Aminy fomba ahoana ary nahoana no miely patrana ny fihetsiketsehana any Iran?

Protesters in Isfahan join the mass protests across Iran.

Mpanao fihetsiketsehana ao Isfahan manatevin-daharana ny fihetsiketsehana faobe manerana an'i Iran. Pikantsarin'ny lahatsary nalefan'i @iranhrs99 tao amin'ny X. Natao ampiasana ara-drariny.

Tao amin'ny The New Arab ny 2 Janoary 2026 no nivoahan’ity lahatsoratra ity voalohany. Navoaka indray ato amin'ny Global Voices ity dikan-dahatsoratra nasiam-panitsiana ity ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty.

Nihitatra tany amin'ny tanàna maro hafa ny hetsi-panoherana kely izay niatomboka ny alahady lasa teo tao amin'ny Bazariben'i Tehran, ao afovoan-drenivohitra Iraniana, noho ny fitotonganan'ny sandam-bola nasionaly tampoka, nisy ny fahafatesan'olona sy ny faharatrana nandritra ny fifandonana tamin'ny polisy sy ny mpitandro filaminana araka ny tatitra.

Tamin'ny 31 Desambra, tao an-tanàndehibe atsimo ao Fasa no ivon'ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana, toerana nanafihan’ny mpanao fihetsiketsehana ny biraon'ny governora. Tamin'io andro io ihany, araka ny voalazan'ny Mpiambina Revolisionera, maty ny mpikambana iray ao amin'ny milisy Basij mpanohana ny fitondrana ao amin'ny tanàna andrefan'i Kuhdasht raha nifandona tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ny ampitson'iny, nitatitra ny fampitam-baovao teo an-toerana fa mpanao fihetsiketsehana telo no maty tany amin'ny tanàna kely any andrefan’i Azna, faritanin'i Lorestan, raha niezaka niditra tao amin'ny foiben'ny polisy izy ireo.

Talohan'i Fasa, nisy ihany koa ny fihetsiketsehana tao Isfahan,Malard, Hamedana, Arak ary Qeshm. Mbola tsy namoaka tarehimarika ofisialy momba ny fisamborana ny manampahefana Iraniana, saingy mampiseho fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana ireo lahatsary sy ny fitantaran'ireo vavolombelona.

Nitontongana ny sandam-bola

Nanomboka tao amin'ny Bazariben’i Tehran ny onjan'ny fihetsiketsehana farany, manda nentim-paharazana iorenan'ny vondrona mpandala ny nentin-drazana sy ara-pivavahana. Nitontongana anefa ny rial Iraniana ny Alahady 28 Desambra ary ambany indrindra izany tamin'ny firaketana, ka nanosika ireo mpivarotra sasany hanidy ny fivarotany ho fanoherana ny fiharatsian'ny toe-karena, ary namidy tamin'ny 1.450.000 rials Iraniana teny an-tsena malalaka ny dolara amerikana iray.

Niova be hatrany ny taha nandritra ny andro nanaraka, ka nanasarotra ho an'ny mpivarotra hametraka vidin-javatra. Vokatr'izany, nitohy ny fitokonana teny an-tsena ny Alatsinainy sy Talata.

Nilaza ny mpivarotra iray ao amin'ny tsenan'ny karipetra ao Tehran, izay nangataka ny tsy hitonona anarana noho ny antony ara-piarovana, fa nahatonga ny fandraharahana ho tsy azo tanterahina ny tsy fahamarinan-toerana ara-toekarena.

“Mila fahamarinan-toerana ara-toekarena farafahakeliny ny varotra, izay tsy misy amin'izao fotoana izao,” hoy izy tamin'ny “The New Arab.”

Nampiany fa samy mifandray amin'ny sandan'ny fifanakalozana dolara ny vidin'ny akora fototra, ny karama, ny fitaterana, ny hofan-trano ary ny fandaniana hafa, ary mahatonga ny sara sy ny varotra ho tsy azo tanterahina ny fiovana tampoka.

The trader rejected claims by government-linked media that shop closures were forced by “agitators,” saying traders themselves chose to draw officials’ attention.

