Mpahay lalàna Thailandey mpikatroka higadra mihoatra ny 29 taona noho ny ‘Fanompàna ny Mpanjaka’

Anon Nampa

Mpanao hetsi-panoherana iray (afovoany) nijoro teo anoloan'ny Fitsarana Ady Heloka Bevava tamin'ny 8 Jolay 2025, mitana ny sarin'i Anon Nampa (Sary avy amin'i Ginger Cat). Loharano: Prachatai, mpiara-miombon'antoka amin'ny Global Voices

Lahatsoratra navoakan'ny Prachatai, tranonkalam-baovao tsy miankina iray ao Thailandy. Navoakan'ny Global Voices indray ny dika nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Voaheloka higadra 2 taona sy 4 volana i Anon Nampa, mpahay lalàna mpandala ny zon'olombelona sady mpikatroka, fa voampanga ho manala baraka ny mpanjaka sy manao fiokoana, ka manambatra ny famonjana azy ho 29 taona sy 1 volana.

Nampangaina izy ho nanala baraka ny mpanjaka, nioko, nandray anjara tamin'ny famoriam-bahoaka maherin'ny 10, ary nanakorontana ny fandriampahalemana sy nanitsakitsaka ny didim-panjakana momba ny hamehana, ny Lalànan'ny areti-mifindra, ary ny Lalànan'ny famoriam-bahoaka noho ny fandraisana anjara tamin'ny fihetsiketsehan‘ny 17 Novambra 2020, teo anoloan'ny parlemanta hitaky ny fanitsiana ny lalàmpanorenana.

Nitatitra ny Thai Lawyers for Human Rights (TLHR) fa nomelohin'ny fitsarana ho nanala baraka ny mpanjaka i Anon satria heverin'ny fitsarana fa ny fitsidihan'ny Mpanjaka Vajiralongkorn an'i Udon Thani, izay niarahabany ireo mpanohana azy, sy ny selfie nataon'ny Printsesy Sirivannavari tamin'ny vahoaka no tiany lazaina tamin'ny selfie sy fihetsika ary fiteny nataony. Na dia tsy nanonona ny anaran'ny Mpanjaka sy ny andriambavy aza i Anon, dia nilaza ny Fitsarana fa fanalam-baraka ny teny nataony satria heverin'ny fitsarana ho niantso ireo mpitondra ireo ho fôsika (sandoka) izy. Tsy ara-dalàna ao Thailandy ny “manala baraka, manompa, na mandrahona” ny fianakavian'ny mpanjaka Thai araka ny lalànan'ny Lèse-majesté efa niteraka ady hevitra.

Nomarihin’ny fitsarana ihany koa fa matetika i Anon no naneho ny tsy fitoviany hevitra amin’ny fitondram-panjaka. Na dia nilaza aza ny tenany fa tsy te-hanongana ny fitondram-panjaka amin’ny fanakianana azy, saingy tiany hiara-dalana amin’ny demôkrasia sy ny fahamendrehana io, dia nolazain'ny fitsarana fa tokony hitady fomba hafa kokoa mety amin’izany izy.

Voaheloka higadra 2 taona sy 4 volana ilay mpahay lalàna mpandala ny zon'olombelona sady mpikatroka, Anon Nampa, noho ny fiampangana azy ho nanala baraka ny mpanjaka sy ny fiokoana.

Folo ny raharaha nanamelohana azy ho manala baraka, iray tamin'ny fiokoana, iray tamin'ny fanitsakitsahana ny Didim-panjakana hamehana ary iray tamin'ny fanivaivana ny fitsarana.

Niatrika fiampangana mitovy amin'izany ihany koa ilay mpikatroka Parit Chiwarak. Na izany aza, tsy meloka tamin'ny fanalam-baraka mpanjaka izy satria nanakiana ny tranoben'ny parlemanta sy ny endriny no nataony, na dia nanaovany fanoharana momba ny firafitry ny fiarahamonina sy ny fitondram-panjaka aza.

