Fanamarihana: Lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny 9 Septambra 2025

Tanora nepaley iray miaraka amin'ny sainam-pirenena nepaley. Sary tao amin'ny Flick, an'i Mike Maguire. CC BY 2.0.
Ny 8 Septambra 2025, nipoaka nanerana an'i Nepal ireo hetsipanoherana maro notarihan'ny tanora hanoherana ny kolikoly, ka raha kely indrindra dia olona 19 no maty ary nihoatra ny 350 no naratra. Ireo hetsipanoherana dia teraka avy amin'ny hatezerana noho ny tsimatimanota amin'ny kolikoly, ny fielezan'ny kiantranoantrano, ary tsy ela akory izay ny fandraràna nanerana ny firenena ireo sehatry ny tambajotra sôsialy. Taorian'ny famoretana feno habibiana nataon'ny mpitandro filaminana ka namadika ireo hetsika am-pilaminana ho famoizana ain'olona, dia nangataka ny fametrahana fialàn'ireo manampahefana lohandohany ao amin'ny governemanta ireo mpitarika avy amin'ny fanoherana sy ny fiarahamonina sivily. Ny RSP koa, antoko pôlitika fahefatra lehibe indrindra ao Nepal, dia niantso ny hanaovana fifidianana mialoha ny fotoana.
Ny fandraràna ny media sôsialy
Ny 28 Aogositra 2025, nomen'ny ministeran'ny serasera sy ny teknôlôjian'ny fampahalalam-baovao fetra farany, fito andro, ireo rehetra sehatry ny media sôsialy tao an-toerana sy iraisampirenena mba hisoratra anarana any amin'ny governemanta, araka ny takian'ny torolàlana ho fandrindràna ny fampiasàna ireo sehatra media sôsialy, 2080 BS (2023). Tapitra ny 3 Septambra ilay fetra farany, kanefa tsy nisy na iray aza sehatra goavana erantany nametraka ny fisoratany.
Ny 4 Septambra 2025, ny Antokon-draharaha nepaley misahana ny fifandraisandavitra dia nanome baiko ny hibahanana manerana ny firenena ireo sehatra media sôsialy goavana miisa 26, isan'izany ny Facebook, Instagram, YouTube, X ( Twitter taloha), WhatsApp, LinkedIn, ary Reddit. Tsy hiverina ny asan'izy ireo raha tsy vita ny fisoratana anarana.
Nentin'ny governemanta nanamarinana ny fihetsiny ny fandefasana naoty ho an'ireo orinasa ireo hoe tsy nanaraka ireo fepetra vaovao araka ilay Torolàlana 2023 momba ny Media Sôsialy, toy ny fanokafana birao ao an-toerana, fanendrena tomponandraikitra handray ireo fitarainana, sy fametrahana rafitra fandrindràna mazava araka ny tokony ho izy. Nambarany fa ny tsy fanarahan'izy ireo ny lalàna dia manohintohina ny fiarovam-pirenena sy ny firindràn'ny fiarahamonina. Sehatra vitsy monja, toy ny TikTok, Viber, WeTalk, Nimbuzz, ary vitsy hafa no avela amin'izao fotoana izao hanohy ny asany.
Ho an'ireo mpanao hetsipanoherana dia famelezana ny fahalalahana manehohevitra ilay fandraràna no sady manimba ny fahafahan-dry zareo mivelona, indrindra fa ireo tompona fandraharahàna madinika izay miankina amin'ireny sehatra ireny ny doka sy ny varotra ataony. Ny ben'ny tanàna ao Kathmandu, Balen Shah, dia naneho ampahibemaso ny fanohanany ilay hetsika, raha maro koa ireo mpitarikevitra sôsialy sy ireo olomalaza no naneho ny fanohanan-dry zareo.
Any amin'ireo tanàndehibe ao Nepal, mitàna toerana lehibe amin'ny fiainana andavanandro ny tambajotra sôsialy. Matetika ampiasaina amin'ny fandraharahàna sy ny fifandraisana ireo tranonkalan'ny tambajotra sôsialy toy ny Facebook, Instagram, ary Messenger. Araka ny angondrakitra tamin'ny Janoary 2025, nanana 14,3 tapitrisa eo ho eo mpampiasa azy ny Facebook tao Nepal, manome ny 48,1 isanjaton'ny mponina. Ny Messenger ao amin'ny Facebook dia manana mpampiasa miisa 10,9 tapitrisa, ny Instagram manana 3,9 tapitrisa, ny LinkedIn manana 2 tapitrisa, ary ny X manana 390 000 any ho any, ny ankamaroan'ireo dia mipetraka an-tanàndehibe avokoa. Ny fandraràna tsy ela akory izay natao an'ireo sehatra ireo dia nanelingelina ny fiainana tanora marobe tany amin'ny faritry ny tanàndehibe, izay miankina amin'ny fampiasàna ireo fampiharana ireo mba tsy ho tapaka fifandraisana, hianarana ary hahitàna izay hivelomana.
Nanohitra mafy ny fandraràna ny media sôsialy ny Vaomiera Nasiônaly Mpiaro Zon'olombelona sy ireo fikambanana hafa sivily mpiaro zon'olombelona. Nantsoin'izy ireo ho fanitsakitsahana ireo fahalalahana fototra izy io, indrindra fa ny zo haneho hevitra ankalalahana sy ny fahazoana vaovao.
Protesters have a right to peacefully protest and express their frustration and outrage against corruption and the government’s restriction on the right to freedom of expression including the social media ban in Nepal.
