Tohano ny fanentanana ‘Behind the Story’, famoriambola ataon'ny Global Voices

Sary nataon'i Eddie Avila ho an'ny Global Voices tao amin'ny Canva Pro.

Sitraky ny Global Voices ny haneho fisaorana an'ireo rehetra efa nanome ho an'ny fanentanana famoriambola an-tambajotra ataonay amin'izao fotoana izao.

Manomboka ny 3 Novambra 2025,  mahafaly anay ny hanomboka  fanentanana vaovao iray antsoina hoe Behind the Story Challenge. Noho ireo fanohanana tsy nitonona anarana voaray vao tsy ela akory izay, mitontaly 18.000 dôlara amerikàna, ho fanampin'ireo fanampiana avy amin'olontsotra efa voaray, dia manana hirika isika hanamafisana avo roa heny ireny fandraisana anjara ireny mba hahafahana manohana ny asa fanoratana ataon'ny trano famoahambaovaon'ny Global Voices, mandra-pahatapitr'ity taona ity. Na tsy voafehina fepetra fanampiny aza ireny famatsiambola ireny, dia afaka ampiasaina kosa izy ireny ho teboka fanombohana mba hampitomboana misimisy an'ireny vola ireny.

Nandritra ny 20 taona mahery, an'arivony maro ireo mpandray anjara an-tsitrapo manoratra tantara tato amin'ny Global Voices maneho ny momba ny fisoloantena ny firenen-dry zareo na ireo olana mampiasa loha azy teny anatin'ireo média mahazatra. Tamin'ny fanasongadinana ireo fomba fijery hafa azo raisina, na amin'ny fanomezana fitenenana ireo olona tsy dia misy mpijery, ireny lahatsoratra ireny dia mandray anjara amin'ny fahatakàrana tsaratsara kokoa ireo faritra isankarazany eto amin'izao tontolo izao.

Ho asongadin'io fanentanana io ny fomba fijerin'ireo 30 mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, tamin'ny fangatahana an-dry zareo hamaly ity fanontaniana ity:

Inona no tantara iray tato amin'ny GV tena nampirehareha anao manokana ny nanoratana azy, ary nahoana no tena nanan-danja manokana ho anao ny niketrika izay tantara izay?

Ny famohanana ny lahatsoratr'izy ireo anaty sehatra iray toy ny Global Voices dia manampy ireo mpandray anjara ato aminay hizara ny fahalalàny avy eo an-toerana momba ireny fitantaràna ireny ho an'ny olona manerana ny tany. Eo ambany fitarihan'ireo ekipa mpamoaka lahatsoratra isam-paritra izay miahy sy manohana ireo mpandray anjara amin'ny fandrafetana ny tantaran-dry zareo, tena mbola zavadehibe io fanohanana ny ekipa mpamoaka lahatsoratra io ho an'ity karazana vondrom-piarahamonina manao asa fanaovana gazety ifandrimbonana ity.

Ireo vola voaangona amin'ny alàlan'io Fanamby famoriambola io dia hanampy anay hitazona  mandra-pahatapitry ny taona ny rafitra fanohanana ny Efitrano Famoahambaovao.

Jereo ao amin'ny kaonty media sôsialy Instagram, Bluesky, Facebook, ary LinkedIn an'ny Global Voices ny fomba fijerin'ireo mpandray anjara ireo, ary ampio izahay hizara ity fanentanana ity any amin'ny kaontinao manokana ety amin'ny tambajotra sôsialy.

Manomeza kely ato, azafady:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.