MIVANTANA amin'ny 10 Septambra: Mamolavola firaisankina — Mihaino an'i Palestine

A poster for an online panel discussion about solidarity with Palestine. The image echoes a keffieyh patterns and uses the colours of the Palestinian flag in bands to hold time, moderator and language information

Sary avy amin'i Ameya Nagarajan ho an'ny Global Voices ao amin'ny Canva Pro

Mampanahy anao (ny mahazo an'i) Palestina! Manana ny lanjany ho an'ny olona rehetra manokan-tena ho amin'ny zon'olombelona, ​​manolo-tena hanohana olona tsy manana zom-pirenena, ary mampiasa vola amin'ny multilateralisme izany. Mba ahafahana mampisy dikany kokoa ny fomba ijoroantsika ho firaisankina amin'ny vahoaka Palestiniana sy andraisana anjara matanjaka sy mahomby kokoa ho setrin'ny fandringanana ao Gaza, dia tsy maintsy atombotsika amin'ny fihainoana an'i Palestina izany. Miaraha aminay amin'ny Global Voices Insights amin'ny teny Arabo sy Anglisy mba hiresahana momba ny dikan'ny tsy fananan-jompirenena sy ny fananana, ny firaisankina sy ny fifaharana, amin'ireo iainan'ny Palestiniana.

Miaraha aminay ao amin'ny Zoom ny Alarobia 10 Septambra 2025 amin'ny 3:00 hariva ora Palestina / 8:00 maraina EST ho an'ity dinika ity ahitana:

Lubnah Shomali, mpikatroka Palestiniana, manana mari-pahaizana licence momba ny biolojia molekiolera sy Master of Business Administration avy amin'ny Oniversiten'i Michigan. Niara-niasa tamin'ny BADIL izy hatramin'ny taona 2012 ary tompon'andraikitra amin'ny fifandraisana amin'ireo mpamatsy vola, ny fampivoarana ny vatsy, ary ny fiarovana ara-pitsarana sy iraisam-pirenena.

Salah Hammouri : mpisolovava frantsay-Palestiniana, mpiaro ny zon'olombelona, ​​gadra politika folo taona tany am-ponja Israeliana taloha ary natao sesitany an-keriny tany Frantsa tamin'ny taona 2022.

Notazonina kosa ny torohay momba ny mpandahateny fahatelo noho ny antony fiarovana.

Areej al-Khalifa, manam-pahaizana, mpikaroka, ary mpisolovava eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena no handrindra ny fotoam-pivoriana izay mampifandray ireo mpampianatra ambony, mpikarakara ny vondrom-piarahamonina ary ireo mpisolovava iraisampirenena. Mpikambana ao amin'ny Interim Core Group izay manome taridalana sy torohevitra stratejika ao amin'ny Hetsika Manerantany Manohitra ny Tsi-fisiam-Panjakana izy.

MISORATA ANARANA ETO.

Miandry anao izahay hanatevin-daharana amin'ny Alarobia 10 Septambra 2025 amin’ny 3:00 tolakandro eto Madagasikara (tsindrio eto raha hiova ho any amin’ny faritry ny ora eo an-toerana).

Hetsika anjotra maharitra adiny 1 karakarain'ny Institute on Statelessness and Inclusion, ao anatin'ny hetsika Standing with Palestine [Miara-dia amin'i Palestina].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.