Behind the story (Ao ambadiky ny tantara): taorian'ny nanoratany momba ny fiteny Kusunda ao Nepal, nahazo aingam-panahy hamorona ny fanafihadiany manokana i Subhashish Panigrahi

Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Subhashish Panigrahi avy India ao amintsika ny fiheverany ny naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “Fakàna sary an'i Gyani Maiya Sen, ilay nampifoha ireo ezaka ho famelomana indray ny fiteny Kusunda efa saiky maty tao Nepal”.

Reharehako ny nahafahako niaraka nanoratra tantara iray momba ny fiteny Kusunda ao Nepal, niaraka tamin'i Sanjib Chaudhary, satria tena nahakasika ahy manokana ilay izy. Ny lahatsoratra GV nosoratan'i Sanjib momba ny rakibolana vaovao iray manoloana ny fanjavonana mananontanona ny Kusunda no nanosika ahy hamokatra fanadihadiana iray niaraka tamin'ny fanohanan'ny National Geographic, ary natrehanay niaraka ny fiarenan'ilay fiteny indray noho ireo ezaka nataon'i Kamala Sen, mpiteny zanatany ny Kusunda, sy Uday Aaley, mpikaroka iray sady mpiara-miasa aminay tamin'ilay fanadihadiana.

Global Voices dia sehatra iray manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamonintsika mba hizara tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina sy ny olana mampiasa loha an-dry zareo, amin'ny alàlan'ny fiarahana amina ekipa mpamoaka lahatsoratra izay manohana ireo mpandray anjara tsirairay mba hamolavola ny tantaran-dry zareo.

Raha toa ny lahatsoratra nosoratan'ireo mpandray anjara ato aminay ka nahafahanareo nahatakatra ireo faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao tamin'ny alàlan'ny famakiana ireo tantara ato amin'ny Global Voices, azafady, hevero ny hanao fanomezana ho entina manohy ny fahazoana mora ireny tantara ireny. Ny fandraisana anjara avy aminao dia hanohana ny Efitrano Famoahambaovaon'ny Global Vocies hatramin'ny faran'ny taona.

Tohano ny Global Voices mba ahafahanay mitoetra ho sehatry ny mpandray anjara hizara ireo tantara tena

zavadehibe aminy

Learn more about the November “Behind the Story” donation challenge campaign.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.