
Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube an'ny UNICEF Pakistan. Fampiasana ara-drariny.
Ao amin’ny tanàna mamovoka iray any Behal, Distrikan’i Layyah, any Punjab atsimo, Pakistan, zazavavy 14 taona iray antsoina hoe Zunaira no mizara ny tantarany tamin’ny antsafa natao tamin’ny volana Jona 2025. Nanonofy ny ho lasa mpampianatra siansa izy, saingy tapaka tampoka izany nofy izany rehefa nokasain’ny fianakaviany hampivadiana amina lehilahy avo roa heny amin’ny taonany izy. Nikiakiaka mangina ny reniny, saingy nilaza taminy tamim-pahatsorana hoe: “Tsy manan-tsafidy isika.”
Tsy maningana ny tantaran’i Zunaira; fa mpitranga mahavaky fo. Mampanantena fiarovana ny lalàna manerana an’i Pakistan. Saingy amin’ny fampiharana, noho ny tsy fahampian’ny fanatanterahana, ny tsindry misy eo amin'ny fiaraha-monina, ary ny tsy fisian’ny antontan-taratasy ara-tsokajin-taona azo itokisana, dia mijanona ho taratasy fotsiny ireo lalàna ireo fa tsy manan-danja akory amin’ny tontolo ambanivohitra.
Tamin’ny volana Mey 2025, nandany ny Lalàna Fampiatoana ny Fanambadiana Ankizy ny Parlemantan'i Pakistana, izay mametra ny taona ara-dalàna hanaovana fanambadiana ho 18 taona ho an’ny lahy sy ny vavy. Nanome sazy ho an’ireo mankasitraka na manatanteraka fanambadiana ho an’ny ankizy ny lalàna, toy ny onitra sy fampidirana am-ponja, ary nanome fahefana ho an’ny manam-pahefana eo an-toerana hanakana ireo fanambadiana ireo alohan’ny hanatanterahany azy.
Na izany aza, misara-kevitra ny antoko politika momba ity raharaha ity. Taorian’ny fankatoavana ny Lalàna Manakatsakana ny Fampanambadiana Ankizy tao Islamabad, nankalaza io dingana io ny Pakistan Peoples Party (PPP). Etsy ankilany, nanohitra mafy ny lalàna ny Jamiat Ulema-e-Islam–Fazl (JUI-F). Nambaran'i Maulana Fazlur Rehman fa “mifanohitra amin’ny Soratra Masina sy ny Sunnah ilay lalàna” ary manitsakitsaka izany, ka nanambara hetsika fanoherana manerana ny firenena ho “fampahafantarana” ny ambana mihatra amin’ny maha-Islamika.
Ny ezaka voalohany ara-dalàna hanakanana ny fampanambadiana ankizy tany amin’ny sobakaontinanta Indiana dia ny lalàna fampiatoana ny fampanambadiana ankizy tamin’ny taona 1929, izay nametra ny taona farany ambany ho 14 ho an’ny zazavavy ary 18 ho an’ny zazalahy. Taorian’ny fahaleovantena, notazonin’i Pakistan nasiam-panitsiana kely izany lalàna izany. Tamin’ny taona 1961, nanamafy ireo fameperana ny Didim-panjakana momba ny fianakaviana miozolomana, saingy mbola malemy ny fanatanterahana azy. Tatỳ aoriana, taorian’ny fanekena ny fanitsiana faha-18 tamin’ny taona 2010 sy ny fitsinjaram-pahefana, namorona ny lalàny manokana ny faritany. Nampakatra ny taona farany ambany ho an’ny zazavavy ho 18 i Sindh tamin’ny taona 2013, raha mbola manaraka ny taona farany ambany ho an’ny zazavavy ho 16 taona kosa i Punjab, Khyber Pakhtunkhwa, ary Balochistan.
