
Dhaka, renivohitr’i Bangladesh, ahitana mponina manodidina ny 20 tapitrisa. Mampidi-doza ny fahalotoan'ny rivotra ao Dhaka ny fandoroana biriky any amin'ireo tanàna manodidina. Sary avy amin’ny Wikipedia, nalain’i ASaber91. CC BY 2.0.
Vao haingana no nanao fanambarana ny Departemantan’ny Tontolo Iainana ao amin’ny governemantan'i Bangladesh fa faritra ahitana kalitaon'ny rivotra tena maloto na “faritra misy rivotra simba” i Savar Upazila, tanàna iray any afovoan’i Bangladesh.
Nasongadin'ny fanadihadian’ny Departemantan’ny Tontolo Iainana tamin’ny alalan’ireo tobim-panaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra fa saika in-telo avo heny ratsy kokoa noho ny fenitra nasionaly ny kalitaon’ny rivotra eo amin’ny tontolo iainana ao Savar. Araka ny fanadihadiana iray tamin’ny taona 2023, maherin’ny 200 ireo toeram-pandoroana biriky (brick kilns) ao Savar, izay ampiasaina fanamboarana biriky ho an’ny indostrian’ny fanorenana ; ary mihamitombo haingana ao amin’ny firenena izany. Manamafy kokoa ny olana amin’ny fahalotoan’ny rivotra ireo setroka avy amin'ireo fandoroana biriky ireo. Ity toe-javatra ity sy ny fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamam-bahoaka, no mahatonga ny Savar Upazila ho faritra amin'ny fahalotoan'ny rivotra. Ankoatra izany, mandritra ny vanim-potoana maina, entin’ny rivotra avy any Savar ireo loto amin’ny rivotra mankany Dhaka, izay mampitombo be ny fahalotoan’ny rivotra ao andrenivohitra ka manimba ny fahasalaman’ny mponina ao.
Voasokajy ho “faritra voan’ny fahasimban’ny kalitaon’ny rivotra” noho izany antony izany ny ao Savar Upazila manontolo, eo ambany fahefana ao amin’ny Fitsipika faha-5 momba ny Fifehezana ny Fandotoan’ny Rivotra tamin’ny taona 2022.
Hetsika voalohany izao nandraisana fepetra ao Bangladesh. Manomboka amin'ny volana Septambra 2025, dia ho voarara tanteraka ny fandoroana biriky amin'ny lafaoro rehetra ao amin'ny faritra Savar, afa-tsy ny lafaoro miasa mandavataona sy ny lafaoro hybrid Hoffmann. Ho voarara ihany koa ny fandoroana fako mivantana eny an-kalamanjana. Ankoatra izay, tokony hahazo alalana manokana avy amin'ny tompon'andraikitry ny tontolo iainana ireo orinasa indostrialy vaovao alohan'ny hanombohan'ny asa.

Toerana fandoroana biriky iray any Bangladesh. Araka ny fanadihadiana, mahatonga hatrany amin'ny 28 isanjaton'ny fandotoan-drivotra any Bangladesh ny lafaoro fanamboarana biriky. Sary avy amin'ny Wikipedia, nalain'i Faizul Latif Chowdhury. CC BY-SA 4.0.
Tamin’ny taona 2023, nahitàna kalitaon-drivotra ratsy tao amin’ny faritra Savar Upazila, ny 164 andro tamin’ireo andro 365 . Tamin’ny taona 2024, nihena kely izany ka tonga ho 160 andro. Loharano lehibe indrindra nahatonga ny fahalotoan’ny rivotra tao amin’ilay faritra ny fisian'ireo orinasa fanaovam-biriky, ireo ozinina mpanamboatra bateria sy firaka, ao koa ireo etona mivoaka avy amin’ny fitaovam-pitaterana, sy ny asa fanorenana. Amin’ireo rehetra ireo, ny fanaovam-biriky no heverina ho tena antony goavana indrindra miteraka ny fahalotoan'ny rivotra. Ny faritra Savar anefa no mamatsy ny ankamaroan’ny biriky ampiasaina amin’ny asa fanorenana ao Dhaka renivohitra. Araka ny tatitra avy amin’ny Departemantan’ny Tontolo Iainana, miisa 107 ny fanaovam-biriky ao Savar, ary tsy misy amin’izy ireo ka hoe mampiasa teknolojia manaja sy miaro ny tontolo iainana.
Nosoritan’ny fandalinana iray nataon’ny Oniversiten’i Stanford ny halalin'ny fanimbana ny rivotra ao Bangladesh ateraky ny fanaovam-biriky tsy ara-dalàna sy tsy voafehy manerana ny firenena.
