
Ny filohan'i Ozbekistàna, i Shavkat Mirziyoyev (eo afovoany), miaraka amin'ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitra, tao amin'ny kianja Bunyodkor ao Tashkent, Ozbekistàna. Sary avy amin'ny tranonkalan'ny biraon'ny filoham-pirenena. Fampiasana ara-drariny.
Ny 5 Jona, tamin'ny fahazoany ny tapakila hiady izay ho Tompondaka Erantany 2026, nanoratra ny tantara ny ekipam-pirenena lehilahy mpilalao baolina kitra ao Ozbekistàna taorian'ny ady sahala azony nanoloana ny Emirà Arabo Mitambatra (UAE). Io no fotoana voalohany handraisan'ilay firenena anjara amin’io fifaninanana io hatramin’ny nahazoany fahaleovantena avy amin'ny Firaisana Sovietika tamin'ny taona 1991. Tsy isalasalana fa zavabita goavana izany satria i Ozbekistàna no fanjakana Aziatika voalohany ary fahatelo amin'ireo fanjakana Sovietika fahiny handray anjara amin’ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany.
Talohan'izay, ny White Wolves (Amboadia Fotsy), anarana ahafantarana ilay ekipam-pirenena, dia efa in-telo no teo am-pototry ny fahatratrarana ny dingana farany amin'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany: tamin'ny 2006, 2014, ary 2018. Nifarana tamin'ny fahadisoam-panantenana sy resabe ireo andrana telo ireo, niady nandra-paheno ny kiririoka farany i Ozbekistàna , saingy tsy nahomby tamin'ny lalao nifanandrinany tamin'i Bahrain sy Korea Atsimo, kanefa isa iray monja fanampiny dia mety efa nahatafita azy.
Ity misy lahatsary YouTube mampiseho ny fankalazan’i Ozbekistàna tao Tashkent renivohitra noho ny nahatafiakarany ho amin'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany baolina kitra 2026.
Nohadinoina sy noleferin'ireo mpankafy izany rehetra izany, izay nanana hirika marobe hankalazàna ireo zavabita goavana vitan'ny fireneny teo amin’ny sehatry ny baolina kitra tato anatin'ireo taona vitsivitsy farany. Talohan'ny fifanintsanana ho any amin'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany amin'ny baolina kitra, ny ekipa zandriny U-23 tao Ozbekistàna dia nandray anjara tamin'ny Lalao Olaimpika 2024 fanao amin'ny fahavaratra tany Parisy, izay sambany ihany koa tamin'ny tantarany.
Niavaka manokana ny ekipa zandriny, tamin'ny nahazoany ny Amboaran'i Azia 2023 U-20 sy 2025 U-17. Noporofoin'ireny zavabita ireny fa tsy kisendrasendra ilay fahombiazana farany teo ary vokatry ny fanavaozana ara-drafitra izay niaraka notanterahina tamin’ireo manampahefana mahefa amin'izany.
Tamin'ny 2019, noraisin’i Ozbekistàna ny Fotokevitra ho Fampandrosoana ny Baolina Kitra hatramin'ny 2030, izay nametraka ny fototra ho an'ireo fanavaozana taty aoriana. Ny tanjony voalohany indrindra dia ny fanavaozana tanteraka ny fomba fandrindràna ny baolina kitra matihanina na tsia, anisan'izany ny fampiroboroboana ilay lalao, ny fampidirana ny rafitra VAR, fampitomboana ny isan'ireo akademia ho an'ny baolina kitra, ary ny fametrahana rafitra iray fitiliana sy famolavolana talenta.
Indro ny fanadihadiana YouTube momba ny fisondrotan'ireo Ozbeky mpilalao baolina kitra.
Araka ny efa nampoizina, nijinja ny vokatry ny fampiasambola nataony ny governemanta ary nampiasa ny zavabitan'ilay ekipam-pirenena ho toy ny ohatra mivangana amin'ireo fanavaozana midadasika kokoa manerana ny firenena. Shavkat Mirziyoyev, filoham-pirenena, dia nitady ny hanolotra ireo fandresena vao haingana azon'ireo mpilalao baolina kitra ho toy ny ohatra iray mandona sy mivaingana tamin'ny hisian'ny “Ozbekistàna Vaovao” nampanantenainy. Fotokevitra pôlitika manjavozavo io, izay mampanantena “fiarahamonina misokatra sy ara-drariny, miahy ny olompirenena tsirairay”. Eo amin'ny fampiharana azy, tsy misy olona mahafantatra izay endrik'ireny fanavaozana ireny ety amin'ny fiainana isanandro.
Amin'io lafiny io, tonga nanampy an'i Mirziyoyev ireo mpilalao baolina kitra. Tao anatin'ilay fanambaràny avy hatrany taorian'ireo fifanintsanana ho any amin'ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany, nomarihan'i Mirziyoyev fa “noporofoin'ny ekipa indray teny an-kianja hoe inona ireo zavabita goavana miavaka azon'ireo tanora feno fahasahiana sy fahavononana avy ao Ozbekistàna Vaovao tratrarina.” Ny 10 Jona, nihaona nivantana tamin'ny ekipa izy, nanolotra azy ireo ny fiara sy ny fankasitrahana avy amin'ny fanjakàna, ary nanambara tamim-pireharehàna fa ny zavabitan-dry zareo “ dia hiasa hanome tanjaka kokoa ny fahefàna iraisampirenen'i Ozbekistàna Vaovao.”
Indro ny lahatsary YouTube misy an'i Mirziyoyev mankalaza ny fandresena nahazoana ny Amboaran'i Azia 2023 sy mibata ilay amboara miaraka amin'ny ekipam-pirenena U-20.
Mitovy amin'izay, nasisik'i Mirziyoyev io fomba filaza io nandritra ny kabariny ho an'ilay ekipa U-23, taorian'ny nahatafakatra an-dry zareo ho amin'ireo Lalao Ôlaimpika 2024, tamin'ny fanasongadinana io zavabita io ho vokatry avy amin'ireo “tanoran'i Ozbekistàna Vaovao.” Amin'ny fampifangaroana ireny zavabita ireny amin'ny “Ozbekistàna Vaovao,” azon'ny mpitondra atao mora foana ny mampita mazava kokoa ny vinany no sady manamafy fa efa manomboka hita vatana ireo fampanantenany hoavy mamiratra kokoa.