Antony maha-zava-dehibe azy
Araka ny tatitry ny UNICEF, 29 isanjaton’ny zazavavy ao Pakistana no manambady alohan’ny faha-18 taonany, ary 4 isanjato alohan’ny faha-15 taonany. Ny sampana mamonjy ny ankizy koa dia nanamarika fa misy fifandraisana ihany koa amin'ny loza voajanahary izany, satria niakatra 18 isanjato ny isan’ny fampanambadiana ny ankizy tao Pakistana taorian’ny tondra-drano mahatsiravina tamin’ny taona 2022.
Mety hisy fiantraikany maro izany amin'ny hoavy, simba ny fahasalamana, ary ho voatsipaka ireo zo. Araka ny tatitry ny UNESCO, manodidina ny 60 isanjato amin'ireo zazavavy manambady alohan’ny faha-18 taonany no tsapa fa mety hiala an-tsekoly. Any amin’ny faritra ambanivohitra maro, vitsy dia vitsy, manodidina ny 13 isanjato monja no mbola voasoratra anarana amin’ny kilasy faha-10. Raha vao manambady izy ireo, adidy an-tokantrano no manolo ny fanamiana an-tsekoly, voasolo vilany fahandroan-kanina ny boky, ary tokontany voafefy ny kianja filalaovana.
Tsy mifarana eo anefa ny loza. Araka ny angona avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS), tandindonim-pahafatesana in- 2 ka hatramin’ny 5 avo heny matetika kokoa ny zazavavy latsaky ny 18 taona noho ny olana mifandraika amin’ny fitondrana vohoka, raha oharina amin’ny vehivavy 20 taona no miakatra. Any amin’ny faritra tsy ampy loharanon-karena ao Punjab atsimo, isan’ny antony voalohany mampamoy ny ain'ireo renim-pianakaviana tanora ny fitondrana vohoka aloha loatra.
Maro amin’ireo ankizivavy ireo no miditra amin’ny fanambadiana kanefa tsy manana fahalalana fototra momba ny fahasalamana ara-pananahana. Araka ny fikarohana nataon’ny Real Medicine Foundation tamin’ny taona 2017, ny 79 isanjaton’ny tanora vehivavy ao Pakistana no tsy mahazo fanabeazana momba ny fadimbolana, ka mahatonga azy ireo ho mora tratran’ny fanilikilihana, aretina, ary olana ara-pahasalamana maharitra mandritra ny androm-piainany.
Araka ny Tondro SDG momba ny Fitovian-jon'ny lahy sy ny vavy 2024, laharana faha-137 amin’ny firenena 139 i Pakistan, izay isan’ny manana isa ambany indrindra momba ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy vavy. Ao ambadiky ny varavarana mihidy, matetika ny fanambadiana aloha loatra dia mitondra herisetra. Nambaran’ny UNFPA fa iray amin’ny telo amin’ireo ankizivavy manambady aloha loatra ao Azia Atsimo no iharan’ny herisetra an-tokantrano na fanararaotana ara-nofo. Voasaraka amin’ny namany, tsy manana fiarovana ara-pitsarana, ary miankina amin’ny fianakavian’ny vadiny, dia voatery miaina mangina ireo ankizivavy ireo.
Anisan’ireo firenena tena iharan’ny fiovaovan’ny toetr’andro i Pakistan. Ny tondradrano miverimberina sy ireo loza hafa —mety ho voajanahary na ataon'ny olombelona — no tena manafaingana ny fanambadiana aloha loatra. Taorian’ny tondradrano mahery vaika tamin’ny taona 2022, nanosika fianakaviana tao amin’ny faritra sasany ao Sindh hampanambady ny zanany vavy mbola tsy ampy taona ny fahasahiranana ara-toekarena. Nosoritsoritan'ny tatitry ny fampitam-baovao sy ny ONG, indraindray nokarakaraina ho takalom-bola na mba hampihenana ny vola amin'ny vodiondry ireo fampanambadiana ankizy, ka lasa paikady fiavotana ho an’ireo tokantrano very trano, vokatra ary fivelomana. Izany no nitarika fitomboan’ny fampanambadiana tamin’ireo zazavavy eo anelanelan’ny faha-14 ka hatramin'ny faha-17 taona.