Nolavin'ilay mpivarotra ny filazan'ny fampitam-baovao mifandray amin'ny fanjakana fa ny “mpanakorontana” no nanery ny fikatonan’ny fivarotana, ary nilaza fa ireo mpivarotra mihitsy no nisafidy ny hisarika ny sain'ny manampahefana.

“Na dia mbola sokafanay aza ny fivarotanay dia tsy afaka miasa izahay,” hoy izy. “Noho ny faneren'ny mpitandro filaminana dia mety hisokatra indray ny tsena amin'ny asabotsy, saingy hijanona ao am-pivarotanay fotsiny izahay fa tsy hivarotra raha tsy efa milamina ny sandan'ny fifanakalozana.”

Mitombo ny korontana

Ny alarobia, namaly ny fitokonana ny governemanta tamin'ny fanakatonana ireo biraom-panjakana sy foibe ara-barotra tao Tehran sy tany amin’ny tanàndehibe maromaro hafa. Nilaza ny manampahefana fa ny toetr’andro no antony. Ny alakamisy sy zoma no faran'ny herinandro any Iran, ka mahatonga ny tsena hikatona hatramin'ny asabotsy.

Ny Talata, nihaona tamin'ireo mpitarika ny vondron'ireo mpivarotra ny manampahefana, nampanantena fanalefahana ara-ketra, fiatoana amin'ny lamandy amin'ny hetra ary ny fisitrahana famatsiana vola vahiny ho fanafarana entana mba hampitoniana ireo mpivarotra.

Tamin'io andro io ihany, nametra-pialana amin'ny maha-governoran'ny Banky Foiben'i Iran azy i Mohammad Reza Farzin. Nandray ity andraikitra ity izy tamin'ny Desambra 2022 taorian'ny nialan'i Ali Salehabadi raha nitontongana be ny sandan'ny rial. Tamin'izany fotoana izany, namidy 435,000 rials ny dolara iray.

Namerina io fomba fijery io ihany, taorian'ny fametraham-pialan'i Farzin ny mpahay toekarena iray, tao anatin'ny antsafa tamin'io taona io, izay nampitandrina fa tsy hampijanona ny fitontongan’ny rial ny fanovana ny lehiben’ny banky foibe.

“Tsy mampaninona izay lehiben'ny banky foibe,” hoy izy nanazava. “Fa raha mbola ny kolikoly no mifehy ny toekarena dia hitohy ity toe-javatra ity.”

Nilaza izy fa ny sazy iraisampirenena amin'ny fanondranan’i Iran solika, etona ary ireo vokatra petroshimika, ary ny mety hisian'ny fifandonana vaovao eo amin'i Iran sy Israely, no mampitombo ny tsy fahamarinan-toerana ara-toekarena, ny sandam-bola ambany ary ny fisondrotry ny vidim-piainana.

Nilaza ihany koa izy fa nanimba ny toekaren'i Iran ny fitokana-monina ara-politika ary nampitombo ny hatezeram-bahoaka.

“Tsy manao fihetsiketsehana ho an'ny fahalalahana ara-politika na ho an’ny tena manokana fotsiny intsony ny olona,” hoy izy. “Maro no tsy afaka mividy sakafo ho an'ny fianakaviany, ary  tsy hamaha ny olana ny famaliana azy ireo amin'ny alàlan'ny polisy misahana ny rotaka.”

Nilaza ilay mpahay toekarena fa tsy mazava raha hiparitaka bebe kokoa ireo fihetsiketsehana, saingy nomarihiny fa azo inoana fa hifarana noho ny fifandraisana akaiky nisy teo amin'ny tsena sy ny fitondrana ny fitokonana tao amin'ny Bazariben’i Tehran.

“Efa ela no nanohana ny rafitra ara-pivavahana sy ny mpandala ny nentin-drazana ny tsena,” hoy izy. “Noho izany antony izany, dia mety hisy ny fifanarahana eo amin’ny governemantan'ny Filoha Masoud Pezeshkian sy ireo mpitarika ny tsena. Saingy miankina amin'ny hamafin'ny famoretana ireo mpanao fihetsiketsehana sy ny faharetan'ny vondrona mpanohitra miray hina ny fitomboan'ny fihetsiketsehana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.