Fanabeazana ankihy ao Chiapas: Fanoitran'ny hoavy tsara kokoa ho an'ny zazavavy

Three Indigenous South American girls. Image by Ileanaruavi from Pixabay. Free for use under the Pixabay Content License.

Sary avy amin'i Ileanaruavi ao amin'n Pixabay. Azo ampiasaina malalaka araka Lisansam-botoaty Pixabay.

Avy amin'i Frida Ibarra

Any an-tendrombohitra avon'i Chiapas, Meksika, izay anaronan'ny zavona ny tendrombohitra maitso, mbola monina an-tanàna kely izay nitaizany ny fianakaviany ny renibeko. Tsy nianatra namaky teny sy nanoratra mihitsy izy.

Tapa-kevitra ny hanohy ny fianarany ny reniko, nandao ny tanàna fony zatovo ka hianatra any an-tanàna akaiky, vitsy ny ankizivavy tamin'izany fotoana izany no sahy nandalo izany sedra izany tao amin'ny fokonolona misy azy.

Izaho indray nahazo tombontsoa tsy mba azon'ny reniko sy ny renibeko mihitsy: nianatra maharitra an-tsekoly, akaiky boky, sy aterineto taty aoriana. Namolavola manontolo ny zavatra rehetra nataoko io vikina avy amin'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra mankany amin'ny fidirana nomerika io. Io no tondrozotra mitarika ahy hahazoana antoka fa afa-mampiasa teknolojia ny zazavavy kely any Chiapas, tsy ho fianarana fotsiny fa ho amin'ny fitarihana koa.

Avo dia avo ny fanamby. Iray amin'ireo fanjakana mahantra indrindra any Meksika i Chiapas. Araka ny Filankevi-Pirenena ho Fanombanana ny Politikam-Pampandrosoana Sosialy (CONEVAL) any Meksika, ny 74,2 isanjaton'ny mponina no miaina ao anaty fahantrana, ary 46,5 isanjato no ao anatin'ny fahantrana tanteraka. Ary 31 isanjato monja ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny sehatry ny asa ara-dalàna, ambany lavitra noho ny salanisa nasionaly izay 45 isanjato, ary any amin'ny fambolena na fivarotana madinika ny ankamaroan'ny vehivavy no miasaasa, mahazo vola eo ho eo amin'ny MXN 5.200 isambolana (eo amin'ny 260 USD eo ho eo) tsy misy tombontsoa na antoka amin'ny asa.

Mbola sakana lehibe ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra. Manodidina ny 16–17 isanjato ny taha manerana ny fanjakana, fa miakatra eo anelanelan'ny 25–30 isanjato kosa izany eo amin'ny vehivavy teratany. Manodidina ny 28 isanjaton'ny mponina ao Chiapas no miteny teratany toy ny Tzotzil, Tzeltal, ary Chol, nefa ny ankamaroan'ny fitaovam-pampianarana sy nomerika dia amin'ny teny Espaniola, ka mampisy hantsana lehibe amin'ny fiteny ary matetika manasaraka ny mpianatra amin'ny fakany ara-kolontsaina.

Anisan'ny ambany indrindra any Meksika ny fidirana an'aterineton'ny any ambanivohitr'i Chiapas: eo amin'ny 35 isanjaton'ny tokantrano ambanivohitra ihany no afa-miditra amin'izany, raha oharina amin'ny 75 isanjato any an-tanàndehibe. Maro amin'ireo foibem-piarahamonina no miantehitra amin'ny solosaina birao lany andro sy herinaratra tapatapaka, indraindray zakain'ny takela-masoandro ihany. Any amin'ny tanàna sasany, solosaina iray no ifandimbiasan'ny mpianatra 20 na mihoatra.

Manampy sosona fameperana iray hafa ny herisetra. Tamin'ny taona 2024, nandrakitra herisetra nitera-pahafatesana vehivavy miisa 197 tao Chiapas ny Feminist Observatory, ary 63 tamin'izy ireo no voamarina fa famonoana vehivavy. Ireo ambana ireo no mahatonga ny zazavavy sahirana kokoa mianatra any an-tsekoly na mandray anjara amin'ny fandaharan'asa aorian'ny fianarana.