Unchecked brick kiln pollution is choking air quality in Bangladesh, but new research from #StanDOM‘s Stephen Luby lab shows we can cut emissions, without halting production. More in @ScienceMagazine: https://t.co/kRKDjpfnqH pic.twitter.com/eDj0SCWl5E
— Stanford Department of Medicine (@StanfordDeptMed) May 21, 2025
“Manimba ny kalitaon’ny rivotra eto Bangladesh ny loto avy amin’ireo fanaovam-biriky tsy voafehy, saingy mampiseho ny fikarohana nataon'ny laboratoaran’i Stephen Luby ao amin’ny #StanDOM fa azo ahena tsara ny etona maloto izay tsy manakana velively ny famokarana. Tsidiho ny @ScienceMagazine: https://t.co/kRKDjpfnqH pic.twitter.com/eDj0SCWl5E“
Fahiny, toerana manan-karazana hatsaran-tarehy voajanahary i Savar. Saingy, araka ny nambaran’i Ratan Pal, mponina iray ao an-toerana, tao amin’ny tranonkalam-baovao Prothom Alo iray, fa tena niova be ny tontolo manodidina noho ny firoboroboan’ny indostria :
সাভারের বায়ু-দূষণের মাত্রা কয়েক দশক আগেই গ্রহণযোগ্য মাত্রা ছাড়িয়েছে, শুরু হয়েছিল পাকিজা ডায়িং মিল চালু করে। এ মিলের কারণে একটি খালই সম্পূর্ণরূপে মারা গেছে, দোয়েল গ্রুপের কারণে মারা পড়েছে কর্ণফুলি খাল আর বংশী নদীও মৃত প্রায়। সুতরাং শিল্প-কারখানার দূষণ নাই-এমন সনদ দেওয়া মোটেও যুক্তিযুক্ত নয়! সাভার থেকে আমীন বাজার পযর্ন্ত সড়কের দুই পাশে সড়ক ও জনপথের দুটি খাল ছিল ৮০ এর দশকেও (যা কল্যানপুর অবধি বিস্তৃত ছিল) এ খাল দু’টিতে কংক্রিটের বড় বড় ব্রিজও ছিল, নৌকা বাইছ হতো প্রতি বর্ষায়। শিল্প কারখানা করতে, অবৈধভাবে দখল করে খালগুলিকে সম্পূর্ণরূপে ধ্বংস করে দেওয়া হয়েছে। সরকারগুলি সবসময় এসব দখল প্রশ্রয় দিয়ে গেছে!
“Mihoatra ny fetran’ny tokony ho ekena ny haavon’ny fandotoana rivotra ao Savar am-polony taona lasa izay, taorian’ny nanokafana ny ozinina Pakiza Dyeing Mill. Io ozinina io mihitsy no nandrava tanteraka fantsona iray. Ny Doyel Group indray no nandrava ny lakandrano Karnaphuli, ary efa ho ritra tanteraka amin’izao fotoana izao ny reniranon’i Bangshi. Noho izany, tena tsy mitombina mihitsy ny fanomezana taratasy fanamarinana milaza fa ‘tsy mandoto’ ny ozinina iray ao amin’ity faritra ity.”
Niarahaba ny fandraisan'ny governemanta andraikitra i Salahuddin Khan Naeem, Sekretera Jeneralin’ny Komity Savar Nagarik ao Savar. Nanambara tamin’ny gazety Dhaka Tribune izy nanao hoe:
পরিবেশ অধিদপ্তর যে উদ্যোগ নিয়েছে, আমরা এটিকে স্বাগত জানাই। মানুষের স্বাস্থ্যের যে চরম ঝুঁকি তৈরি হয়েছিল, আমরা দীর্ঘদিন ধরে সেটি নিয়ে কথা বলেছি। আমাদের নদী-নালা, খাল বিল পরিবেশ যেভাবে দূষিত হয়েছে, তার বিরুদ্ধে ব্যবস্থা না নিলে আমরা এখানে বসবাস করতে পারবো না। এগুলো আমরা বারবার বলেছি। সরকার যে ব্যবস্থা নিয়েছে, শুধু কাগজপত্রে যাতে সেটি সীমাবদ্ধ না থাকে। অবস্থা থেকে বেরিয়ে বাসযোগ্য সাভার গড়তে যা যা প্রয়োজন, সরকার সেগুলো করতে পিছপা হবে না। সাভারের প্রাণ প্রকৃতি ফিরিয়ে আনবে সেটিই আমরা চাই।
Mankasitraka ny fepetra noraisin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana izahay. Efa ela izahay no naneho ahiahy momba ny loza ara-pahasalamana mahazo ny mponina eto an-toerana. Raha tsy misy fepetra raisina manoloana ny fahalotoan’ny renirano, lakandrano, ary dobo, dia ho sarotra ny hiaina eto amin’ity faritra ity. Efa naverinay notenenina imbetsaka izany.
