Ambadiky ny tantara: Ny anjaran'i Sanjib Chaudhary mitantara ireo sisa miangan'ny mpiteny Kusunda ao Nepal


Eo am-panentanana haika famoriam-bola antsoin'ny Global Voices hoe “Ambadiky ny tantara” izahay no hampiseho mpandray anjara 30 ao anatin'ny 30 andro. Amin'ity andiany ity izahay nanontany ny mpandray anjara tsirairay izay tantara iray manokana nosoratany sy ny antony nifoforany hanoratany azy ireny. Ireny fandinihana avy amin'ireo mpandray anjara ireo ireny no  mampahatsiahy antsika ny antony maha-zava-dehibe ny fiantohana ho lovainjafy ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices.

Ato i Sanjib Chaudhary avy ao Nepal mizara ny eritreriny nahatonga azy nifofotra hamoaka ny tantaraFiteny Tompotany Nepali Iray Manokatra ny Pejim-Panantenana Noho ny Fivoahan'ny Rakibolana Vaovao” fa tena manan-danja tokoa ho azy.

The story that I’m proud of writing was about an Indigenous Nepali language with only two fluent speakers. After I wrote the story, Subhashish Panigrahi who led GV in Odia, came over to film Gyani Maiya Sen, one of the fluent Kusunda speakers with the support of National Geographic. I then wrote about the conversation I had with Gyani Maiya Sen, one of the last speakers of a dying Nepali language. After the passing of Gyani Maiya, I wrote ‘Hope for dying Nepali language wanes as one of the last fluent speakers passes away at 85.’ The press from all over the world came asking me for Gyani Maiya’s picture, since I was the one who took her last photo.

Tantara tena tsy nampitsanga-menatra ahy mihitsy ny momba ny fiteny teratany Nepali iray izay roa sisa no malama vava amin'io fiteny io. Rehefa nanoratra ny tantara aho, dia tonga i Subhashish Panigrahi, notohanan'ny National Geographic, naka sary an'i Gyani Maiya Sen, iray amin'ireo mpiteny Kusunda mahay tsara. Avy eo aho nanoratra momba ny resaka farany nifanaovako tamin'i Gyani Maiya Sen, iray amin'ireo mpiteny farany ity fiteny Nepali andalam-pahafatesana ity. Rehefa lasa i Gyani Maiya, dia nanoratra aho hoe ‘Malazo ny fanantenan'ny fiteny an-dalam-pahafatesana iray fa nodimandry tamin'ny taha-85 taonany ny iray amin'ireo malama amin'ny fiteny azy.’ Tonga nangataka ny sarin'i Gyani Maiya tamiko ny mpanao gazety avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, satria izaho no naka sary azy farany.

Sehatra iray ny Global Voices manome toerana ho an'ny fianakaviambenay hizara tantara sy fomba fijery any amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any sy ireo olana iahiany amin'ny alàlan'ny fiaharana amin'ireo ekipampanoratana izay manolo-tanana ny mpandray anjara tsirairay handrafitra ny tantarany.

Raha mba nahazo fahalalàna vaovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ireo tantara avy amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ireo, dia hevero ihany azafady ny hanome mba hitazonana ireo tantara ireo ho akaiky azo vakìna. Ny fandraisanao anjara dia hanohanana ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.

Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena tandroviny

Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanentanana haikam-panomezana “Behind the Story” novambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.