
Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices.
Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Desire Nimubona avy ao Borondi amintsika ny fiheverany ny naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “Burundi’s troubled history of the untold 1972 Hutu genocide“.
Ao anatin'io tantara io, niresahako ireo niharam-boina noho ny famonoana tamin'ny fomba baribariàna nahafatesana olona an'aliny maro. Tsy nahasarika ny sain'ireo mpampita vaovao mahazatra io andiana famonoana io. Tao amin'ny faritra afrikàna amin'ny Farihy Lehibe (Great Lakes), mety tsy voatsikaritra ireo famonoana faobe, nefa nitombo hatrany ny fanitsakitsahana zon'olombelona. Izany no antony ilàn'ny GV fanohanana, mba hanomezana fitenenana ireo niharam-boina tao amin'ilay faritra sy tany an-kafa. Misy ny fanimbazimbàna zon'olombelona, etsy sy eroa, fanitsakitsahana ny zo nomerika, ny fanolànana, ny heloka an'ady, ny fitsipahana, ny fielezan'ny fampihorohoroana, ny fikororosianan'ny toekarena arny ny fampanambadiana an-tery, ny fitrandrahana ala amin'ny fomba tsy ara-dalàna, ny fandrobàna harena an-kibon'ny tany, ny fanimbàna ny natiora, sns… maro hafa izay ilàna ny fanairana ny sain'izao tontolo izao.
Global Voices dia sehatra iray izay manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamoninay hizaràna tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ireo olana sahanin'izy ireo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny ekipa mpamoaka lahatsoratra manohana izay manampy ny mpandray anjara tsirairay hamolavola ny tantarany.
Raha nahazo hevi-baovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ny tantaran'ny Global Voices avy amin'ireo mpandray anjara aminay, dia miangavy anao fanomezana mba hitazomana ireo tantara ireo ho mora azo. Ny fandraisanao anjara dia hanohana ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.
Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena mampiasa loha azy
Learn more about the November “Behind the Story” donation challenge campaign.






