Behind the story (Ao ambadiky ny tantara): Safa no mandrakitra ny fandàvana ny fahazazàn'ny Palestiniàna

Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Safà amintsika ny fiheverany ny naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “The denial of Palestinian childhood” [angl.] (Ny fandàvana ny fahazazàn'ireo Palestiniàna) “.

Tena nahaontsa ahy ny namaky ireo fikarohana vita nandritra ny taompolo maro natokana ho an'io lahatsoratra io, saingy ho ahy dia toa nilaina ilay izy mba ho fandraisana anjara amin'ny fanentanana bebe kokoa ny daholobe momba ny herisetra zakain'ireo ankizy palestiniàna. Ny fampilaharana ny fanimbàna ny maha-olona atao an'ireo ankizy mainty hoditra ao Etazonia sy ny an'ireo ankizy palestiniàna miaina ambany fibodoana ataon'ny Israeliàna, dia fampahatsiahivana mifangarika misy amin'ny fifandraisan'ny tolontsika manerana ny tany.

Global Voices dia sehatra iray izay manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamoninay hizaràna tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ireo olana sahanin'izy ireo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny ekipa mpamoaka lahatsoratra manohana izay manampy ny mpandray anjara tsirairay hamolavola ny tantarany.

Raha nahazo hevi-baovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ny tantaran'ny Global Voices avy amin'ireo mpandray anjara aminay, dia miangavy anao fanomezana mba hitazomana ireo tantara ireo ho mora azo. Ny fandraisanao anjara dia hanohana ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.