
Sarin'ny vehivavy tantsaha mpandray anjara 300 tamin'ny fihaonana tao amin'ny lapan'ny tanàna misolo tena ireo vondrom-piarahamonina isankarazany ao amin'ny fanjakana Kaduna, nomanin'ny Women Initiative for Sustainable Development (WISE). Sary avy amin'ny WISE. Nahazoana alalana.
Vita tany Brezila ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan’ny Toetrandro taona 2025, na COP30. Anisan’ireo firenena afrikanina nanana delegasiona ofisialy betsaka indrindra i Nizeria, ny Repoblika Demaokratikan’i Kongo ary i Tanzania. Na izany aza, nisy ivon-toerana iray manan-danja tsy nanatrika ny fihaonambe, nefa mbola manohy manova sy mamolavola ny adihevitra momba ny rariny ara-tontolo iainana manerana an’i Nizeria amin’ny alalan’ny hetsika feminista, izay tsy iza fa ny Women Initiative for Sustainable Development (WISE).
Mihaika ny elitisma manjaka amin’ny dinika momba ny toetrandro ny WISE, mampifantoka ho amin'ny fiainan’ny olona andavanandro, ary mikendry ny hanangana hery iombonana miampita sisintany. Resahiny kosa ny hanaovana fifanarahana mifampitàna amin'ireo fifampiraharahana iraisampirenena alatsaka avy avy any amin'ny mpanapa-kevitra ambony, izay matetika manilika ny maro. Kinendrin'ity ivontoerana ity ny hampiroborobo ireo vahaolana avy amin’ny vondrom-piarahamonina, hanamafy ny fitakiana feminista, ary hiantoka fa ny soatoavina feminista momba ny fikarakarana sy ny firaisankina mamolavola ny tanjona ara-toetrandro.
Tao anatin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny talen'ny mpanorina azy, nanolotra topimaso bebe kokoa momba ny asan'ny ivotoerana i Olanike Olugboji-Daramola, nanantitrantitra izy fa ny rariny ara-toetrandro dia tsy ny fisoloan-tena amin'ny toerana toa ny COP30 ihany — fa ny fampiofoana tanteraka ny resaka, manomboka any amin'ny vahoaka ifotony.
Zita Zage (ZZ): Afaka milaza ny mombamomba anao ve ianao?
Olanike Olugboji-Daramola (OOD): My name is Olanike Olugboji-Daramola, the founding Director of WISE. I am a multi-award-winning conservationist, climate justice actor, women’s empowerment advocate, citizen journalist, public speaker and writer.
In addition to directing WISE, I serve as Women’s Earth Alliance (WEA)’s Nigeria Project Lead and a correspondent for World Pulse, where I speaks on critical issues like climate change. My writing has been featured in Time Magazine, and I am involved in a number of leadership and global initiatives, like the Inclusive Global Leadership Institute, How Women Lead/Women Leaders for the World, Empowerment Institute USA, Clean Cooking Alliance and others.
Olanike Olugboji-Daramola (OOD): Olanike Olugboji-Daramola no anarako, tale mpanorina ny WISE. Mpandala ny tontolo iainana nahazo loka maro aho, mpikatroka ho an’ny rariny ara-toetr’andro, mpiaro ny fampaherezana sy fanamafisana ny herin’ny vehivavy, olom-pirenena mpanao gazety, mpandaha-teny ampahibemaso ary mpanoratra. Ankoatra ny fitantanana ny WISE, dia mitana ny andraikitra maha-Tompon’andraikitry ny Tetikasa any Nizeria ho an’ny Women’s Earth Alliance (WEA) ihany koa aho, ary mpifandray amin’ny World Pulse, izay anehoako hevitra sy iresahako olana lehibe toy ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nivoaka tao amin’ny Time Magazine ny sasany amin’ireo lahatsoratro, ary mandray anjara amin’ireo fandaharan’asa sy hetsika iraisampirenena maro momba ny fitarihana aho, toy ny Inclusive Global Leadership Institute, How Women Lead/Women Leaders for the World, Empowerment Institute USA, Clean Cooking Alliance, ary maro hafa.
ZZ: Inona ilay Women Initiative for Sustainable Development (WISE)? Oviana izy no naorina, ary inona ny tanjony?
OOD: Inspired by my care for nature and unique sense of equity, I founded the Environmental Management and Protection Network (EMPRONET) in 2004. In 2009, EMPRONET transitioned to Women Initiative for Sustainable Environment (WISE), a legally registered nonprofit organization that advances grassroots women’s representation, active participation, and leadership in natural resource governance and peace building. Through WISE, we lobby individuals, governmental and intergovernmental bodies, NGOs, Community Based Organizations (CBOs) and other individuals and corporate organizations to develop environmentally sustainable initiatives that socially and economically empower women. To date, our efforts have directly impacted over 150,000 women at the grassroots, significantly enhancing their roles in natural resource management and sustainable development.
