Artista espaniola maka sary an-tsaina indray ny Guernica an'i Picasso hanoherana ny fandripaham-bahoaka ao Gaza

Zavakanto an-drindrindra maka volontany nataon'i Moreno (@morenomural) avy amin'ny Global Voices. Kanto nahazoana alalana.

Vitsy ny sary hosodoko maneho fanaintainana sy hadalana ateraky ny ady tahaka ny Guernica an'i Pablo Picasso, sanganasa vitany tamin'ny taona 1937. Sary hosodoko mirefy 3,49 metatra ny haavony ary 7,76 m ny sakany, mamintina ny herisetra sy ny korontana nahafatesana olona an'hetsiny nandritra ny ady an-trano tany Espaina (1936-1939). Anaran-tanàna Basque iray izay nodarohan'i Alemaina Nazi sy Italia Fasista tamin'ny 1937 i Guernica.

Iray amin'ireo singa mandòna indrindra amin'ny piesy mihoatra noho ny zavamisy ny madre con niño muerto (reny maty zanaka) aseho eo amin'ny farany ambany havia amin'ny sary: ​​reny iray, mitomany noho ny fanaintainana sady mitrotro ny zanany maty eo an-trotroana. Nanao sary fanampiny azy ity Picasso tamin'ny asany taty aoriana.

“Guernica” avy amin'i  Pablo Picasso (1937). Wikimedia Commons,  fampiasana ara-drariny somary vakiraoka kokoa.

Maherin'ny 80 taona taorian'ny daroka baomba tao Guernica, mihatra ao Palestina ny fandripahana ampiharin'ny manampahefana Israeliana, ary vao mainka niharatsy izany noho ny tsy fihetsehan‘ny firenena vahiny, ary tsy voatsimbina ny ankizy. Iharan'ny daroka baomba, herisetra ary mosary koa ireo. Araka ny Firenena Mikambana, hatramin'ny nanombohan'ny adin'i Israely tao Gaza tamin'ny taona 2023, dia ankizy Palestiniana maherin'ny 50.000 no maty na naratra. Maro no maty teo an-trotroan-dreniny.

Ankehitriny, mamerina mieritreritra ny sary hosodoko manarika an'i Picasso ireo mpanakanto Espaniola valo, izay miantso ny hampitsaharana ny ady any Gaza. Manantena izy ireo fa hanaitra ny fihetseham-po iraisan'i ao Espaina amin'ny alàlan'ny fampitahana mivantana amin'ny tantarany maharary ireo sary ireo.

Sarin'i Sara Montero, mpikamban'ny PararLaGuerra, nopihana nandritra ny fampirantiana voalohany tamin'ny Marsa 2025. Nahazoana alalana.

Naseho voalohany teo anoloan'ny Tranombakoka Reina Sofía tao Madrid tamin'ny Marsa 2025 ny fampirantiana Madre del Guernika (Renin'i Guernika). Telo volana taty aoriana, tamin'ny 14 Jona, nampiseho sanganasa kanto isan-karazany teny an-kianjam-bahoaka indray ny Parar la Guerra, hetsika Espaniola manohitra ny ady ivondronan'ny fikambanana am-polony. Tamin'ity indray mitoraka ity anefa, dia naseho teo anoloan'ny Parlemanta Espaniola ireo talohan'ny fihetsiketsehana goavana manohitra ny fandripaham-poko tany Palestina, izay natao nanerana an'i Espaina.

Niantso ny olona hanao fihetsiketsehana manohitra ny ady ireo marika ara-kolontsaina lehibe, toa an'i Pedro Almódovar, mpamokatra sarimihetsika, ary nidina an-dalambe Espaniola ny olona an’arivony. Nilaza ny solontenan'ny Parar la Guerra nandritra ny fihetsiketsehana hoe:

Tras la ruptura del precario alto el fuego el 18 de marzo, la violencia ha escalado. Estamos ante uno de los momentos más crueles y mortíferos de la matanza que el gobierno israelí lleva veinte meses perpetrando contra una población civil inocente, desarmada e indefensa.

Taorian'ny fahavakisan'ny fampitsaharana ady efa marefo tamin'ny 18 marsa, niakatra ny herisetra. Atehintsika ankehitriny ny fotoana feno habibiana sy mahafaty ataon'ny governemanta israeliana nandritra ny roapolo volana amin'ny vahoaka sivily tsimanantsiky, tsy manam-pitaovam-piadiana ary tsy manam-piaro.

Azonao jerena eto ambany ireo amboaran'asakanto.

Asakanton'i Moreno Mural (@morenomural), nahazoana alalana.

Asakanton'i Jacobo Palos Wey (@jacobopaloswey), nahazoana alalana.

Asakanton'i Anita Muñoz Rivera (@alonatural17), nahazoana alalana.

Asakanton'i Klina (@Klina_art), nahazoana alalana.

Zavakanton'i Victor “Konestilo” (@Konestiloart), nahazoana alalana.

Zavakanton'i Nauni69 (@nauni69), nahazoana alalana.

Zavakanton'i Jota López (@jotalo), nahazoana alalana.

Zavakanton'i Jesús Soriano Ñuku (@nukugraffiti) maka sary an-tsaina indray ny sokitra “Pietà” an'i Michelangelo Buonarroti, ao amin'ny Bazilikan'i Md Piera, Vatican City. Nahazoana alalana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.