Nandany lalàna vaovao henjana mifehy ny fampitam-baovao i Kyrgyzstan

Lehilahy iray mitazona sora-baventy milaza hoe “Ho an'ny fahalalahana maneho hevitra” tamin'ny fihetsiketsehana tao Bishkek, renivohitr'i Kyrgyzstan. Sary avy amin'ny Kloop. Natao ampiasaina ara-drariny.

Nosoratan'i Olga Loginova ho an'ny Vlast.kz ity lahatsoratra ity ary navoaka tamin'ny 7 Aogositra 2025. Navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-dahatsoratra nasiam-panitsiana noho ny fifanarahana fiaraha-miasan'ny fampitam-baovao.

Araka ny tatitry ny Reuters, nanasonia lalàna mifehy ny fampitam-baovao ny Filohan'i Kyrgyzstan Sadyr Japarov ny 7 Aogositra, izay manitatra ny fifehezan'ny fanjakana ireo famoaham-baovao tsy miankina.

Ity lalàna vaovao ity dia mitaky ny fampahalalam-baovao rehetra, anisan'izany ny sehatra an-tserasera, hisoratra anarana amin'ny sampan-draharaham-panjakana. Ankoatra izany, noferan'ny lalàna ho 35 isanjato ny fandraisan'anjaran'ny vahiny.

Araka ny filazan'ny Kloop, fampahalalam-baovao tsy miankina ao amin'ny firenena, nampidirina tamin'ny minitra farany tao anatin'ny lalàna ny fepetra amin'ny tsy maintsy hisoratana anarana. Tao anaty fanambarana no nanoratan'ny Kloop izany.

Before this, the parliament was debating over a ‘compromise’ version of the law, developed for several years together with the media community and lawyers. In the earlier version, media registration was voluntary.

Talohan'izany, niady hevitra momba ny  lalàna nisian'ny ‘marimaritra iraisana’ ny parlemanta, novolavolaina nandritra ny taona maromaro niaraka tamin'ny vondrom-piarahamonina media sy ny mpisolovava. An-tsitrapo ny fisoratana anaran'ny fampitam-baovao raha ny voalaza tamin'izany.

Horafetan'ny filankevitry ny minisitra amin'ny lalàna mitokana ankehitriny ny fomba fisoratana anarana, ny famerenana misoratra anarana ary ny fandavana hanoratana anarana ny fampitam-baovao.

“Izany hoe, ny governemanta no hanapa-kevitra hoe iza amin'ireo fampitam-baovao no afaka hiasa ary iza no tsy afaka hiasa,” hoy ny fanazavan'ny Kloop.

Efa hatramin’ny taona 2022 no efa nodinihina ny volavolan-dalàna momba ny fampitam-baovao ary efa nokihanin'ny mpanao gazety, ny fiarahamonim-pirenena ary ny fikambanana mpiaro ny zon’olombelona hatrany am-boalohany.

Hatramin'ny nahatongavan'i Japarov teo amin'ny fitondrana tamin'ny faramparan'ny taona 2020, nitombo be ny tsindry natao tamin'ny fampitam-baovao tsy miankina ao Kyrgyzstan.

Tamin'ny Janoary 2024, nanao fisavana tao amin'ny biraon'ny famoaham-baovao an-tserasera fanta-daza 24.kg ny Komitin'ny Fiarovam-pirenena (GKNB), ary notanana am-ponja ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra sy ny tale jeneraly ary nohadihadiana noho ny fiampangana azy ireo ho nanao “fampielezan-kevitra momba ny ady” mifandraika amin'ny fitantaran'izy ireo ny ady nataon'i Rosia tamin'i Okraina.

Roa volana taorian’ny fisavana sy famotorana dia niova mpitantana ny fampahalalam-baovao ary mpanorina sy tale vaovao no nisoratra taminy,  namita ny famindrana.

Ankoatra ny 24.kg, nosavain'ny polisy koa ny biraon'ny famoaham-baovao Temirov Live, izay an'ilay bilaogera sady mpanao gazety mpanao fanadihadiana Bolot Temirov. Mpanao gazety iraika ambin'ny folo niasa tamin'ny famoaham-baovao, ny vadin'i Temirov, ary Makhabat Tajibek kyzy no notanana.

Tamin'ny Oktobra 2024, efatra tamin'ny 11 no hita fa meloka noho ny “fandrisihana korontana faobe”. Roa no nahazo sazy an-tranomaizina, anisan'izany i Tajibek Kyzy, izay voaheloka higadra enin-taona. Ny mpanao gazety roa hafa kosa nahazo sazy mihantona telo taona.

Ity misy lahatsary YouTube momba ny raharaham-pitsarana nahavoarohirohy an'ilay mpanao gazety Temirov Live.

Tamin'ny volana Mey tamin'ity taona ity, nisy ny fisavana sy fitazonana ireo mpiasa teo aloha sy ankehitriny tao amin'ny famoaham-baovao Kloop. Tamin'ny 5 Aogositra, nanomboka ny fitsarana tany Bishkek nanenjehana an'ireo mpaka sarin'ny Kloop teo aloha Alexander Alexandrov sy Zhoomart Duulatov, ary koa ireo mpitam-bola roa ao amin'ny biraon'ny tonian-dahatsoratra. Voampanga ho “nandrisika korontana faobe” izy ireo.

Vao haingana ihany koa no nankatoavin'i Japarov ny sazy amin'ny fanaparitahana “fampahalalam-baovao tsy marina”, ka hampandoavina lamandy KGS 65,000 (740 dolara amerikana) ny fampahalalam-baovao ary 20,000 KGS (229 dolara amerikana) ‘ny olon-tsotra. Nampitandrina ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa manitsakitsaka ny fenitra iraisampirenena momba ny fahalalahana miteny ireo fepetra ireo.

Vokatr'izany sy ny fivoarana hafa izay nampitombo ny tsindry tamin'ny fampitam-baovao mahaleo tena, dia nihemotra ho 144  ny laharan'i Kyrgyzstan ny taona 2025 raha faha 82 izy tamin'ny taona 2020, fihemorana miavaka tao anatin'ny fotoana fohy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.