Tsy nomelohin'ny fitsarana i Anon sy Parit tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fivoriam-be ka niteraka fanohintohinana ny filaminana sy ny fanitsakitsahana ny didim-panjakana momba ny hamehana, ny lalànan'ny areti-mifindra ary ny Lalànan'ny famoriam-bahoaka satria natao teny an-kalamanjana ny fihetsiketsehana ary efa lany andro ny fepetra mifehy ny valan'aretina COVID-19. Tsy afaka nanaporofo ny fampanoavana nikarakara hetsi-panoherana ry zareo, ka dia tsy tompon'andraikitra amin'ny fampahafantarana amin'ny manampahefana ny fihetsiketsehana na manao izay itandroana ny filaminana. Tsy midika fa mpikarakara ny fizarana ranty Facebook milaza ny fihetsiketsehana.

Namoaka didy ny fitsarana fa nilamina ny fihetsiketsehana, ary voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna iraisampirenena ny zo hanao fihetsiketsehana, ka tsy azon'ny polisy ferana. Niteny tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana koa i Anon sy i Parit  mba hilamina fa tsy nandrisika fikorontanana. Nomarihin’ny fitsarana ihany koa fa mpanao fihetsiketsehana manohana ny demôkrasia ny ankamaroan’ireo naratra vokatry ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny tafondron-drano, ka tsy avy amin-dry zareo ny herisetra. Tsy nandrahona ny Parlemanta handany volavolan-dalàna fanitsiana lalàm-panorenana ihany koa i Anon sy Parit nandritra ny lahateniny.

Nomelohin'ny fitsarana ho nanao fikomiana kosa, na izany aza, i Anon sy Parit satria nanambara ny fiafaran'ny fihetsiketsehana ry zareo ary niantso hanaovana fihetsiketsehana hafa nindray y ampitson'iny tao amin'ny foiben'ny polisy.

Voasazy telo taona an-tranomaizina ho nanala baraka mpanjaka i Anon, nahena ho 2 taona izany noho ny nanomezan'ny vavolombelona torohay tena ilaina. Voaheloka higadra 6 volana noho ny fikomiana izy, nahena ho efa-bolana noho io antony io ihany, ka roa taona sy efa-bolana ny fitambaran’ny saziny an-tranomaizina amin’ity raharaha ity.

Hatramin'izao fotoana izao, raharaha 10 momba ny fanalam-baraka mpanjaka, iray momba ny fikomiana, iray momba ny fanitsakitsahana ny didy hitsivolana, ary iray momba ny fanivaivàna ny fitsarana no raharaha anamelohana an'i Anon. Ny didim-pitsarana farany no manambatra ny saziny an-tranomaizina noho ny fikatrohany ho 26 taona, 37 volana ary 20 andro, na eo ho eo amin'ny 29 taona sy 1 volana eo. Efa hatramin'ny 26 septambra 2023 no nitanana [mg] am-ponja vonjimaika azy ao amin'ny fonjan'i Bangkok miandry ny fampakarana ny raharaha.

I Parit kosa voaheloka higadra enim-bolana noho ny fikomiana, ary nahena ho efa-bolana izany tatỳ aoriana.

Nifanontona tamin'ny fivoriana parlemantera manokana ny fihetsiketsehan'ny 17 Novambra, izay niresahan'ireo loholona sy solombavambahoaka ny tolo-kevitra fito ho fanitsiana ny lalàmpanorenana, anisan'izany ilay antsoina hoe “volavolam-bahoaka”, naroson'ny iLaw, FTMF-ONG kiadin'ny raharaham-pitsarana, ary notohanan'ny mpifidy miisa 98.041. Tsy nisy lany ny volavolan-dalàna.

Nisedra sakana sy polisy misahana ny rotaka ny fihetsiketsehana. Nirefodrefotra tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana nibodo ny sampanan-dalana Samsen sy Kiak Kai ny baomba mandatsa-dranomaso sy ny rano nifangaro akora simika mampangidihidy avy amin'ny tafondron-drano. Nisy ny tatitra fa nihoatra ny impolo no niara-narefotra tamin'ny mpanao fihetsiketsehana ny baomba mandatsa-dranomaso, amin'ny endrika kapoaka na avy amin'ny tafondron-drano, ary nisy koa ny fifandonana teo amin'ireo mpanao fihetsiketsehana mpomba ny fitondram-panjaka sy ireo mpiambina ny fihetsiketsehana mpomba ny demôkrasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.