
Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Efitrano Famoahambaovaon'ny Global Voices.
Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Saffah Faroog avy ao Maldiva amintsika ny fiheverany ny naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “Maldiva hatrany Egipta: Afaka sivanina ve ny Revôlisiôna?” [angl.].
Hitako ho zavadehibe ity tantaran'ny GV ity noho izy manasongadina ireo fitoviana misy amin'ireo governemanta mpamoritra any amin'ireo firenena samihafa, amin'ny fiezahany hifehy ireo feo mpanohitra, ary ny fitoviana misy amin'ireo mpikatroka ho an'ny demaokrasia any amin'ny firenena samihafa amin'ny fanandramana handingana na hisoroka ireny ezaka fifehezana ireny. Anatin'izao vanim-potoanan'ny aterineto izao, mbola mitohy ho fitaovana fampiasan'ny fitondrana mpamoritra manerana izao tontolo izao ny fanaovana sivana amin'ny aterineto, mba hanivànana sy hanampenam-bava ireo fijery sy feo mifanohitra.
Global Voices dia sehatra iray manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamoninay hizaràna tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ireo olana sahanin'izy ireo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny ekipa mpamoaka lahatsoratra manohana izay manampy ny mpandray anjara tsirairay hamolavola ny tantarany.
Raha nahazo hevi-baovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ny tantaran'ny Global Voices avy amin'ireo mpandray anjara ato aminay, dia miangavy anao hihevitra hanao fanomezana mba hitazonana ireo tantara ireo ho mora azo vakiana. Ny fandraisanao anjara dia hanohana ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.
Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena mampiasa loha azy
Learn more about the November “Behind the Story” donation challenge campaign.