Manantena izahay fa tsy ho voafetra amin’ny taratasy fotsiny ny fepetra raisin’ny fanjakana. Ilainay ny fandraisana andraikitra hentitra mba hahafahana mamelona indray an’i Savar sy mamerina amin’ny laoniny ny tontolo voajanahary eto.
Toetran'ny fahalotoan’ny rivotra any Bangladesh farany
Anisan’ny firenena maloto ara-tontolo iainana indrindra i Bangladesh, ary manampy trotraka izany ny fahalotoan’ny rivotra izay mampihena manodidina ny dimy taona sy tapany ny taham-pahaveloman’ny olom-pirenena. Avy amin’ny tatitra farany navoakan’ny Mari-panondroana ny Kalitaon'ny Rivotra (AQLI), izay navoakan’ny Energy Policy Institute ao amin’ny Oniversiten’i Chicago, ity vaovao ity.
Loza ivelany lehibe indrindra manohintohina ny taham-pahaeloman’ny olona ao Bangladesh ny fahalotoan’ny rivotra, araka ny tatitra. Miaina any amin’ny faritra ambony noho ny fetram-pahalotoan’ny potipotin-javatra azo iainana ny mponina mihoatra ny 166 tapitrisa. Mihoatra lavitra noho ny fenitry ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana (OMS) sy ny fenitra nasionaly ao amin’ny firenena, izay 35 mikrogirama isaky ny metatra toratelo izany. Na dia ao amin’ny distrika tsy voaloto indrindra aza, any Lalmonirhat, dia in-7 avo heny noho ny toromarika napetraky ny OMS ny fatran’ny loto amin’ny rivotra.
Teo anelanelan’ny taona 1998 hatramin’ny taona 2023, nitombo 66.2 isanjato ny haavon’ny loto amin’ny potipoti-javatra manify tao Bangladesh. Vokatr'izany, nihena 2.4 taona ny fanantenana androm-piainana ho an’ny mponina.
Araka ny tombana nataon’ny UNICEF, ankizy latsaky ny dimy taona miisa farafahakeliny 19.000 no matin’ny fahalotoan’ny rivotra tamin’ny taona 2021. Noho izany, miantso ny fanjakana mba hampihatra fepetra maharitra ho fanatsarana ny kalitaon’ny rivotra ho an’ny taranaka ho avy ny sampan’ny fikambanana miaro ny zon’ny ankizy eto Bangladesh.
In 2021, air pollution contributed to 19,000+ deaths of children under five. These young lives are cut short due to preventable causes.
It's crucial that we take sustainable actions to improve air quality not just for the health of our children today, but for future generations. pic.twitter.com/RJd7aJUQHs
— UNICEF Bangladesh (@UNICEFBD) June 21, 2024
Maherin’ny 19.000 ny ankizy latsaky ny dimy taona no matin’ny fahalotoan’ny rivotra, tamin’ny taona 2021. Tratran'ny fahafatesana aloha loatra ireo zaza ireo noho ny antony izay nosorohina anefa.
Zava-dehibe ny fandraisana andraikitra maharitra hanatsarana ny kalitaon’ny rivotra tsy ho an’ny fahasalaman’ny ankizy ankehitriny ihany, fa ho an’ny taranaka mifandimby koa
Ahmad Kamruzzaman Majumder, Filohan’ny Ivon-toerana Fikarohana momba ny Fahalotoan’ny Rivotra (Center for Atmospheric Pollution Studies – CAPS), izay miasa amin’ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny rivotra ao Bangladesh, dia niantso ihany koa ny tokony hisian’ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa hentitra avy amin’ireo rafitra rehetra voakasika — anisan’izany ny Departemantan’ny Tontolo Iainana, ny Kaominina, ny Sampandraharahan’ny Fitaterana an-dalambe, ny Minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra, ary ny Sampan-draharaham-pirenena amin’ny Trano Fonenana, ho fampihenana ny fahalotoan’ny rivotra.
Nametraka sehatra vaovao ity fanambarana natao tao Savar ity. Na izany aza, tsy ampy ny mifantoka amin’ny faritra iray ihany raha te hampihena ny fahalotoan’ny rivotra manerana an’i Bangladesh. Ny fiaraha-mientan’ny olom-pirenena rehetra ihany no afaka miantoka tontolo salama ho an’ny taranaka hoavy.