OOD: Nentanin’ny fiahiana ny tontolo iainana sy ny fahatsapan’ny rariny manokana, dia nanangana ny Tambajotran’ny Fitantanana sy Fiarovana ny Tontolo Iainana (EMPRONET) aho tamin’ny taona 2004. Tamin’ny taona 2009 ny EMPRONET niova ho Women Initiative for Sustainable Environment (WISE), fikambanana tsy mitady tombontsoa ara-bola voasoratra ara-dalàna, mikendry ny fampiroboroboana ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin’ny sehatra eny ifotony, ny fandraisana anjara mavitrika, ary ny fahaiza-mitarika amin’ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny fananganana fandriampahalemana. Amin’ny alalan’ny WISE, manentana sy miara-miasa amin’ny olona tsirairay, ny sampan-draharaham-panjakana sy iraisampirenena, ny ONG, ny vondron'olona ifotony (VOI), ary ny olona sy fikambanana hafa izahay, mba hamolavola tetikasa maharitra amin’ny tontolo iainana izay manome fahefana ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an’ny vehivavy. Hatramin’izao, ny ezaka nataonay dia nahatratra mivantana vehivavy eny ifotony mihoatra ny 150.000, ka nanamafy ny anjara toeran’izy ireo amin’ny fitantanana ny harena voajanahary sy ny fampandrosoana maharitra.
ZZ: Vao nifarana ny Fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan’ny Toetr’Andro (COP30). Nandray anjara ve ny WISE tamin’ity fihaonambe ity, sa efa nandray anjara tamin’ny andiany teo aloha?
OOD: With funding support received from Global Fund for Women, our organization, Women Initiative for Sustainable Environment, organized what was termed a Pre-COP28 Awareness rally in Kaduna state Nigeria to demand for climate justice for women and affirmative representation at the 28th edition of the UN Climate Change Conference.
The rally was organized ahead of the UN Climate Change Conference also referred to as the Conference of Parties (COP 28) scheduled to hold from November 30 to December 12 in Dubai, United Arab Emirates. The goal of the rally was to demand for climate justice for women and affirmative participation at the Conference of Parties (COP). The rally was also intended for the purpose of creating awareness, as many people were not informed about the terrible impacts of climate change in their communities.
Similarly, many residents do not know anything about COP. I have heard so many leaders saying that women are the most impacted by the effect of climate change and they are the first responders, but sadly, at the decision-making tables, their voices are missing. The concerns of women need to be heard as it concerns climate change, because so many women in Nigeria are still using firewood to cook. It is one of the greatest causes of deforestation thus contributing to the spate of invasive deforestation.
OOD: Tamin’ny fanohanana ara-bola avy amin’ny Global Fund for Women, nanomana hetsika iray antsoina hoe Pre-COP28 Awareness Rally tany Kaduna fanjakana iray ao Nizeria, ny fikambananay Women Initiative for Sustainable Environment (WISE), mba hitakiana ny rariny ara-toetr’andro ho an’ny vehivavy sy ny fandraisana anjara mendrika amin’ny andiany faha-28 amin’ny Fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan’ny Toetr’Andro (COP28).
Nokarakaraina talohan’ny Fihaonamben’ny Firenena Mikambana momba ny Fiovan’ny Toetr’Andro ny hetsika, izay antsoina koa hoe Conference of Parties (COP28), ary nokasaina hatao manomboka ny 30 Novambra ka hatramin’ny 12 Desambra any Dubai, Emirà Arabo Mitambatra. Ny tanjon’ny hetsika dia ny hitakiana ny rariny ara-toetr’andro ho an’ny vehivavy sy ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny Conference of Parties (COP). Ankoatra izany, natao ihany koa ny hetsika ho fanentanana, satria maro ny olona no tsy nahazo torohay momba ny voka-dratsin'ny fiovaovan’ny toetr’andro amin’ny fiarahamonina misy azy ireo.
Toy izany koa, maro amin’ny mponina no tsy mahalala na inona na inona momba ny COP. Henoko ny mpitondra maro milaza fa ny vehivavy no tena iharan’ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro ary izy ireo no mpamaly voalohany amin’ny krizy, saingy mampalahelo fa tsy hita ny feony eo amin’ny latabatra fanapahan-kevitra. Tokony henoina ny fitarainan’izy ireo momba ny fiovan’ny toetr’andro, satria maro amin'ireo vehivavy any Nizeria no mbola mampiasa hazo fandoroana rehefa mahandro. Io no iray amin’ireo anton’ny fandripahana ala lehibe, ka mandray anjara amin’ny fihanaky ny fandripahana ala tsy voafehy.
