
Pikantsary tamin'ny fantsona YouTube shinoa « Xiao He with a round face », izay ahitàna « mukbangs» maro.
Ny ohabolana shinoa malaza 民以食为天, midika ara-bakiteny hoe « ny sakafo no zavatra iray manandanja indrindra ho an'ny olona », dia mampiseho ny lanjan'izy io ao anatin'ny fiainana andavanandron'ny shinoa. Izany no antony hoe ao Shina, rehefa misy fanasàna goavana, dia mazàna no manafatra sakafo betsaka ny mpampiantrano mba hanehoana ny sata sôsialiny, ny fahalalahan-tànany ary ny fahaizany mandray vahiny, izay tsy azo ihodivirana fa miteraka ambim-bava betsaka.
Mandritra izany fotoana izany, raha tsy nitsahatra nitombo ny saranga antonony tao Shina tato anatin'ireo taompolo farany, ary nandray fomba fisakafo betsaka hena mba ho solon'ny sakafo nentindrazana ampiasàna voamaina, dia ankehitriny, miteraka fanamby maharitra ny kolontsaina sy ny fomba fisakafoanana ao amin'ilay firenena.
Nisy fikarohana natao tamin'ny 2015 naminavina hoe ireo trano fisakafoanana ao Shina, ny olona dia nanarinary fahatàny sakafo nilanja teo anelanelan'ny 17 sy 18 tapitrisa taonina isantaona, izany hoe 93 grama isanolona sy isaky ny misakafo, satria mihoatra ny ampahatelon'ny sakafo amina fanasàna lehibe no tsy nohanina akory. Etsy andaniny, ny fihinanana hena isam-batanolona dia nitombo be hatramin'ny 1970, niainga tamin'ny 10kg/olona isantaona ka tonga ho 70 kg tamin'ny 2022. Ny vokadratsin'io fanarinariana fahatàny ny sakafo io dia vao mainka betsaka satria ny fiantraika ara-tontolo iainan'ny hena dia betsaka lavitra noho ny an'ireo sakafo novokarina avy amin'ny zavamaniry.
Tsy tranga manjo ireo trano fisakafoanana irery io. Ny fakon-tsakafo avy any an-tokantrano no manome ny 61 % amin'ireo 931 taonina isantaona, arahan'ny an'ireo toeram-pivarotana mpaninjara, ny an'ireo indostria mpanome tolotra ara-tsakafo.
Ireny fironana ireny dia manaporofo ny filàna maika ny fiatrehana ny olan'ny fanarinariana fahatàny ny sakafo.
Fanentanana « Tapero ny eo an-diovianao »
Tamin'ny 2012 no sambany noresahan'ny vahoaka shinoa ny fanamby maharitry ny sakafo, rehefa nivononan'ny vahoaka shinoa ny hiresaka fiovàna ara-tsôsialy, ary talohan'ny nanamafisan'ny governemanta ireo fameperana ny fahalalahana maneho hevitra. Ny 22 Aprily 2012, nandritra ny Andron'ny Tany, i Xu Zhijun mpiaro tontolo iainana sy mpikambana hafa avy amina vondrona sivily (N_33), dia nanomboka namoaka ranty tao amin'ny Weibo ny sarin'ireo lovian-dry zareo efa foana mba handrisihana ny vahoaka hihetsika hanohitra ny fanarinarina fahatàny ny sakafo. Taty aoriana, ny antso nalefan-dry zareo tety anaty aterineto dia nivadika ho fanentanana nasiônaly nomena anarana hoe « Tapero ny eo an-dovianareo », izay naparitak'ireo fampahalalambaovao fatratra, isan'ireny ny Poeple's Daily, gazety vatsian'ny fanjakana shinoa vola.
