Behind the story (Ao ambadiky ny tantara): Mampitovy ny krizy pôlitika ao Môzambika sy Angôlà i Tirso Sitoe

Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Tirso Sitoe avy ao Môzambika ny ny fiheverany ny naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “Post-election demonstrations in Mozambique inspire protests against socioeconomic crisis in Angola” [angl.] – Aingampanahy ho an'ny hetsipanoherana ara-tsôsialy sy ara-toekaena ao Angôlà ireo hetsipanoherana taorian'ny fifidianana tao Môzambika.

Tamin'ny Ôktôbra 2024, nisy hetsipanoherana taorian'ny fifidianana taty aminay taty Môzambika izay niafara tamina herisetra goavana taorian'ny fifidianana, tsy mbola nisy hatrizay tao anatin'i Môzambika mahaleotena. Nanao an-jorom-bàla ny tanora ireny hetsipanoherana ireny, nampifanandrina azy mivantana tamin'ireo pôlisy teny an-tanàndehibe. Na izany aza, noho ny antony fiarovana dia nisafidy aho ny haneho io fitantaràna io, niala avy ao amin'ny faritra mampahazoazo aina ahy, ka hanoratra momba an'i Angôla, firenena iray kikisan'ny krizy pôltika miverimberina tsy misy hafa amin'izao iainan'i Môzambika. Izaho mino fa fihetsika iray maha-olompirenena io: fampiasàna solomaso isankarazany handinihana ny fikatrohan'ireo tanora anaty toedraharaha misy krizy pôlitika.

Global Voices dia sehatra iray izay manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamoninay hizarana tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ireo olana sahanin'izy ireo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny ekipa mpamoaka lahatsoratra manohana izay manampy ny mpandray anjara tsirairay hamolavola ny tantarany.

Raha nahazo hevi-baovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ny tantaran'ny Global Voices avy amin'ireo mpandray anjara aminay, dia miangavy anao hanome fanomezana mba hitazomana ireo tantara ireo ho mora azo. Ny fandraisanao anjara dia hanohana ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.

Tohano ny Global Voices mba hijanonanay ho habaka iray hahafahan'ireo mpandray anjara mizara ireo tantara mampiasa loha an-dry zareo

Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanamby fanentanana ho fanangonana fanomezana mandritra ny  Novambra  ho an'ny “Behind the Story” .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.