Na dia misy aza ny lalàna, matetika tsy tanteraka ny fampiharana azy, indrindra rehefa tsy misy porofo ara-taona. Araka ny UNICEF, 42 isanjaton’ny ankizy pakistaney latsaky ny dimy taona ihany no manana taratasy nahaterahana ofisialy. Raha tsy misy antontan-taratasy, ny zazavavy 14 taona dia azo lazaina ho “18 taona” amin’ny fanambarana am-bava fotsiny, ka tsy misy dikany ny fiarovana ara-pitsarana. Na dia misy aza ny antontan-taratasy, ny fomban-drazana manao fanambadiana tsy misy fisoratana ara-panjakana, antsoina matetika hoe shari nikah any Pakistan, mahatonga ny fanambadian’ny ankizy ho ekena ivelan’ny fanaraha-mason’ny fanjakana.
Inona no azo atao
Na izany aza, misy ireo olona mijoro manohitra ireo fomba fanao ireo.
Nizara ny heviny momba ny fanambadian’ny zanany vavy lehibe tamin’ny faha-17 taonany i Qamar Ahmed raim-pianakaviana iray, tamin’ny volana Aprily 2025, nandritra ny antsafa nataony tany amin’ny distrikan’i Bhakkar ao Punjab, Pakistan:
“Tsy mbola vonona izy… Niaritra izy. Tsy te hamerina izany aho. Tokony nahavita ny fianarany ny zanako vavy kely. Tsy hisy resaka fanambadiana mandra-pahavononany ara-pihetseham-po sy ara-bola.”
Nandritra ny fitsidihana sekoly tao amin’ny distrikan’i Layyah no nitantaran'ny mpampianatra iray ao amin’ny sekolim-panjakana tamin’ny volana Mey 2025 fa nitsahatra tsy nianatra tampoka teo ny iray tamin’ireo mpianatra nahay indrindra tao aminy. Nikarakara ny fanambadian’ilay zazavavy ny fianakaviany. Tsy nisafidy ady mivantana anefa ilay mpampianatra, fa nitsidika ny tranon’ilay ankizivavy niaraka tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana vehivavy iray, ary niresaka tamin’ny ray aman-dreniny mba hanemotra ny mariazy mandra-pahatapitry ny taom-pianarana. Io fanemorana kely io no nanome fahafahana vaovao ho an’ilay zazavavy ho varavarankelin’ny fanantenana.
“Indraindray, fotoana kely monja ihany no ilain’ny ankizivavy iray mba hanaporofoany ny tenany,” hoy ilay mpampianatra.
Nanohitra ireo fomban-drazana hitany fa manimba i Imam Ali Noor tamin’ny lahateny nataony indray zoma tao amina masikiriny iray akaiky ny tanànan’i Layyah; ka nilazany hoe: “Tsy manohana fanambadiana an-tery na aloha loatra ny finoana silamo. Tsy manan-kery ny Nikah raha tsy misy fankatoavana. Zon’ny tsirairay ny fahazoana fanabeazana.”
Nampihetsi-po ireo teny nolazainy. Andro vitsy tatỳ aoriana, renim-pianakaviana iray no tonga teo aminy nitomany.
“Nampiasa ireo teninao aho mba hanakanana ny havan’ny vadiko tsy hampanambady aloha loatra ny zanako vavy.”
Marefo ireo fotoana ireo, toy ny jirokely mitsilopilopy misedra rivotra. Kanefa manaporofo ireny fa tsy voatery ho avy amin’ny fanavaozana lehibe ny fiovana; afa-manomboka any an-dakilasy, amin’ny toriteny, na amin’ny resaka tsotra atao ao an-dakozia.
Kanefa na izany aza, iray ny fanambadiana voahemotra, fa am-polony mandeha mangina. Ny zava-misy dia miova haingana kokoa ny lalàna any Pakistan noho ny fiarahamonina. Raha tsy misy fampiharana hentitra, fisoratam-pahaterahana ho an’ny rehetra, fifampiresahana marina momba ny fahasalamana ara-pananahana, ary fanohanana ara-toekarena ho an’ny fianakaviana marefo, dia hitombo hatrany ny elanelana misy eo amin’ny lalàna sy ny zava-misy iainana.
