
Sarin'ny Global Voices ao amin'ny Canva Pro
Eo am-panentanana haika famoriam-bola antsoin'ny Global Voices hoe “Ambadiky ny tantara” [mg] izahay no hampiseho mpandray anjara 30 ao anatin'ny 30 andro. Amin'ity andiany ity izahay nanontany ny mpandray anjara tsirairay izay tantara iray manokana nosoratany sy ny antony nifoforany hanoratany azy ireny. Ireny fandinihana avy amin'ireo mpandray anjara ireo ireny no mampahatsiahy antsika ny antony maha-zava-dehibe ny fiantohana ho lovainjafy ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices.
Ato i Tochi Precious Friday mizara ny eritreriny nahatonga azy nifofotra hamoaka ny tantara “Igbo Wikimedians: Digital safety challenges for activists preserving their language through open knowledge” [en].
One GV story I’m especially proud of is my piece on Igbo Wikimedians and their digital-safety struggles, because it highlights the real risks faced by activists striving to preserve a language under threat. Writing it mattered to me because it’s a celebration of grassroots resilience showing how people use open knowledge platforms (like Wikipedia and Wikidata) to defend and strengthen their cultural heritage.
Iray amin'ny tantara ao amin'ny GV tsy mampitsanga-menatra ahy ny lahatsoratro momba ny Wikimedianina Igbo sy ny tolona ataon-dry zareo amin'ny fiarovana nomerika, satria manasongadina ireo ambana atrehin'ireo mpikatroka miezaka miaro ny fiteny iray tandindonin-doza. Manandanja amiko ny fanoratana azy satria fankalazana ny fiaretan'ireo olon eny ifotony mampiseho ny fomba fampiasan'ny olona ireo seha-pahalalàna misokatra (toy ny Wikipedia sy Wikidata) hiarovana sy hanamafisana ny vakoka ara-kolontsainy.
Sehatra iray ny Global Voices manome toerana ho an'ny fianakaviambenay hizara tantara sy fomba fijery any amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any sy ireo olana iahiany amin'ny alàlan'ny fiaharana amin'ireo ekipampanoratana izay manolo-tanana ny mpandray anjara tsirairay handrafitra ny tantarany.
Raha mba nahazo fahalalàna vaovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ireo tantara avy amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ireo, dia hevero ihany azafady ny hanome mba hitazonana ireo tantara ireo ho akaiky azo vakìna. Ny fandraisanao anjara dia hanohanana ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.
Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena tandroviny
Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanentanana haikam-panomezana “Behind the Story” novambra.






