
Ny anoloan'ny sambo Gaza Freedom Flotilla mampiseho fahasimbana fotodrafitrasa goavana taorian'ny fanafihan'ny drôna. Sary avy amin'ny Wikipedia. CC BY-SA 4.0.
Ny maraimben'ny 2 Mey 2025, nodarohan'ny drôna tany amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena akaikin'i Malta ny sambo the Conscience mpanao fanampiana maha-olona tantanin'ny Freedom Flotilla Coalition. Niteraka fahasimbana lehibe ny fanafihana, niteraka afo, ary tsy nahafahan'ny sambo nihetsika, izay niainga avy any Tonizia ho any Gaza hanatitra ireo entana ilaina sy hanoherana ny fahirano an'i Israely.
Nizara fanambaràna tao amin'ny media sosialy ny vondrona:
BREAKING: At 00:23 Maltese time, a #FreedomFlotilla ship was subjected to a drone attack. The front of the vessel was targeted twice, resulting in a fire and a breach in the hull. The ship is currently located in international waters near #Malta. An #SOS distress signal was sent. pic.twitter.com/J6oEQafuOb
— Freedom Flotilla Coalition (@GazaFFlotilla) May 2, 2025
VAOVAO MAFANA: Tamin'ny 00:23 ora Malta, niharan'ny fanafihana drôna ny sambo #FreedomFlotilla. Indroa voatifitra ny eo anoloan’ilay sambo, ka nirehitra sy vaky ny vatany. Any amin'ny fari-dranomasina iraisampirenena akaikin'i #Malta no misy ilay sambo amin'izao fotoana izao. Nalefa ny anjomara antso vonjy #SOS#SOS.
Voasoratra ambany faneva Palau ilay sambo, izay handeha ho any Gaza hanatitra sakafo sy kojakoja ara-pitsaboana ary nitondra mpikatroka fandriampahalemana iraisam-pirenena 30, anisan'izany ilay mpikatroka momba ny toetrandro Greta Thunberg.
“Ohatra iray hafa amin'ny fomba tsy fanajana ny lalàna iraisampirenena sy ny zon'olombelona izao. Hetsika fampihorohoroana ny manafika asam-pamonjena maha-olona tahaka izao,” hoy i Thunberg tao amin'ny media sosialy. Niampanga ny manampahefan'i Malta ho nanakana ireo mpilatsaka an-tsitrapo tsy ho tonga tao an-tsambo sy nanakana azy tsy hamonjy fitodiana hanamboarana sy hitsaboana olona efatra naratra ihany koa ny andian-tsambo fahafahana.
“Mijery mivantana anjotra ny fandripahana olona ao Gaza izahay izao, izay olona 2 tapitrisa no niniana ho mosarena,” hoy i Thunberg nanampy.
View this post on Instagram
Nolavin‘i Malta ny fiampangana ary nolazainy fa ny mpiasan'ny sambo no tsy namela ny manampahefana hisava sy hanampy. Nilaza ny praiminisitra Robert Abela fa vonona ny hanamora ny fanamboarana i Malta rehefa voamarina fa maha-olombelona ihany ny entana, ary manamafy ny fiarovam-pirenena.
Tsy vao voalohany
Mampahatsiahy ireo fanafihana nataon'ny Israeliana tamin'ireo sambo mpitondra fanampiana nihazo an'i Gaza ilay zava-nitranga, anisan'izany ny nahafatesana olona tamin'ny taona 2010 rehefa nandrohy ny Mavi Marmara ny kômandô Israeliana, namono olona sivy tao anaty sambo ary nandratra olona maro hafa, anisan'izany ny iray izay maty noho ny ratra taty aoriana.
Anisan'ny andian-tsambo mitatitra fanampiana maha-olona ho any amin'ny Lemak'i Gaza natao fahirano ilay sambo. “Tantara lehibe izany, maherin'ny 600 ireo mpikatroka maha-olona, mpanao politika ary dokotera avy amin'ny firenena 40 samy hafa no niaraka tao amin'ity andian-tsambo ity hanatitra zavatra toy ny fikotrehana zaza sy fanafody ho an'ny mponin'i Gaza,” hoy ny tsiaron'ny iray tamin'ireo sisam-paty.
Manao izay haha-kere mandrakariva
Rehefa voatafika i Conscience, dia niharatsy ny krizy maha-olona tao Gaza ka nipaka hatrany amin’ilay nofaparitan’ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana ho “mahatsiravina sy apokaliptika”. Nampitandrina ny amin’ny hanoanana ny UNICEF, ka nilaza fa “ankizy maherin’ny 9 000 no nampidirina hotsaboina noho ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika hatramin’ny fiandohan’ny taona.”
Nilaza ny Euro-Mediterranean Human Rights Monitor fa “am-polony no maty noho ny tsi-fanjarian-tsakafo na ny tsy fahampian'ny fitsaboana. Ny tratra farany tamin'izany dia zazakely iray efa-bolana, antsoina hoe Jenan Saleh al-Skafi, izay maty noho ny tsy fahampian-tsakafo mihitsy tao amin'ny hopitaly Al-Rantisi any andrefan'ny tanànan'i Gaza.”
Niantso ireo firenena mpikambana ao amin'ny Fifanarahan'i Genève fahefatra ny fikambanana mba hanatanteraka ny andraikiny araka ny Andininy Iombonana voalohany ary “hihetsika haingana ho fampitsaharana ny fandripahana mitranga ao Gaza.”
Tsikaritry ny iraka mpanamarina ny zava-misy ao amin'ny Firenena Mikambana namotopototra ny amin'ilay fa novonoina ho faty ny enina tamin'ireo olona maty. Rehefa natao ny fizahana ny razana dia fantatra fa dimy no voatifitra teo amin’ny lohany tamin’ny halavirana roa ka hatramin’ny 15 sm.
Notsenain'ny fanginana iraisampirenena sy Arabo ny fanafihana ny Conscience. Nanameloka ny zava-nitranga i Torkia, nilaza fa misy terataniny tao anaty sambo, ary nitaky ny tamberin'andraikitra izy, nangina ny firenena maro hafa, anisan'izany ny Vondrona Eoropeana, na dia teo aza ny fanafihana tanaty fari-dranomasina iraisampirenena.
Tamin'ny 2 May, nitarika fahafatesan'ny Palestiniana 57 farafahakeliny noho ny hanoanana ny sakana Israeliana, satria mivangongo eo amin'ny sisin-tanin'i Ejipta ny kamiao an'arivony nitondra kojakoja tena ilaina.
Mampitombo ny fiampangana tsy fahombiazan’ny fianakaviambe iraisampirenena hanandratra ny lalàna iraisampirenena sy ny fampitsaharana ilay nofaritana ho “hetsika ratsy indrindra manao izay hahamosarena mandrakariva eo amin’ny tantara maoderina” ny fanafihana ny the Conscience, ny fanaovana izay haha-mosarena tsy an-kijanona ny olona, ary ny fanginana sy ny tsy fandraisana andraikitra iraisampirenena.