Dingana hoenti-mandroso
Dingana lehibe iray amin’ny fisorohana ny fampanambadiana ankizy ny fametrahana rafitra nomerika nasionaly amin’ny fisoratam-pahaterahana. Nanomboka nampihatra rafitra nomerika hanoratana ny fahaterahana sy ny fahafatesana any amin’ny hopitaly manerana ny firenena, ny volana Mey 2025, ny manampahefana nasionaly misahana ny fanangonana sy fitantanana ny angon-drakitra momba ny mponina (NADRA), mba hanavaozana sy hahamora ny fitantanana antontan-taratasy. Raha ampiharina amin’ny fisoratana anarana amin’ny fanambadiana ihany koa izany, dia mety ho fepetra mahomby hisorohana ny fanambadiana aloha loatra.
Efa nahazo fanohanana ara-pitsarana rahateo ny fanaraha-mason'ny nikah registrars. Tamin’ny taona 2024, nanapa-kevitra ny Fitsarana Ambony ao Lahore fa “hiatrika fiampangana ara-pitsara ireo mpisoratra manitsakitsaka ny toromarika hiadiana amin’ny fampanambadiana ankizy.” eo anivon’ny fiarahamonina, nanentana ny mpitondra fivavahana ny fandaharan’asa PODA fiofanana mpisoratra mba “handà ny fanatanterahana nikah ho an’izay rehetra latsaky ny 18 taona raha tsy misy antontan-taratasy ara-dalàna.” Iray amin’ireo dingana lehibe hiadiana amin’ny amban'ny fanambadiana ankizy izany.
Afa-manampy hihazonana ireo ankizivavy any an-tsekoly sy hanemotra ny fanambadiana ny fandrisihana ara-toekarena. Manome fanampiana ara-bola ambony kokoa ho an’ireo zazavavy manohy mianatra ny programa Ehsaas famindrana vola arahim-pepetra fanabeazana ambaratonga faharoa, ary azo ahitatra hatramin'ny kilasy faha-12 izany ho tolotra mivantana hanohanana ara-bola ny fanabeazana. Manome fanohanana ara-bola hampihenana ny tahan’ny fialana an-tsekoly ity fomba ity, ka mampihena ankolaka ny fampanambadiana ankizy.
Manana anjara asa fisorohana ihany koa ny fanabeazana. Milaza ireo vondrona mpiaro ny zon’ny ankizy sy miara-miasa amin’ny fanavaozana ny lalam-pianarana fa “tsy ho voaaro amin’io fomba fanao manimba io ny tanora raha tsy mahazo fanabeazana ara-pahasalamana sy zo araka ny taonany avy.” Efa hita ho fomba maharitra hiarovana amin’ny fampanambadiana ankizy ny fampahalalàna ny fahasalamana ara-pananahana any an-tsekoly.
Ny fiarahamonim-pirenena any Pakistan no efa mitarika ny fanentanana entina hamaranana ny fampanambadiana ny ankizy, ary matetika manampy amin’ny famenoana ny banga navelan’ny fampiharana ireo lalàna tsy nahomby.
Tsy “fomba amam-panao” tokony hotehirizina ny fampanambadiana ny ankizy, fa fahadisoana rafitra iray izany. Fahadisoana teo amin’ny fiarovana, tamin’ny fanabeazana, ary amin’ny tamberin'andraikitra. Tsy tokony ho vonjena ireo ankizivavy ; fa tokony avela hitombo amin’ny zony, ny loharanon-karenany, ary ny fahafahany hanapa-kevitra ny hoaviny. Mandrampahatonga izany andro izany, hamerina ny tenany any ambanivohitr’i Punjab Atsimo ny tantaran’i Zunaira, ary isaky ny miverimberina izany dia mampahatsiahy fa mbola maro ireo asa sisa tokony hotanterahina.







