Ambadiky ny tantara: nisy dikany ny nitondra hafaliana tamin'ny fotoan-tsarotry ny valan'aretina, hoy i Kevin Rennie

Kevin Rennie testimonial

Eo am-panentanana haika famoriam-bola antsoin'ny Global Voices hoe “Ambadiky ny tantara” izahay no hampiseho mpandray anjara 30 ao anatin'ny 30 andro. Amin'ity andiany ity izahay nanontany ny mpandray anjara tsirairay izay tantara iray manokana nosoratany sy ny antony nifoforany hanoratany azy ireny. Ireny fandinihana avy amin'ireo mpandray anjara ireo ireny no  mampahatsiahy antsika ny antony maha-zava-dehibe ny fiantohana ho lovainjafy ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices.

Ato i Kevin Rennie avy any Aostralia mizara ny eritreriny nahatonga azy nifofotra hamoaka ny tantara “Spiderman manao sarontava sady mamalifaly ny ambanivohitr'i Melbourne anaty fihibohana” [mg].

I'm always looking for good news stories. This Spiderman story took place during COVID lockdown in an area of Melbourne where I grew up. It brought some joy to people’s lives.

Mikaroka tantara tsara hatrany aho. nitranga nandritra ny fihibohana COVID ity tantaran'i Spiderman tao amin'ny faritra iray tao Melbourne izay nahalehibe ahy ity. Nitondra hafaliana ho an'ny fiainan'ny olona io.

Sehatra iray ny Global Voices manome toerana ho an'ny fianakaviambenay hizara tantara sy fomba fijery any amin'ny vondrom-piarahamoniny avy any sy ireo olana iahiany amin'ny alàlan'ny fiaharana amin'ireo ekipampanoratana izay manolo-tanana ny mpandray anjara tsirairay handrafitra ny tantarany.

Raha mba nahazo fahalalàna vaovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ireo tantara avy amin'ireo mpandray anjara ato amin'ny Global Voices ireo, dia hevero ihany azafady ny hanome mba hitazonana ireo tantara ireo ho akaiky azo vakìna. Ny fandraisanao anjara dia hanohanana ny efi-panoratam-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.

Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena tandroviny

Fantaro bebe kokoa ny momba ny fanentanana haikam-panomezana “Behind the Story” novambra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.