Arahin'i Karaiba maso akaiky ny rivodoza Erin, ilay rivotra lehibe voalohany ao Atlantika amin'ity taona 2025 ity

Sary najoro tamin'ny fampiasana singa Canva Pro.
Amin-tebiteby hatrany isan-taona no iandrasan'i Karaiba amin'ny fomba ofisialy ny fanombohan'ny vanim-potoanan'ny rivodozan'i Atlantika. Efa anjato taonany maro no mamely ny faritra ny rivodoza — izay niteraka fahaverezana be [mg] ho an'ireo firenena [fr] voakasika ampolony taona maro [mg] izao — manondro ny fikarohana fa na dia tsy voatery hitombo aza ny isan'ny tafiotra rehefa amin'ny fotoanany noho ny krizin'ny toetrandro, dia nampitombo ny heriny [fr] kosa izany.
Vaovao mampanahy izany ho an'ireo nosy kely an-dalampandrosoana (SIDS) ao amin'ny vondronosy Karaiba, izay nitakìn'ny olom-pirenena hatry ny ela ny hamahàna ny krizin'ny toetr'andro amin'ny fomba mankatoa sy manaja ny fiaretan‘ny mponina ao amin'ny faritra.
Milofo [mg] ry zareo misolovava ho an'ny faritra misy azy [mg], miforona hatrany koa ny rivo-doza. Ny rivo-doza Erin no voalohany amin'ity taona 2025 ity, nosokajian'ny National Hurricane Center any Etazonia ho Sokajy faha-5 (mahery indrindra). Matetika mitondra fahasimbàna izay miteraka fahasimban-trano sy miteraka fitokana-monin'ny vondrom-piarahamonina izany sokajy mahery indrindra izany noho ny fidabohan'ny hazo sy ireo fotodrafitrasa mitondra herinaratra; mila esorina amin'ny fonenany noho izany ireo faritra tandindonin-doza ho fisorohana ny famoizana aina.
Tohano ny Global Voices amin'ny famoahana lahatsoratra tahaka ity manaraka ity
Tamin'ny 16 aogositra lasa teo, tany amin'ny 170 kilaometatra mahery any avaratr'i Anguilla no nisy an'i Erin, izay mitondra rivotra mahery mahatratra 255 km isan'ora, ka mety hahazo ny faritra avaratr'i Leeward Islands, ny Nosy Virijiny Britanika sy Etazonia, Pôrtô Rikô, Haiti ary ny Repoblika Dominikana sy Turks and Caicos. Hijojo ny orana mandritra ny faran’ny herinandro; vinavinaina hivily mianavaratra ny rivo-doza amin'ny alatsinainy ary mety hihena ny heriny satria mety haka rivotra maina kokoa noho ny fivezivezin'ny rivotra.
Tahaka ny tamin'ny Rivodoza Beryl tamin'ny taona 2024, naneho hevitra amin'ny hafainganam-pandehan'i Erin niakatra sokajy ny mpamantatra ny toetr'andro, izay hitan'ny fikarohana ho mifandraika amin'ny fikorontanan'ny toetrandro.
Manondro ny sampandraharaham-panjakana misahana ny ranomasimbe sy ny Atmôsphera momba ny amin'ity taona ity, izay nanomboka tamin'ny 1 Jona, fa mety hisy 13 ka hatramin'ny 18 antsoina hoe tafio-drivotra hahazo anarana, ka dimy ka hatramin'ny sivy no rivomahery, ary roa ka hatramin'ny dimy mahatratra no hahatratra ny sokajy faha-2 na ny ambonin'izay.
Efa nampahafantarina ireo firenena lalovan'ny Rivo-doza Erin fa mety hiteraka tondra-drano sy fihotsahan'ny tany ny fisondrotry ny ranomasina sy ny firotsahan'ny oram-be, na dia manantena aza ny mponina ao aminy fa tsy hiditra an-tanety ny tafiotra.






