
Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices
Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Jean Sovon avy ao Togo amintsika ny ny fiheverany ny naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “Sahel schoolteachers face Jihadist threat” [angl.] – Miatrika fandrahonana tsy miato avy amin'ireo djihadista ny mpampianana any an-tsekoly .
Tao anatin'ny firongatry ny herisetra sy ireo fanafihana nataon'ireo vondrona mitam-piadiana tsy miankina amin'ny fanjakàna tany Borkina Fasô, Mali, ary Nizera, firenena telo ao amin'ny faritra afovoan'i Sahel, no nosoratako io lahatsoratra io. Tamin'izany fotoana izany, navela hiady irery ireo mpianatra sy ny mpampianatra. Nakatona am-bolana maro ny sekoly, nanohintohina ny taom-pianarana. Ny tena nanaitra ahy indrindra teo am-panoratana ity lahatsoratra ity dia ny fahasahiana nananan'ny sasany tamin'ireo mpampianana izay nanohy nampianatra. Na teo aza ireo fandrahonana nananontanona azy, nasehon-dry zareo ny fahavononany hanatontosa ny iraka napetraka tamin-dry zareo tao anatin'ireo loza sy ambana nateraky ny tsy fandriampahalemana.
Global Voices dia sehatra iray izay manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamoninay hizaràna tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina misy azy sy ireo olana sahanin'izy ireo amin'ny alalan'ny fiarahan'ny ekipa mpamoaka lahatsoratra manohana izay manampy ny mpandray anjara tsirairay hamolavola ny tantarany.
Raha nahazo hevi-baovao momba ny faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao ianao tamin'ny famakiana ny tantaran'ny Global Voices avy amin'ireo mpandray anjara aminay, dia miangavy anao hanome fanomezana mba hitazomana ireo tantara ireo ho mora azo. Ny fandraisanao anjara dia hanohana ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices hatramin'ny faran'ny taona.