ZZ: Inona avy ireo drafitra momba ny toetr’andro ao Nizeria izay nandraisan’ny vehivavy anjara na izay nolanian’ny vehivavy ho fanohanana?
OOD: While women have historically been underrepresented in high-level policy discussions, their involvement in climate policy-making has been a growing priority in Nigeria. In recent years, especially, women in Nigeria are having more opportunities to play pivotal roles in shaping climate plans and programs at the national and local levels specifically through extensive consultations, inclusive plan development and Integration into national policies, and ongoing key women-led initiatives which are ensuring women’s participation in strategic efforts.
From policy and program design to formulation, implementation and reporting, most notably through the National Action Plan on Gender and Climate Change which is a strategy, launched in 2020, aimed at ensuring climate policies and programs are inclusive of all genders and vulnerable groups. These efforts reflect a recognition that women are disproportionately affected by climate change and possess valuable knowledge and skills necessary for effective climate action and resilience-building.
OOD: Na dia tsy dia nahazo vahana tamin’ny resaka politika ambony aza ny vehivavy teo amin’ny tantara, dia mihamitombo ny lanjan’ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fanapahan-kevitra momba ny toetr’andro ao Nizeria. Tanaty taona vitsivitsy izay, ny vehivavy ao Nizeria, indrindra indrindra, no mahazo fahafahana bebe kokoa hanana andraikitra lehibe amin’ny fananganana drafitra sy programa momba ny toetr’andro amin’ny sehatra nasionaly sy eo an-toerana, indrindra amin’ny alalan’ny fakan-kevitra, fananganana drafitra mirindra sy fampidirana azy amin’ny politika nasionaly, ary ny hetsika lehibe tantanin’ny vehivavy izay miantoka ny fandraisan’anjara mavitrika ataon’ny vehivavy amin’ny ezaka stratejika.
Manomboka amin’ny famolavolana politika sy programa hatrany amin’ny fananganana, fampiharana ary fanomezana tatitra, indrindra indrindra amin’ny alalan’ny Drafitra Fampiharana Nasionaly ho an'ny Rehetra ary ny Fiovan’ny Toetr’Andro, izay tetikady natomboka tamin’ny taona 2020, mikendry ny hiantohana fa mirindra amin’ny lahy sy vavy rehetra ary amin’ireo vondrona marefo ny politika sy programa momba ny toetr’andro. Ireo ezaka ireo dia maneho ny fankasitrahana fa ny vehivavy no tena iharan’ny voka-dratsy ny fiovan’ny toetr’andro, ary manana fahaiza-manao sy fahalalana sarobidy ilaina amin’ny fanatanterahana hetsika mahomby momba ny toetr’andro sy ny fanamafisana ny fahaiza-manohatra izy ireo.

Fatima Washiri, vehivavy mpamboly, nandritra ny fiofanana momba ny fampandrosoana ny toeram-pambolena eo ambanin'ny fandaharan'asa fiofanana momba ny fambolena mamelon'aina indray WEA-WISE. Sary avy amin'ny WISE. Nahazoana alalana.
Azonao zaraina aminay ve ny hevitra lehibe na ny zavatra notantarainao tamin’ireo hetsika vao haingana: ny famakiana boky, ny fitsidihana ny toeram-pambolena, sy ny resaka niarahana tamin’ireo tantsaha madinika?