Tamin'ny 2013, nihanalaza sy nihamafy io hetsika io, indrindra fa teny anivon'ireo tanora izay hatry ny ela no efa tsy nahazo aina vokatry ny fihoarana tafahoatran'ny kolontsaina ara-tsakafon'ny Shinoa. Tsikelikely, io hetsika ifotony io dia nisy fiantraikany tamin'ny sehatry ny indostrian'ny tolotra sakafo, nanosika ireo trano fisakafoanana handroso safidy kely kokoa sy hanome harona afaka hitondrana hody ny sisa tsy lany. Ilay fanentanana dia nahafahana ihany koa nandrindra fomba fisakafoanana voasaina kokoa (tomponandraikitra kokoa): manafatra sakafo vitsy kokoa ary tsy mividy hafa raha tsy ilaina. Misy soatoavina sôsialy vaovao nahazo faka araka izany rehefa nandeha ny fotoana : lasa toa mahamenatra ankehitriny ny mamela sisa, ary fihetsika iray maneho fandraisana andraikitra ny fandaniana ny eo an-dovia, mendri-pideràna mihitsy aza.
Vahaolana araka ny lalàna mba hiadiana amin'ny fanimbàna fahatàny
Nandray fepetra ihany koa ny governemanta shinoa mba hiatrehana ireo fanamby mifandraika amin'ny faharetana, amin'ny fametrahana izany ho toy ny olan'ny fiahiana ara-tsakafo. Tamin'ny 2021, nankatoavina ny lalàna manohitra ny fanimbàna fahatàny ny sakafo, nanamarika dingana iray manandanja amin'ny firosoana avy amin'ny fitondrantena ho any amin'ny fitantanana araka ny lalàna hiatrehana ny loto ara-tsakafo.
Araka ny lalàna, mety hiharan'ny sazy ara-bola ireo trano fisakafoanana sy ireo mpamorona votoaty momba ny sakafo raha manafatra be loatra na mandrisika ny fanjifàna tafahoatra. Takiana amin'ireo mpivarotra ny fampitandremana ny mpanjifa tsy hanimba fahatàny ny sakafo, raha ireo sehatry ny media kosa mety ho voasazy noho ny fampiantranoana lahatsary manindrahindra ny fanjifàna tafahoatra.
Fotoana fohy taorian'ny nankatoavana ilay lalàna manohitra ny fanimbàna fahatàny ny sakafo, ilay fanentanana “Tapero ny eo an-dovianao” notarihan'ireo fikambanana sivily, dia naverina noraisin'ny China Guanghua Technology Foundation, orina iray ao anivon'ny Ligin'ny Tanora Kaominista ao Shina, mba hampianarana ny olona hàka ny kolontsaina fisakafoanana maharitra kokoa. Teo anelanelan'ny 2022 sy 2023, ho an'ilay fanentanana dia tsy tapaka nitondra ny fanohanany ireo tambajotra sôsialy.
Na izany aza, mampametra-panontaniana ny fahombiazan'ny hetsika ambany fitarihan'ny fanjakana. Araka ny notsipihan'ireo mpikaroka, koa satria ny lalàna manohitra ny fanimbàna fahatàny ny sakafo no tena mandrindra ireo hetsika mifandraika amin'ny resaka fampiroboroboana ara-barotra sy ny fikarakaràna sakafo, rehefa tonga amin'ny fotoana hihinanana azy ny sakafo dia arahany maso sy saziany handoa onitra noho ny famitàhana mpanjifa na fandrisihana ny fanimbàna fahatàny ireo sehatry ny fikarakaràna sakafo sy ireo mpampahalàla vaovao, raha tokony hoe hiady amin'ny fanimbàna sakafo dieny amperin'ny famokarana no ataony.
Amin'io lafiny io, lasa lasibatra voalohan'ilay lalàna ireo « mukbangs » (manam-piaviana koreàna), trangan-javatra iray amin'ny aterineto ahitàna famoahana lahatsarin'olona misakafo.
Manjifa sakafo betsaka ireo mpampiantrano ny mukbangs no sady mifampiresaka amin'ireo mpanaraka an-dry zareo mandritra ny fandefasana mivantana. Tena malaza ao Azia io karazana lahatsary io, isan'izany ny ao Shina, ary mahasarika an-tapitrisa amin'ny mpampiasa aterineto ho amin'ny fialamboly sy fanomezana fahafahampo ny faniriana fatratra mba hihinana.