Miasa ao anatin'ireo fameperana ireo ny hetsika sasany. Mampitao mpampianatra any ambanivohitra amin'ny alalan'ny drafitry ny lesona avo lenta azo ampiasaina amin'ny finday ny Low-Tech Program, tohanan'ny UNICEF. Mampiditra ny ankizivavy 12-17 taona hianatra kaody, rôbôtika, ary fahaiza-manao STEM hafa ny fandaharan'asa iray antsoina hoe Tecnolochicas, izay ahafahan'ireo mpandray anjara manatsara hatramin'ny 60 isanjato ny fahaizany ara-nomerika, ary itondrany fahatokisan-tena bebe kokoa sy faniriana ambony kokoa hiditra amin'ny asa mifandraika amin'ny teknolojia. Manomboka amin'ny famolavolana tranonkala ka hatramin'ny IA, arahim-pijery miralenta ny tetikasan-dry zareo.

Nampiseho vokatra ihany koa ny fampiatìna kolontsaina teratany amin'ny fanabeazana ankihy. Tsy vitan'ny hoe manatsara ny fitadidiana ny fiaraha-mandrafitra votoaty STEM amin'ny fiteny eo an-toerana, fa tsy mampitsanga-menatra ara-kolontsaina ihany koa, singa iray tena ilaina hahatamàna ny zazavavy any an-tsekoly. Ohatra iray amin'izany ny hetsika vao haingana nataon'i Meksika handika boky fianarana vaovao miisa 180 ho amin'ny fiteny teratany miisa 20, tarihin'ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fanabeazam-bahoaka, izay mikendry ny hampiroborobo ny fampiatìna ara-panabeazana sy ny rehareha ara-kolontsaina.

Efa lonaka tao Chiapas ny onja fahefatry ny feminisma ao Meksika, izay voamariky ny fitarihan'ny tanora sy ny fikatrohana ankihy. Manangana tranonkala ho an'ny vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy, mamelona fanentanana amin'ny media sosialy hanoherana ny herisetra an-tokantrano ireo zazavavy voaofana amin'ny fanoratana kaody ary mamakafaka ny angon-drakitra momba ny famonoana vehivavy mba hanohanana ny fiarovana ifotony.

Fanoherana mangina nefa mifahatra manoloana ny tsy fitoviana ara-drafitra ny fiaraha-miasan'ireo fikambanana eo an-toerana sy ireo tanora voaofana amin'ny teknolojia, ilay mikiry fa afa-miaraka ny fikajiana ny kolontsaina sy ny fandrosoana .

Milaza ny fanadihadiana avy amin'ny Banky Iraisampirenena fa mety hampihena ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ao Chiapas hatramin'ny 10 isanjato ao anatin'ny folo taona ny fampiasam-bola maharitra amin'ny fanabeazana ankihy any ambanivohitra. Raha bebe kokoa ny foiben-teknolojia eo an-toerana, dia afaka mitarika ny fampandrosoana ara-toekarena amin'ny alàlan'ny orinasa, fiaraha-miasa, ary tetikasa ara-kolontsaina, tsy miala amin'ny toerana iantsoany hoe tanindrazany ny vehivavy tanora.

Saingy raha tsy misy famatsiam-bola maharitra sy fanohanana ara-politika, mbola hametra ny fahafahana ny fahantrana sy ny herisetra amin'ny lahy sy ny vavy. Hihalalina ny hantsana nomerika, ary mbola hisy taranaka vehivavy iray hafa any ivelan'ny toekarena ankihy.

Miankina amin'ny famoronana sehatra ahafahan'ny vehivavy manatanteraka ny nofinofiny, mizara ny fahalalàny, ary mamolavola ny hoavin'i Meksika ny hoavin'ireto zazavavy ireto. Manomboka amin'ny famantarana sy fahatakarana ireo olan'ny vehivavy manokana izany, arahin'ny valiny manolotra fangorahana sy fizakàna. Amin'ny alalan'ireo hetsika ireo ihany no ahafahantsika mamoaka marina ny angôvon'izy ireo sy manangana fiarahamonina manaja ny rariny sy miroborobo kokoa.

Miverina any amin'ny renibeko, voafetran'ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ny tontolony, sy any amin'ny reniko, nandao ny tranony mba hanohy fianarana ny eritreritro. Ankehitriny aho mahita zazavavy any Chiapas miakatra dingana tsy tratran'ny fianakaviako mihitsy. Malemy io dingana io, nefa manangana azy tsikelikely izahay.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.