Ny tantaran'i Moon: mpampianatra iray sahy nisaina tamin'ny fomba hafa tao Myanmar

Moon

Saripika avy amin'i Exile Hub, mpiaramiasa mpanome votoaty ho an'ny Global Voices. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Exile Hub dia iray amin'ireo mpiaramiasa amin'ny Global Voices ao Azia atsimo-atsinanana, nipoitra ho setrin'ny fanonganam-panjakana tao Myanmar tamin'ny 2021, mifantoka amin'ny fampatanjahana ireo mpanao gazety sy mpiaro zon'olombelona. Ity dika nasiana fanovàna ity dia naverina ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Tao amin'ny distrikan'i Kawkarate, fanjakan'i Karen ny zotra nodiavin'i Moon amin'ny maha-mpampianatra azy dia ny taona 2014 no nanomboka. Hatrany amin'ny andro voalohany, nisongadina izy. Tsy nionona fotsiny tamin'ny fanarahana fitsipika na namerina izay efa natao hatrizay. Vetivety dia nampisongadina azy ny fahavitribitrihany, ny fahaiza-mamorona, ary ny fahasahiany. Tamin'ny 2018, vao taona efatra fotsiny taorian'ny nidirany tamin'ny asany, lasa tale mpisolo toerana tao amin'ny kôlejy iray tao an-tanàna nahaterahany i Moon.

Ny fanabeazana ho toy ny fanafahana, fa tsy ho fifehezana

Hatrany am-piandohana, nolavin'i Moon ny hitondràna ny fanabeazana ho toy ny fanofanana ho amin'ny fankatoavana. Rehefa niverina tao Myanmar dia velona ny lakilasiny,  naraham-panontaniana, adihevitra ary fihomehezana fatratra, izay mazàna nahatonga azy hifanehatra tamin'ireo tomponandraikitry ny fampianarana. Nampahatsiahivin-dry zareo azy fa ny mpianatra dia tokony “hianatra hankatoa”. Fa ho an'i Moon, resaka fahalianana ny fanabeazana, fa tsy fileferana hanara-dalàna.

“Tsy maintsy ekena ny teny tsirairay, tsy maintsy arahana ny baiko tsirairay,” hoy ny tsiarony momba ilay rafitra. “Na ny finoana aza dia ampianarina amin'ny fomba tsy ara-drariny, misy dika iray amin'ny Bodisma terena ho arahana, nefa i Myanmar dia ahitàna finoana maro.”

Ho an'i Moon, ny tena anjara asan'ny fanabeazana dia ny manapariaka fomba fisaina mahay mitsikera. “ Ireo mpampianatra mihitsy aloha no voalohany mila miova, fa tsy ny mpianatra. Mbola amin'ny endrika fitondràna miaramila hatrany no ampianaran'ireo mpampianatra ao Myanmar,” hoy izy manazava.  Any amin'izay nahitàn'ny sasany fifehezana, Moon kosa nahita fanafahana. “Mba hahafahan'ny fanabeazana hikolokolo ny soatoavina sy ny fahaizana mametraka fanontaniana dia tsy maintsy ihoarana lavitra ny boky fianarana.”

Voatery nandeha an-tsesitany

Araka izany, tamin'ny fanonganam-panjakana iray tamin'ny 2021, rehefa naka ny fahefana ny tafika tao Myanmar, tsy nahagaga raha niparitaka teny an-dalambe ny fankahàrana nataon'i Moon. Nofatorany rovidamba mena ny fanamiany, nitarika hetsipanoherana izy ary vetivety dia lasa mpitarika hita maso ho an'ilay Civil Disobedience Movement (CDM) – Hetsika tsy fankatoavan'ny sivily- tao amin'ny tanàna kely nonenany. Saingy nitarika ambana henjana ilay fahasahiany. Naparitaky ny tafika ny sariny, nihazàna azy. Na tao anivon'ny fianakaviany aza, nisy ny fivakisana. Ho fiarovana azy, naharary tamin'ny rainy ny nandray fanapahankevitra nampandositra lavitra azy.