Volana maro talohan'ny nampiharana ilay lalàna, ireo shinoa manampahefana dia nandefa fampitandremana ho an'ireo sehatra medià sôsialy mba hamafa izay rehetra votoaty mandray anjara amin'ny fanimbàna fahatàny ny sakafo. Amin'izao fotoana izao ireo medià, ireo sehatra ary ireo rehetra tomponandraikitra mpitantana dia mety hiharan'ny onitra 10.000 hatramin'ny 100.000 yans, ( 1 500 hatramin'ny 15.000 dôlara amerikàna) raha misy fandikandalàna henjana.
Vokatr'izany dia nanomboka nanaisotra ireo mukbangs tsy ho eo amin'ny sehatr'izy ireo ny tambajotra sôsialy. Nisy ireo mpamorona namàfa ny votoaty avy aminy, na nitodika nankany amina lohahevitra hafa momba ny sakafo toy ny fanehoankevitra momba ireo trano fisakafoanana, na taridalana momba ny hainahandro. Ny hafa namindra ny votoatin-dry zareo ho any amin'ireo sehatra tsy takatry ny fifehezan'ny lalàna shinoa, toy ny YouTube, mba hamerenana indray mampiakatra ireo dika ao an-toerana ka hialàna amin'ireo fepetra. Ny sasany mbola manohy ihany manandrana mitsapa ireo fetran'ny fanimbàna fahatàny ny sakafo amin'ny alàlan'ny fampakarana lahatsary mivantana rehefa tonga ny sasakalina, amin'ny fandaniana ny sakafon-dry zareo manontolo sy amin'ny fanatsofohana hafatra iray fampitandremana.

Ao amin'ny Douyin (dika mitovy amin'ny TikTok shinoa), misy hafatra iray mipoitra rehefa manao fikarohana ny hoe mikbangs ireo mpampiasa aterineto : « Ankafizo ny sakafo. Tohero ny fanimbàna fahatany. Sakafo iray voalanja tsara. Fiainana iray ara-pahasalamana. ». Pikantsary. Fampiasàna ara-drariny.
Fanimbàna fahatàny ny sakafo dieny mbola any amin'ny dingan'ny famokarana anatin'ny rojom-pamatsiana
Amin'izao fotoana izao, tsy hoe fotsiny olana ara-kolontsaina ny fanimbàna fahatàny ny sakafo ao Shina, izay efa taompolo iray mahery no niresahana azy tamin'ny alàlan'ny fanentanana « Tapero ny eo an-dovianao » sy ny lalàna iray miady amin'ny fanimbàna fahatàny ny sakafo. Araka ny asongadin'ireo mpahay fiarahamonina sy toekarena, ny fanamby atrehan'i Shina amin'ny resaka faharetana dia mifamatotra akaiky amin'ny dingan'ny famokarana anatin'ny rojom-pamatsiana, fa tsy eny anivon'ny mpanjifa akory.
Araka ireo tombana tamin'ny 2022, taorian'ny fijinjàna dia teo anelanelan'ny 289 sy 368 tapitrisa taonina isantaona ny fatiantoka ara-tsakafo tao Shina, raha toa ny fanimbàna fahatany teny anivon'ny mpanjifa kosa teo anelanelan'ny 27 sy 35 tapitrisa taonina, amin'ny taham-pahasimbàna 5 %. Ny olan'ny fahafahana mamokatra tafahoatra eo amin'ny sehatry ny fambolena voly fihinana no azo inoana ho anton'izany.
Tamin'ny taona lasa, mba hamahàna ny olan'ny famokarana be loatra, manomboka izao ka hatramin'ny 2027, dia namoaka drafitr'asa ny filankevitra shinoa misahana ny fandraharahàna, natao mba hampihenàna ny taham-pahasimbàn'ny voamadinika sy ny sakafo mandritra ny famokarana azy ireny, ny fitahirizana azy, ny fitaterana ary ny fanodinana, mba ho ambany noho ny salanisa iraisampirenena.







1 hevitra
Nice write