GV Insight: Mampifanohy ny fisarahana ara-toetrandron'i Azia

Sary namboarin'i Sydney Allen.

Amin'ny fiaraha-miombon'antoka niara-nanoratra ka mampifanohy ny fisarahana ara-pitenenana sy ara-politika, nofakafakain'ireo mpikaroka miaraka aminay ireo ny fahasarotan'ny toe-java-misy amin'ny nananganan'ny tetikasam-potodrafitrasa Belt and Road Initiative (BRI) ao Shina, ny fampiasam-bola amin'ny angovo sy ny politikam-pampandrosoana traikan-tontolo iainana isankarazany ao amin'ireo vondrom-piarahamonina maro any Azia. Horesahin'ireo hoantsafaina ny fomba fiasan-dry zareo nanaovana tatitra, ireo zava-dehibe tsikaritra momba ny anjara toeran'i Shina amin'ny maha-mpanavao zava-maitso azy sy ny fijoroany mety hanahirana aty amin'ny Ilabolantany Atsimo, ary horesahina ny fomba ahafahan'ny asa fanaovan-gazety miampita sisintany manazava ireo tantara saropadin'ny rariny ara-toetr'andro izay tsy voafetran-tsisintany. Asongadin'ity resadresaka ity ny maha-zava-dehibe ny fitantaràna iaraha-miasa mba hahatakarana ny tena halalin'ny fanamby sy ny hiriky ny fifandrasan'ny toetrandro any Azia.

Fantaro bebe kokoa ato ny momba ny Climate Justice Fellowship ary araho ny resaka mivantana ao amin'ny YouTube amin'ny 18 septambra 2025, amin'ny 4 ora hariva WIB / 9 ora maraina UTC / 5 hariva CST.

Nasaina:

Hasya Nindita: Mpanao gazety mahaleotena sady mpanoratra. Niasa ho mpanangom-baovao tsy miankina ho an'ny The New York Times amin'ny ankapobeny ary mikarataka miasa ho an'ireo famoaham-baovao iraisampirenena sy ireo nasionaly hafa. Talohan'izay izy mpanangom-baovao nomerika tao amin'ny Kompas TV, fampielezam-peom-pirenen'i Indonezia, nitantara ireo olana an-tanàndehibe, ary nandray anjara tamin'ny famoaham-baovao nasionaly, Tirto.id, mitantara tsanganam-pomba fiainana. Navoakan'ny Noura Books tamin'ny taona 2015 ny bokiny voalohany ho an'ny zatovo mitondra ny lohateny hoe Tersesat! A Misplaced Journey. Nivoaka tao amin'ny Porch Literature Magazine tamin'ny taona 2023 sy 2024 ireo tantara fohy noforoniny.

Brian Hoie (丘琦欣): Brian Hioe (丘琦欣) dia mpanoratra, tonian-dahatsoratra, mpandika teny, mpikatroka, ary DJ monina any Taipei. Iray amin'ireo mpanorina ny New Bloom Magazine (破土) tamin'ny 2014 izy, gazetiboky anjotra mirakitra fikatrohana sy ny politikan'ny tanora ao Taiwan sy Azia Pasifika izay naorina taorian'ny Hetsika Tanamasoandro, izay nandraisany anjara tamin'ny naha-mpianatra mpikatroka azy, izany. Mpikaroka tsy monina ao amin'ny Seha-pikarohan'i Taiwan ao amin'ny University of Nottingham izy amin'izao fotoana izao.

Nurbek Bekmurzaev: Nurbek Bekmurzaev: Tonian-dahatsoratry ny Global Voices Azia Afovoany ary nahazo vatsy taona 2025 tamin'ny rariny ara-toetrandro. Miasa miaraka amin'ny mpanoratra maro izy hamokarana tantara mahasarika sy manentana iao amin'ny firenena dimy ao Azia Afovoany, Mongolia ary Afghanistan. Liana amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy, politika, toekarena ary tontolo iainana ao amin'ireo firenena ireo izy. Avy any Kyrgyzstan izy, saingy mipetraka sy miasa any Ulaanbaatar amin'izao fotoana izao. 

Sun Qian: Mpanao gazety mahaleo tena mandray anjara amin'ny famoaham-baovao lehibe ao Shina sy Eoropa. Nifantoka tamin'ny politika Alemana sy Eoropeana izy nanomboka tamin'ny taona 2017. Ho fanampin'ny tatitra ara-politika mivantana, maka fomba fijery mifantoka amin'ny maha-olombelona koa izy, miròna amin'ny olan'ny mpitsoa-ponenana sy ny fifindra-monina.

Eo amin'ny sehatry ny rariny ara-toetrandro, nirotsaka tamin'ny fanaovan-tatitra miampita sisintany izy, niara-niasa tamin'ireo mpiara-miombon'antoka manerana an'i Afrika sy Eoropa handinika ny herim-panintonan'i Shina amin'ny firenena toa an'i Kenya, Kamerona ary ny Repoblika Tseky.

Ankoatra ny asa sorany, mpanao gazety an-dahatsary sy fahitalavitra ihany koa izy ary mpanoratra documentaire ( tahirin-kevitra), manolo-tena hiantsa tantara manan-danja sy lalimpaka ho an'ireo karaza-mpihaino.

Sydney Allen no mpandrindra: Tonian-dahatsoratra menavazana sady tonian-dahatsoratry ny Rariny ara-toetrandro ato amin'ny Global Voices i Sydney ary anisan'ireo nahazo ny vatsin'ny Climate Justice (Rariny ara-Toetrandro) nandritra ny roa taona. Monina ao Kuala Lumpur, Malezia izy ary mankamamy manangan-javatra sy fiarahamonina lovainjafy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.