitra teo aloha, Irakli Gharibashvili – tsy tapaka ny firenena.

Nilaza imbetsaka ireo manampahefana ao amin'ny antoko mitondra fa azon'i Kyiv nosorohina ny adin'i Rosia any Okraina. Rehefa nanontaniana tamin'ny Febroary 2025 ny Ben'ny tanànan'i Tbilisi, Kakha Kaladze, mpikambana malaza ao amin'ny Georgian Dream, ny amin'izay azon'i Okraina natao mba hisorohana ny ady, dia nilaza, fa “manao izay rehetra azony atao mba hisorohana ny fandrahonana ny mpanao politika sy hiasa ho amin'ny tombontsoan'ny fireneny sy ny vahoakany.”

Fiandohana sy fivoaran'ny Andia-Tafika Zeorziana

Nanangana ny Andia-Tafika ho fomba iray hanohanana ny fiandrianam-pirenen'i Okraina tamin'ny taona 2014, fotoana fohy taorian'ny nipoahan'ny fanafihana nataon'i Rosia tany atsinanan'i Okraina sy ny fanakambanana an'i Krimea, ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy any Georgia. Tany am-piandohana dia vondrona mpiady mafana fo tsotra izy io, saingy niova ho vondrona miaramila vahiny lehibe indrindra sy tsara lamina indrindra any Okraina.

Natosiky ny zava-niainana tamin'ny fanafihana imperialy Rosiana ny fananganana azy – nijaly i Georgia tamin'ny ady nifanaovana tamin'i Rosia tamin'ny taona 2008 – ary natosiky ny fanoloran-tena hijoro eo anilan'i Okraina amin'ny adiny ho an'ny fahafahana sy ny tsy-fivakivakisana zaratany koa.

Nandray anjara tamin'ireo fifandonana sy ny bemidina lehibe manerana an'i Okraina Atsinanana nandritra ny taona maro ny Andia-Tafika, nahazo laza noho ny fahaiza-manaony, ny faharetany ary ny fahombiazany. Mariky ny firaisankina Zeorziana-Okrainiana sy ny fanoherana ny fanitarana ny firenena Rosiana koa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.