
Sarin'ny Hoplosternum littorale (cascadu) tao amin'ny Canva Pro.
Tamin'ny 25 Aprily 2025 ity lahatsoratra nosoratan'i Jenissa Lawrence ity, ampahany amin'ny andiany fahatelo ao anatin'ny Tetikasa Fanaovan-gazetin'ny Tanoran'ny Cari-Bois, no nivoaka voalohany tao anatin'ny Cari-Bois Environmental News Network. Dika iray nasiana fanovàna no averin'ny Global Voices avoaka etoana ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
Misy angano iray avy ao an-toerana momba ny cascadu nifandovan'ny taranaka: raha mihinana io trondron-dranomamy be nofony io ianao dia ho tavela ao Trinidad. Kanefa, miaraka amin'ny fihenan'ny isan'ireo cascadu ao an-toerana, vitsy izao ny olona mety hanana izay antoka izay.
Ny Taridalana an-tambajotra momba ireo biby ao Trinidad & Tobago navoakan'ny University of the West Indies (UWI) dia mamaritra ny cascadu ho manana “vatana mirakotra fiarovana mafy ahitàna kirany taolana milahatra lavabe, mipetraka milamina tsara amin'ny valahany, mifampiditra tsirairay mba hiantohana ny fiarovana […], avy amin'izany koa no nanomezana ilay anarana hoe trondro-saka mirongo fiarovana.”
Na dia karazan'ireo trondro-saka tokoa aza izy io, “manana loha mitalesaka sy volombava mitsilotsilo roa andaniny sy ankilany mivoaka avy ao ambanin'ny saokany,” anarany ara-tsiantifika ny hoe Hoplosternum littorale ary teratany avy ao Trinidad sy ireo ao Amerika trôpikaly izy. Mazàna hita amin'ireo ranomamy misy fotaka ao amin'ny faritra atsimo sy afovoan'ilay firenena, ilay karazany mpivoaka alina dia miloko volontsôkôlà matroka ary mety ho mainty manontolo, izay manampy azy hiafina rehefa misy mihaza.
Kanefa, tsy ireo biby mpiremby voajanahary sy ny jono no antony voalohany amin'ny fihenan'ny isan'ireo cascadu. Taona efatra lasa izao, ny Aogositra 2021, nitatitra ny Trinidad & Tobago Newsday fa ny fiovàn'ny toetrandro dia misy fiantraikany ratsy amin'ny fitomboan'ireo karazana ireo. Ilay ekôlôjista mpahay ny atirano, Ryan S. Mohammed, dia nanazava fa rehefa mivady ny trondro amin'ny fanombohan'ny vanintaona manorana ao Trinidad, izay raha ny nahazatra dia eo anelanelan'ny Jona sy Desambra, dia manamboatra akany mitsingevana ny lahy mba hametrahan'ny vavy ny atodiny. Ny anton'io dia satria mazàna no ambany loatra ny fatra oksizena levona ao anatin'ny làlandrano onenan-dry zareo.
“Koa satria ny oksizena dia tena fototry ny fahaveloman'ny atody”, hoy izy nanampy, “ilay akany fanatodizana mitsingevana dia fifangaroana rivotra, mucus ary zavamaniry vitsivitsy. Mijanona ety ambony saingy anaty rano ahazoany ôksizena ampy azy tsara ireo atody. Kanefa arovan'ilay akany izy ireo tsy ho tratry ny hafanana ambony be sy ny taramasoandro mivantana hita eo ambonin'ny rano.”
Satria ny fampitomboan-taranaka mahomby dia miankina amin'ny fanavahana mazava tsara ny vanintaona maina sy manorana, ireo fiovàna vao haingana sy tsy nampoizina tamin'ny toetrandro teo an-toerana dia manampy amin'ny fihenan'ny isan'ireo cascadu.
Mba hamoahanay lahatsoratra bebe kokoa tahaka izao, tohano ny Global Voices
Tanaty antsafa an-telefaona tamin'ny 10 Aprily 2025, nambaran'i Nirmal Ramoutar, mpiompy cascadu ao an-toerana, fa ny fiovàn'ny maripàna koa dia misy fiantraikany ratsy amin'ireo cascadu, izay anaty rano mangatsiatsiaka no miroborobo. Fomba roa no ahafahan'ilay trondro mifoka rivotra — tsy maintsy miakatra tsindraindray maka rivotra izy — saingy rehefa avo loatra ny maripàna, dia tsy miakatra ambony ry zareo.
Zavadehibe koa ho an'ny fahaveloman'ireo atody ny ôksizena. Raha miainga avy amin'ny fandinihan'i Ramoutar, na ny cascadu lahy na ny vavy dia samy manorina ilay akany, ny tampony dia vita amin'ny bozaka na mololo. Ny ambany indray — satria mitahiry ôksizena — dia toy ny roatran-tsavony. Nahamarika izy fa efa ho vavy miisa 15 no manatody amina akany iray; rehefa avy manatody, anefa, dia ny lahy irery no mijanona mikarakara ireo atody an'arivony maro.
Lahatsoratra iray tamin'ny 2021 tao anatin'ny Trinidad & Tobago Express, nosoratan'ilay mpahay tontolo iainana, Heather-Dawn Herrera, no nanamarika ny fitontonganan'ny isan'ireo cascadu, tsy vokatry ny fiovàn'ny toetrandro ihany fa koa noho ny nataon'olombelona, toy ny fitsihan'ny simika avy amin'ny fambolena. Na eo aza ireny fiantraikany ratsy samihafa ireny, mbola manantena i Ramoutar hoe afaka hameno ny banga ho an'ireo mponina ao aminy ny fiompiana trondro anaty dobo, izay manome azy ireo ny tontolo sahaza azy hiroboroboany.
Anatin'ny ezaka hanalefahana ny fiantraikan'ny maripàna ambony kokoa, mamboly lisy sy tsinkafonkafon-drano i Ramoutar mba hanampiana amin'ny fampangatsiatsiahana ny rano. Na izany aza, tsy maintsy ataony koa izay tsy handrakofan'ireny zavamaniry ireny ny ambonin'ny dobo ka hanakana ireo cascadu hiakatra haka ôksizena.
Iray hafa fiantraikan'ny olan'ny toetrandro ny hoe niaina tsy fahampiana rotsak'orana goavana i Tobago, izay ambaran'i Ramoutar fa nisy fiantraikany ihany koa tamin'ireo cascadu. Ny tondradrano, ohatra, dia mety hifaoka ireo akany, hanelingelina ny fahafahan'ireo trondro hiakatra haka rivotra sy hampihena ny fatra ôksizena ao anaty rano, mahasarotra kokoa ny fisefoana ho azy ireo.
Raha tsy voafehy ireny fiantraikany ratsy manimba ireny, mety hitondra ho any amin'ny faharingànan'io trondron-dranomamy tsy manam-paharoa io sy, raha hitarina, any amin'ny fanjavonan'ny endrika iray amin'ny lova ara-kolontsaina manankarenan'ilay firenena. Saingy, amin'ny alàlan'ny fiarovana ny toerana fonenany, fanarahamaso ny kalitaon'ny rano, ary ny fampiroboroboana fomba fanao maharitra, afaka ny hitohy hisitraka cascadu ireo andian-taranaka hoavy ary manohy mampiaina ny anganony.






