Ao Ambadiky ny Tantara: Fitantaràn'i Kanav Sahgal momba ilay didin'ny Fitsaràna Antampony mahakasika ny fifanambadian'ireo mitovy fananahana

Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Kanav Sahgal ireo antony naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “Fanapahankevitra manan-tantara: Nolavin'ny fitsarana Antampony ny fanambadian'ny mitovy fananahana ao India“.

Tamin'ny 2023, nanaovako tatitra ny momba ny didin'ny Fitsaràna Antampony ao India izay nandà ny hanaiky ho ara-dalàna ny fifanambadian'ireo mitovy taovam-pananahana. Amin'ny maha-pelaka, nandona mafy io fanapahankevitra io ary tena tsapa tany anaty lalina tany.

Tena mirehareha amin'izany aho satria io dia mirakitra ny firodanana araka ny lalàna manjo ny fitoviana, ny fahamendrehana ary ny fahalalahan'ireo Indiàna pelaka, ary ny hirika mbola mba misy hahafahana mankamin'ny fanovàna. Amin'ny fomba fampiasàna ny Global Voices ho fanaovana adisisika hiarovana ny zo, dia ohatra iray goavana  io.

Global Voices dia sehatra iray manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamonintsika mba hizara tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina sy ny olana mampiasa loha an-dry zareo, amin'ny alàlan'ny fiarahana amina ekipa mpamoaka lahatsoratra izay manohana ireo mpandray anjara tsirairay mba hamolavola ny tantaran-dry zareo.

Raha toa ny lahatsoratra nosoratan'ireo mpandray anjara ato aminay ka nahafahanareo nahatakatra ireo faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao tamin'ny alàlan'ny famakiana ireo tantara ato amin'ny Global Voices, azafady, saino ny hanao fanomezana ho entina manohy ny fahazoana mora ireny tantara ireny. Ny fandraisana anjara avy aminao dia hanohana ny Efitrano Famoahambaovaon'ny Global Vocies hatramin'ny faran'ny taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.