Tsy mitsanga-menatra i Zeynep Sönmez, Tiorka mpilalao tennis, niala an'i Wimbledon

Image of tennis rackets and balls on a clay court, overlaid with a series of silhouettes of a woman player.

Sary nasongadina namboarin'i Arzu Geybullayeva nampiasana Canva Pro.

Feno rehareha izy nandao an'i Torkia, noho ny antony tsara rehetra: niakatra ho laharana faha-74 amin'ny Women's Tennis Association (WTA) i Zeynep Sönmez, Tiorka mpilalao tenisy nasionaly 23 taona voalohany nahatratra ny fihodinana fahatelo tamin'ny Wimbledon.

Sönmez koa no atletan'ny firenena voalohany tao anatin'ny 75 taona nahatratra ny fihodinana fahatelo tamin'ny lalaon'olon-tokana tamin'ny hetsika Grand Slam:

Fotoana manan-tantara ho an'ny tenisy Tiorka 🇹🇷

Zeynep Sonmez, laharana faha-88 erantany no mpilalao voalohany avy eto Torkia tafakatra amin'ny fihodinana fahatelo amin'ny lalaon'olon-tokana amin'ny Grand Slam amin'ny vanim-potoana misokatra!

Maro zavabita ireo mpilalaon'ny tenisy Tiorka raha nilalao Grand Slam tao anatin'ny taona maro. Tamin'ny taona 1950 no nahatratra ny fihodinana fahatelo tao Roland Garros i Bahtiye Musluoğlu. Vao haingana kokoa i Çağla Büyükakçay, nahatratra ny laharana faha-60 eran-tany, indroa tafakatra fihodinana faharoa tamin'ny Grand Slam telo teo anelanelan'ny taona 2016 sy 2017, na dia tsy nisy tao Wimbledon aza tamin'ireo. Toy izany koa, i Marsel Ilhan, laharana faha-77 eran-tany teo aloha, impito tonga fihodinana faharoa tamin'ireo Grand Slam tanelanelan'ny taona 2009 ka hatramin'ny taona 2015 – anisan'izany ny fisehoana indroa tao Wimbledon – saingy tsy nahadingana nihoatra an'io.

Dia indro i Sönmez, izay nandrombaka ny fifaninanana Merida Open Akron tany Meksika tamin'ny Novambra 2024, izay nahatonga azy hitondra ny amboara WTA voalohany teo amin'ny olon-tokana vehivavy.

Ilay kintana vao misandratry ny tennis, teraka tao Istanbul tamin'ny taona 2002, tsikaritry ny mpanazatra iray nandritra ny lasy fahavaratra natrehiny fony izy enin-taona monja. Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny BBC Tiorka, nahatsiaro i Sönmez hoe: “Nampiditra ahy sekoly fahavaratra ny fianakaviako. Lomano [sy] basketball. Saingy tsy tiako ny basketball. Handositra aho ary hilalao tenisy.”

Ny WTA Finals nolalaovina tany Istanbul no nanentana azy hanohy ny nofinofiny hilalao tenisy. “11 na 12 taona aho, ary tsaroako fa naka ahy tany an-tsekoly ny reniko [hijery famaranana],” hoy i Sönmez tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny WTA Tennis. “Niezaka nijery ny lalao rehetra aho. Tsy nampino; tonga lafatra ny atmosfera sy ny mpilalao. Azarenka, Li Na, Serena, Sharapova … mpilalao malaza daholo ireo.”

Tonga tamin'ny taona 2024 tamin'ny fifaninanana tany Merida ny fotoan-dehiben'i Sönmez. Nanatsara ny filaharany manerantany avy amin'ny laharana faha-159 mankany amin'ny faha-92 ny zava-bitany, izay nahatonga azy ho voalohany nilalao tamin'ny fiadiana ny tompondaka lehibe, ny Roland Garros.

Mijery ny lalao ampitaintainana ireo mpisera media sosialy ao Torkia:

Nitomany izy, niara-nitomany taminy izahay.

Naneho ny fankasitrahany an'i Sönmez i Mansur Yavas, ben'ny tanànan'i Ankara, tamin'ny sioka iray:

Amin'ny foko manontolo no iarahabako an'i Zeynep Sönmez, mpilalao tenisin'ny firenena, nahatonga fihodinana fahatelo tamin'ny Wimbledon. Misaotra anao tsy nampitsanga-menatra, enga anie hitohy ny fahombiazanao.

Taorian'ny lalao farany nataony tamin'ny fifanintsanana, niresaka tamin'ny mpanao gazety momba ny zavatra niainany sy ny zava-bitany i Sönmez: “Hitako ny lesoka. Hitako ny toerana tokony hatsaraina, ary hitako koa ny tanjako sy izay azoko atao. Miezaka hatrany aho ho tsara kokoa noho ny omaly. Araka ny efa nolazaiko imbetsaka, tsy mametraka tanjona amin'ny isa na amin'ny bainga ho an'ny tenako aho. Amin'ny maha-olona ahy, amin'ny maha-mpilalao ahy mijoro an-kianja. Miezaka hatrany aho hanao ny tsara kokoa noho ny teo aloha”.

Nanamarika koa izy hoe: “Tsapako fa tsy lavitra ny nofikonofiko aho, ka hanakaiky kokoa araka ny hanohizako azy.” Any amin’ny US Open indray ny lalaony manaraka, izay nikasàny hahazoany vokatra tsara kokoa. Na izany na tsy izany, ho arahin'ny mpankafy tenisy any Torkia akaiky ny lalaony .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.