Behind the story (Ao ambadiky ny tantara): Fitantaràn'i Pamela Ephraim momba ilay mpisolovava mpahay zon'olombelona miaro ireo teratany nizeriàna

Tafiditra anatin'ny fanamby “Behind the Story” – Ao Ambadiky ny Tantara – fanentanana famoriambola ataonay, dia GVers mpandray anjara 30 no hasongadinay mandritra ny 30 andro. Ao anatin'ity andiany ity, momba ny tantara iray manokana nosoratan-dry zareo sy ny antony naha-zavadehibe ho azy ireo ny fiasàna tamin'izany, dia anontanianay tsirairay ireo mpandray anjara. Ireny fijoroana vavolombeloana avy amin'ireny mpandray anjara ireny dia mampahatsiahy antsika ny antony maha-zavadehibe ny fiantohana ny haha-lovainjafy ny Trano Famoahambaovaon'ny Global Voices.

Ao anatin'ity lahatsoratra ity, zarain'i Pamela Ephraim ireo antony naha-zavadehibe manokana ho azy ny niasàny tamin'ilay tantara “This Nigerian human rights lawyer wins second order of restraint against government” [angl.] – Nanoloana ny governemanta  (nandresy) nahazo didy fanindroany tsy maintsy tanterahana ity mpisolovava mpiaro zon'olombelona ity -

“Ny tantara dia nahakasika olana iray saropady, saingy tsy dia misy mpiresaka, izay nanasongadina ny anjara asan'ny rafi-pitsaràna amin'ny fiarovana ny olompirenena manoloana ny fanararaotam-pahefana ataon'ny Fanjakàna. Nino aho fa ny firesahana io raharaha io anaty fampahalalambaovao dia hahafahana miantoka hoe tsy hijanona ho zava-miafina ny fanao ratsin'ireo manampahefana ao anaty governemanta. Ny fiantraikany dia nandrisika ahy hanohy hanao tatitra momba ireo tsy rariny.”

Global Voices dia sehatra iray manome toerana ho an'ny vondrom-piarahamonintsika mba hizara tantara sy fomba fijery momba ny vondrom-piarahamonina sy ny olana mampiasa loha an-dry zareo, amin'ny alàlan'ny fiarahana amina ekipa mpamoaka lahatsoratra izay manohana ireo mpandray anjara tsirairay mba hamolavola ny tantaran-dry zareo.

Raha toa ny lahatsoratra nosoratan'ireo mpandray anjara ato aminay ka nahafahanareo nahatakatra ireo faritra samihafa eto amin'izao tontolo izao tamin'ny alàlan'ny famakiana ireo tantara ato amin'ny Global Voices, azafady, saino ny hanao fanomezana ho entina manohy ny fahazoana mora ireny tantara ireny. Ny fandraisana anjara avy aminao dia hanohana ny Efitrano Famoahambaovaon'ny Global Vocies hatramin'ny faran'ny taona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.