Nandositra i Moon nankany Lay Kay Kaw, tanàna iray any atsimo-atsinanan'i Myanmar, namela irery ireo mpianany, ny tranony ary ny fiainana naoriny. Na izany aza, mbola teo koa ireo fahasahirànana nentin'ny fiainana an-tsesitany. Tany amin'ireo sekoly ho an'ny mpifindramonina tany ambadiky ny sisintany, niaretany ny fanararaotana, ny fandraisana karama kely isambolana miohatra amin'ny azo ao anatin'ny herinandro iray ho an'ireo mpiasa marobe. Na teo aza izany, tsaroany fa tsara vintana izy mahita sakafo, trano hialofana, ary ambonin'ny zavatra rehetra, ny vintana mbola afaka manohy mampianatra.

Feo vaovao, Fijery vaovao

“Ninoako hatrany fa tsy misy farany ny fianarana, ka dia manohy miasa manentsina ny banga ato anatiko aho,” hoy i Moon. Izany finoana izany no nitarika azy hanjohy ny fandaharanasa Thai  ‘Exile Hub’ tao  Mae Sot. Avy any, niditra tamina endrika vaovaon'ny fanehoankevitra izy — fiofanana manao podcast, fitantaràna tantara, ary hatramin'ny fitantaràna fanadihadiana. Namokatra fizaràna iray tao amin'ny Resilient Voices izy, nampiàko ny tantaran'ny tanora iray LGBTQ+ miaina an-tsesitany. Taoriana kely, niaraka namorona ny ampahana fanadihadiana iray “Freedom of Religion and Belief”  (Fahalalahana ara-pivavahana sy ara-pinoana) niaraka tamin'ireo hafa matianina amin'ny medià nafindra toerana.

“Amin'ny maha-mpampianatra ahy, nanambara tantara tamin'ireo mpianatro hatrany aho,” hoy i Moon. “Ankehitriny azoko atao ny mampiasa ny fitantaràna tantara mba hanakàrana ireo vondrompiarahamonina, indrindra fa ireo izay miatrika fanamby toy ny ahy.”

Raha ampitahaina amin'ny fotoana naha-voatery azy handao ny zavatra rehetra, i Moon dia mamaritra ny tenany ho matanjaka kokoa, mitodika kokoa amin'ny zavamisy, ary mibanjina kokoa ny hoavy. Nandritra ireo andro sarotra nodiaviny, tsaroany fa  “Ny androany ihany no sarotra. Mety ho hafa ny rahampitso.” Nianarany ny nandray ny fisalasalàna ho toy ny hany tsy miova ary nitahiry ny fihomehezana ho toy ny fitaovana hivelomana.

Moon

Saripika avy amin'ny Exile Hub, mpiaramiasa mpanome votoaty ho an'ny Global Voices. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Nofy iray mandoaka rindrin'ny efitrano fianarana

Sady tsotra no lalina ny nofinofin'i Moon. In-dray andro, nofiny ny hanokatra toerana iray sady fisotroana kafe no famakiana boky, toerana izay azon'ny olona amokisana vatana sy fanahy. Miaraka amina tsiky malefaka, hoy izy, “Amin'izao fotoana izao rehefa miantso ny reniko aho, ampahatsiahiviko azy mandrakariva ny tsy tokony hivarotany ilay sombintany kely mba fanananay. In-dray andro any, hiverina aho ary hanorina izay trano fisotroana kafe no sady famakiana boky izay.”

Hatreto aloha, tohizan'i Moon ny mampianatra amin'ilay fomba izay tsy navelan'ny rafitra sekoly taloha nisy azy ho ataony velively. Amin'ny alàlan'ny feony, ny fiharetany, ary ny fandàvany “hampianatra toy ny miaramila,” izy no ohatra iray hita maso amin'ny karazana lesona iray hafa: ny fahasahiana hisaina amina fomba hafa sy ny fanantenana fa na any an-tsesitany aza, mbola afaka ny ho aingampanahy manentana fiovàna ny mpampianatra iray.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.