
Eo am-panentanana haika famoriam-bola antsoin'ny Global Voices hoe “Ambadiky ny tantara” [mg] izahay no hampiseho mpandray anjara 30 ao anatin'ny 30 andro. Amin'ity andiany ity izahay nanontany ny mpandray anjara tsirairay izay tantara iray manokana nosoratany sy ny antony nifoforany hanoratany azy ireny. Ireny fandinihana avy amin'ireo mpandray anjara ireo ireny no mampahatsiahy antsika ny antony maha-zava-dehibe ny fiantohana ho lovainjafy ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices.
Ato i Mong Palatino avy any Philippines mizara ny eritreriny nahatonga azy nifofotra hamoaka ny tantara “ny 12 volana nampikorontana an'i Thailandy tamin’ny taona 2014” [mg].
Thailand’s army grabbed power in 2014 which undermined the country’s democratic transition. My year-end piece summarized how Global Voices covered the political turmoil and provided context to our global audience. We showed that citizen media posts can also serve as a useful guide in understanding political events and unfolding crisis situations.
Nandromba-pahefana ny tafika Thailandey tamin'ny taona 2014 ka nanimba ny tetezamita demôkratika tao amin'ny firenena. Ny lahatsoratro faran'ny taona no namintina ny fomba nitateran'ny Global Voices ny korontana ara-politika sy nanomezana ny tokotanin-tsehatra tantaraina ho an'ny mpamaky manerantany. Nasehonay fa afaka miasa ho mpitari-dalana mahasoa amin'ny fahatakarana ny zava-mitranga ara-politika sy ny toe-draharaha krizy tsy mbola nikatona ny lahatsoratra momba ny fampitam-baovaon'olon-tsotra.
Sehatra iray ny Global Voices manome toerana ho an'ny fianakaviambenay hizara tantara sy fomba fijery any amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any sy ireo olana iahiany amin'ny alàlan'ny fiaharana amin'ireo ekipampanoratana izay manolo-tanana ny mpandray anjara tsirairay handrafitra ny tantarany.
Raha mba nahazo fahalalàna vaovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ireo tantara avy amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ireo, dia hevero ihany azafady ny hanome mba hitazonana ireo tantara ireo ho akaiky azo vakìna. Ny fandraisanao anjara dia hanohanana ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.
Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena tandroviny
Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanentanana haikam-panomezana “Behind the Story” novambra.