OOD: Ny Zoma 21 Novambra, nandamina fivoriana famakiana boky izahay tao amin’ny Nigerian Resistance Hub for Climate Justice, nomena lohahevitra hoe “Feo Tsy Ren’ny COP”. Niarahana tamina vehivavy sy tovovavy ity hetsika ity mba hifanakalozana hevitra sy handinihana ny fiantraikan’ny tondra-drano amin’ny lafiny ara-pihetseham-po, ara-tsosialy, ary ara-toekarena ho an’ireo vehivavy mpamboly any ambanivohitra. Tamin’ny resadresaka kely tao amin’ny vondrona, dia niresaka malalaka ny mpandray anjara momba ny fomba hanamafisan’ny tondra-drano ateraky ny fiovan’ny toetrandro ny vesatra toy ny:
- Fahaverezan'ny fananana sy ny fivelomana
- Famindrana sy fifindra-monina ankaterena
- Fikorontanana ara-pihetseham-po sy ara-tsaina
- Faverezana ara-bola sy fidirantrosa
- Fahamoran'ny fahazoana aretina
- Fikorontanan’ny fitoniana ao amin’ny fianakaviana sy ny fiarovana ara-tsakafo
Nifantohana ihany koa tamin’ny vahaolana — izay azon’ny fiaraha-monina sy ny mpanao politika atao mba hanalefahana ireo vesatra ireo sy hanamafisana ny fahazakàna. Anisan’ny soso-kevitra lehibe nifampizaràna ireto manaraka ireto:
- Rafitra fitantanan-drano mety sy fanatsarana ny fitantanana ny fako
- Fisoloam-bava ny fiarahamonina sy asa faentanana
- Fampiharana mafy kokoa ny fitsipika momba ny fahadiovana sy tontolo iainana
- Rafitra fanonerana ho an’ny fiaraha-monina voakasika
- Fambolena hazo sy fampiharana politika miaro ny tontolo iainana
- Lalàna henjana kokoa momba ny fandravana tsy ara-dalàna ny hazo
- Fanorenana tohodrano sy rafitra fanaraha-maso tondra-drano
- Fiofanana ho an’ny vehivavy momba ireo teknika mamaly olana manorina
- Fanazavana ny politikam-piantohana entina mampihena ny fiantraikany ara-bola
Nandeha an-tongotra ho any amin’ny toeram-pambolena izahay, mba hahitana mivantana ny traika ratsin’ny fiovan’ny toetrandro eo amin’ny fiainan’ireo vehivavy mpamboly. Tamin’ity fitsidihana ity, nizara ny tolona niainany i Madam Elizabeth, izay voatery namboly katsaka inefatra farafahakeliny tamin’ity taona ity vao nahazo vokatra milamina. Fotoana maina izao, saingy vao mainka maina kokoa ny tany mahazaka ny voliny, mivangongo sy misy triatra noho ny tsy fahampian’ny orana sy hamandoana — famantarana mampitandrina haintany. Mitombo ny krizy, indrindra ho an’ireo vehivavy mpamboly any ambanivohitra izay miankina tanteraka amin’ny tany ny fivelomany.
Anisan’ny hetsika tao amin’ny COP30 ny fifampiresahana amin'ireo mpiasa tany madinika: Nigerian Resistance Hub for Climate Justice — “COP Missing Voices”. Nisy tapatapak'ahitra nandritra izany, ho fahafahan’ireo mpandray anjara nizara traikefa mivantana momba ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ara-pambolena ataony, ny sakana amin’ny fahazoana famatsiam-bola sy teknolojia, ny vahaolana fanaraham-bolontany mahomby eo an-toerana, ary ny fomba fambolena manavao sy maharitra. Nahitàna soso-kevitra sy tolo-kevitra azo ampiharina ihany koa ireo adihevitra ireo ho fampiroboroboana ny fambolena mateza.
ZZ: Fantatro fa nahazo loka maro ianao. Azonao tantaraina aminay ve ireo loka izay tena ireharehanao indrindra, sy ny antony mahatonga izany?
OOD: Reflecting on my journey, two awards I am most proud of are being honored as a World Pulse Live Tour Speaker in 2014 and a World Trade Congress Ambassador in 2022. Both awards afforded me advantageous opportunities to speak about Nigerian Women’s struggles with environmental degradation and climate change, while also projecting women-led grassroots solutions championed through WISE, and also making recommendations that I knew were taken into account and amplified. These global platforms amplified my voice beyond Nigeria and provided me with much-needed motivation and support to keep advancing the cause that I remain committed to. Every recognition that has come my way is not just about me, but it echoes the reverberating voices of women who refuse to be sidelined in the climate conversation, the communities that embraced transformation, and the struggles we must continue to surmount together.
OOD: Raha mijery ny tontolom-piainako, dia misy loka roa tena ireharehako indrindra: ny fanendrena ahy ho World Pulse Live Tour Speaker tamin’ny taona 2014 sy ho World Trade Congress Ambassador tamin’ny taona 2022. Nanokatra sehatra lehibe ho ahy ireo loka roa ireo, ahafahako haneho sy mitantara ireo sedra atrehin’ny vehivavy nizeriana manoloana ny fahasimban’ny tontolo iainana sy ny fiovan’ny toetr’andro. Nampahafantariko ihany koa ny vahaolana entin’ny vehivavy avy eny ifotony, izay ampandrosoin’ny WISE, ary naneho soso-kevitra izay fantatro fa noraisina sy nampitomboina ny feony. Ireo sehatra iraisampirenena ireo no nampivoaka ny feoko mihoatra an’i Nizeria ary nanome hery sy fanohanana lehibe ho ahy hanohizako ny ady sy ny fanoloran-tena amin’ny tanjona izay ijoroako hatrany. Ny fankasitrahana rehetra azoko dia tsy mahakasika ahy irery, fa maneho ny feon’ireo vehivavy tsy manaiky ho ahilikilika amin’ny resaka toetr’andro, ireo vondrom-piarahamonina nandray ny fanovàna, ary ireo tolona mbola tsy maintsy atrehintsika miaraka.
Notohanan'ny AWID ity tantara ity.






