
Image by Global Voices on Canva Pro
Eo am-panentanana haika famoriam-bola antsoin'ny Global Voices hoe “Ambadiky ny tantara” [mg] izahay no hampiseho mpandray anjara 30 ao anatin'ny 30 andro. Amin'ity andiany ity izahay nanontany ny mpandray anjara tsirairay izay tantara iray manokana nosoratany sy ny antony nifoforany hanoratany azy ireny. Ireny fandinihana avy amin'ireo mpandray anjara ireo ireny no mampahatsiahy antsika ny antony maha-zava-dehibe ny fiantohana ho lovainjafy ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices.
Ato i Juke Carolina Bransiecq mizara ny eritreriny nahatonga azy nifofotra hamoaka ny tantara “Indoneziana Mpitondratenin'ny Antenimiera, miatrika filankevi-pifehezana noho ny fifandraisany akaiky amin'i Donald Trump” [mg].
I'm proud of my GV stories because they reflect my commitment to solidarity and social justice. What matters most is the writing process — connecting with people and causes while collaborating with fellow GVers who share these ideals.
One example: my 2015 article about an Indonesian politician cozying up to Donald Trump. That ambitious, controversial figure is now Minister of Cultural Affairs. As Indonesia's democracy has declined, he's working to rewrite history — whitewashing the country's bloody past, revising textbooks, and granting hero status to ex-president Suharto, who was responsible for countless civilian deaths and human rights violations in Indonesia and Timor Leste.
This shows why our documentation matters: the bad actors know how to network and build systems in their favor. Our stories serve as a counterweight with the purpose to record. If we fail to do this, the Internet will be filled with stories rewrite by or for the bad actors. Our stories and narratives forgotten.
Tsy mitsanga-menatra aho amin'ireo tantaraiko ao amin'ny GV satria maneho ny fanoloran-tenako amin'ny firaisankina sy ny rariny ara-tsosialy ireo. Tena manandanja indrindra ny zotram-panoratana — mifandray amin'ny olona sy ny foto-keviny sady miasa miaraka amin'ireo mitovy idealy ao amin'ny GV.
Ohatra iray: lahatsoratro tamin'ny taona 2015 miresaka mpanao politika Indoneziana iray izay mifandray akaiky amin'i Donald Trump. Minisitry ny Raharaha ara-kolontsaina amin'izao fotoana izao io olona be hambo sy mampiady hevitra io. Mijotso moa ny demôkrasia any Indonezia, ka miady mafy izy hanova ny filazan-tantara — mamafa ny rà mandriaka tao amin'ny firenena, mikirakira ny boky fianarana, ary mampanao izay hahamaherifo ny filoha teo aloha Suharto, izay tompon'andraikitra namono sivily tsy tambo isaina sy ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona tany Indonezia sy Timor Leste.
Izany no maha-zava-dehibe ny fandraketantsika ny tantara: hain'ireo mpiantsehatra ratsy fanahy ny manango-namana sy manangan-drafitra ho min'ny tombontsoany. Ampiasaina ireo noraikentitsika sy tantaraina ho fandanjalanjana. Raha tsy mahavita izany isika, dia ho feno ireo tantarain'ireo tsimatahotody ho amin'ny tombontsoany ny aterineto. Hadino ny tantarantsika sy ny fomba fitantarantsika.
Sehatra iray ny Global Voices manome toerana ho an'ny fianakaviambenay hizara tantara sy fomba fijery any amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any sy ireo olana iahiany amin'ny alàlan'ny fiaharana amin'ireo ekipampanoratana izay manolo-tanana ny mpandray anjara tsirairay handrafitra ny tantarany.
Raha mba nahazo fahalalàna vaovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ireo tantara avy amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ireo, dia hevero ihany azafady ny hanome mba hitazonana ireo tantara ireo ho akaiky azo vakìna. Ny fandraisanao anjara dia hanohanana ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.
Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena tandroviny
Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanentanana haikam-panomezana “Behind the Story” novambra