Amnesty calls for the immediate de-escalation of the… pic.twitter.com/Zm1gMO4MPn
— Amnesty International (@amnesty) September 8, 2025
Manana zo hanohitra am-pilaminana ireo mpanao fihetsiketsehana ary haneho ny hasosorany sy ny hatezerany noho ny kolikoly sy ny faneriterena ataon'ny governemanta amin'ny zo ho afaka haneho hevitra, isan'izany ny fandraràna ny media sôsialy ao Nepal.
Takian'ny Amnesty ny hampitoniana haingana ny … pic.twitter.com/Zm1gMO4MPn
— Amnesty International (@amnesty) 8 Septambra 2025
Mihetsika ireo “Gen Zers”
Raha niteraka hatezerana faobe ilay fandraràna, nanomboka fanentanana an-tambajotra niely patrana be ireo tanora, nampiasàna ny teny hoe “Nepo Kid,” fomba fiteny iray manambatra ny “Nepotism” amin'ny “kid” mba hanondroana ny fomba fiaina feno filibàna ataon'ny zanak'ireo manana fahefana, mpanao kolikoly, kanefa ny olompirenena tsotra kosa miady mafy sy mitrongy vao homana. Tsy hay notohaina toa afo nanerana an'i Kathmandu sy ireo tanàna manodidina ireo hetsipanoherana notarihan'ny tanora, nahitàna ireo mpanao hfihetsiketsehana nitaky ny mangarahara, ny tamberinandraikitra, ary ny hoavy iray feno fanantenana ho an'i Nepal.
Andro vitsy monja no niaingan'ilay hetsika. Ny elanelana eo amin'ny fiainana feno filibàna ataon'ireo sangany ao Nepal sy ny ady mafy iainan'ireo Nepaley tsotra, ny maro amin'izy ireny dia mpiasa any ampitan-dranomasina anatina fepetra henjana be mba hanohanany ny fianakaviany, no tsy nitsahatra nasongadina tao amin'ny media sôsialy tamin'ny alàlan'ny tenifototra toy ny hoe #PoliticiansNepoBabyNepal. Ilay hetsika an-tserasera, izay nahazo vàhana tao amin'ny TikTok sy Reddit taorian'ny nandraràna ireo sehatra hafan'ny media sôsialy, no nitarika ny tanora ho eny an'arabe, nitaky tamberinandraikitra avy amin'ireo pôlitisiàna sy fanesorana ilay fandraràna.
Fanambaràna diso teny anatin'ireo fampahalalam-baovao iraisampirenena
Koa satria nitombo laza erantany ilay hetsika, marobe ireo tanora mpanao fihetsiketsehana no naneho ny alahelony momba ny fomba nanehoan'ireo fampahalalam-baovao iraisampirenena ireo tranga. Ny sasany, toy ny Reuters, nitatitra hoe teraka avy amin'ny fandraràn'ny governemanta ny media sôsialy ireo hetsipanoherana notarihan'ny Gen Z tao Nepal. Maro tamin'ireo mpanao hetsipanoherana no nitsipaka io, tamin'ny fanantitranterana fa ny tolon-dry zareo dia, voalohany indrindra, ny ady amin'ny kolikoly, ny kiantranoantrano, ary ny tsy fisian'ny tamberinandraikitra eo amin'ny fitarihana ara-pôlitika.
Ilay vehivavy mpitarikevitra, Rose Kandel, nandefa ranty tao amin'ny Instagram:
View this post on Instagram
Ilay Nepaley mpitarikevitra mitondra solonanarana hoe “Nameless Goat” nandefa tao amin'ny X hoe:
Many international media wrongly portray Nepal Gen z protest as “Social media ban movement”, But youths are fighting against corruption & Freedom. #Nepalprotest#GenZprotestnepal pic.twitter.com/MZluf61lsZ
— Nameless Goat (@Bibekff174818) September 8, 2025
Marobe ireo mpampahalala vaovao iraisampirenena no diso famaritra ny hetsipanoheran'ny Gen Z ho toy ny “Hetsika noho ny fandraràna ny media sôsialy”, Nefa ireo tanora dia mitolona ho an'ny Fahalalahana & Manohitra ny kolikoly. #Nepalprotest#GenZprotestnepal pic.twitter.com/MZluf61lsZ
— Nameless Goat (@Bibekff174818) 8 Septambra 2025
Fitakiana fahalalahana sy hoavy tsaratsara kokoa
Nanozongozona an'i Nepal ilay hetsika “Nepo Kid”, nahitàna ireo tanora nitsangana nanohitra ny kolikoly sy ny tsy rariny ara-drafitra nandritra ny taompolo maro. Na niteraka hatezerana aza ny fandraràna nataon'ny governenamanta tamin'ireo sehatra media sôsialy, ireo mpanao hetsipanoherana dia nanatitrantitra fa ny tolon-dry zareo dia mandeha lavitra noho ny tsy fahafahan-dry zareo miditra amin'ny media sôsialy, resaka tamberinandraikitra io, ary tena fiovàna marina hiala anaty fifotetahana.
Nampivaloharika ny sandany, nahitàna aina maro nafoy sy naharatràna maro satria nitohy ny fifandonana teo amin'ireo mpanao hetsipanoherana sy ny mpitandro filaminana. Ny 8 Septambra, napetraka tao Kathmandu ny tsy fahafahana mivezivezy nanomboka tamin'ny 12 ora sy 30 mn antoandro hatramin'ny 10 ora alina. Na nisy aza io, nitohy nitaky tena fiovàna marina sy hoavy tsara kokoa ireo tanora, izay hihainoana ny feon-dry zareo ary hitànana ho tomponandraikitra ireo mpitarika tao Nepal. Raha araka ny vaovao farany (9 Sept 2025), nesorin'ny governemanta nepaley ilay fandraràna ny media sôsialy.







