“The Other Sahel” (Ilay Sahel Iray Hafa), fanadihadiana iray manome sary hafa anankiray momba ny faritra iray izay mazàna no ahetry ho toy ny “faritra fifandonana”

Eo amin'ny sary, ireo mpanakanto, mpamorona ary mpandraharaha ara-kolontsaina ao Sahel ; pikantsary avy amin'ilay lahatsary fanadihadiana

Sahel, izay mivelatra avy eo amin'ny Atlantika amin'ny morontsiraka andrefan'ny Ranomasina Mena hatrany amin'ny morontsiraka atsinanan'i Afrika, dia mazàna ahetrin'ireo fampahalalambaovao ho faritra iray voamariky ny fifandonana mitam-piadiana sy ny krizy ara-piarovana.

Kanefa, faritra ara-kolontsaina midadasika sy isankarazany koa izy io, izay mbola tsy fantatry ny any ivelan'ny sisintaniny. Misy vondrom-piarahamonin'ireo mpanakanto, mpamorona sy mpandraharaha ara-kolontsaina manandrana ny hanome sary tsara misongadina kokoa sy isankarazany momba ilay faritra, araka ny asehon'ny fanadihadiana iray mitondra lohateny hoe ” The Other Sahel – Faharetan'ireo Mpanakanto ao Mali, Nizera& Burkina Faso” notontosain'i Joël Hevi, Tôgôley mpanao gazety sady mpandraharaha ara-kolontsaina nirotsaka ho amin'ny indostrian'ny famoronana.

Ao anatin'ilay sarimihetsika notontosaina ho ampahany amin'ny  African Union Media Fellowship – Famatsiambolan'ny Fiombonambe Afrikàna natao ho an'ny Fampahalalam-baovao – tantarain'i Joël Hevi ny dingana nodiavin'ireo mpanakanto izay manambatra ny faharetana sy ny fahaizana mamorona mba hiatrehana ireo fanamby any amin'ireo firenena telo ao Sahel:: Mali, Nizera ary Burkina Faso. Nitafàn'ny Global Voices nivantana, hazavain'ilay mpanoratra ireo antony fototry ny fanatontosany ilay tetikasany.

Jean Sovon (JS): Ahoana no nahatonga tao aminao io hevitra hanome tombon-dahiny ny kolontsaina ao Sahel io? 

Joël Hevi (JH): Matetika loatra any anatin'ireo fitantaràna mibahan-toerana i Sahel no ahetry ho sarintanin'ny krizy, fifandonana ary loza voajanahary. Takon'io fanehoana tsotsotra io ny haren'ny tantaran'olombelona mitranga isanandro ao. Ireo mpanakanto sy mpamorona nifampiresahako dia mpanorina, mpitsinjo lavitra mamadika ny teritery ho hirika fanararaotra. Ho ahy, ny fitantaràna ny dingana nizoran-dry zareo dia fanehoana lafiny hafa iray amin'ilay faritra, ka any ny faharetana, ny fahaizana mamorona ary ny dikan'ny hoe vondrom-piarahamonina no milina manosika ny fiovàna lovainjafy.

Ny tanjoko miaraka amin'ny The Other Sahel dia ny hanome feo ireny mpisehatra ireny izay mazàna no ahilikilika, ny hampiseho fa any ambadik'ireo fanamby dia misy santatr'andraikitra mamerina mamamolavola indray ny kolontsaina sy ny fiarahamonina. Amin'ny fanomezana toerana an'ireny tantara ireny, manasa ny mpijery ilay fanadihadiana mba hanaisotra ireo hevi-draikitra sy hijery an'i Sahel ho faritra iray mavitribitrika sy mahay mamorona, izay ny vahoaka mihitsy no mpanoratra ny fitantaràn-dry zareo.

JS: Ahoana no hahatongavan'ny zavakanto ho fitaovana fifandraisana ho an'ireo mpankanto ao Sahel? 

JH: Ireny mpamorona avy ao Mali, Burkina ary Nizera ireny dia mampiasa ny zavakanto ho toy ny fiteny iray iraisana afaka ny hamakivaky sisintany, hampiray ireo vondrom-piarahamonina sy hanangana habaka fifampiresahana ary fanehoana hevitra.

Ankoatra izay, fitaovana mivaingana ihany koa ho an'ny fanovàna ara-tsôsialy ny zavakanto. Manosika ny toekarena eo an-toerana ireo santatr'andraikitra ara-kolontsaina ary manamafy ny firaisankinan'ny vondrom-piarahamonina no sady ahafahan'ireo tanora sy ny vehivavy mahita habaka iray hitondràny ny feony sy ny fahaizany mamorona. Amin'ny alàlan'ireo santatr'andraikitra hitako, ohatra, tao amin'ny habaka Boul Yam ao Ouagadougou, renivohitra pôlitikan'i Burkina Faso, mba hilazàna ny hetaheta sy ny zavamisy iainan'ireo tanora sy ny vahoaka ao an-toerana dia lasa fanoitra iray matanjaka ny zavakanto. Io no ohatra avy amin'ny fetibe Les Récréâtrales, natao tamin'ny 24 Ôktôbra hatramin'ny 2 Nôvambra tao Ouagadougou.

Ho an'ireo mpanakanto, hirika iray iny fetibe iny hanehoany ny fanoherany manoloana ireo krizy.

Vakio: Tao Borkina-Fasô, fetibe iray nameno ny arabe ho fanehoana ny krizy sy ny fiaretana

JS: Amin'ny lafiny inona no ihoaran'ity fanadihadiana ity an'ireo hevi-draikitra hita eny anaty fampahalalam-baovao  iraisampirenena?

JH: Matetika ireo fitantaràna mibahan-toerana no manana fironana hampiseho an'i Sahel fotsiny amin'ny alàlan'ny fijery ny herisetra sy ny fikorontanana. The Other Sahel dia manolotra fijery iray mifanohitra amin'izany, izay manasongadina ny fahavitrihana ara-kolontsaina sy ny fahaizana mamorona ananan'ireo mponina. Hita ao ireo mpanakanto sy mpandraharaha ara-kolontsaina manavao, mandrindra tetikasa iraisana ary mikajy ny lovan-dry zareo na eo aza ny krizy. Asehon'io fanehoana io fa i Sahel dia habaka misy fiainana, haranitan-tsaina ary hirika fanararaotra, lavitra an'ilay sary tokana maneho fahalemena.

Toherin'ilay fanadihadiana ihany koa ny fiheverana milaza hoe tsy afaka ny hiara-honina ny kolontsaina sy ireo fahasahiranana ara-toekarena sy ara-piarovana. Asehony fa ny zavakanto sy ny fandraharahàna dia fitaovana fanoherana, fitompoana indray ary fanovàna ara-tsôsialy. Amin'ny fanomezana feo ireo mpisehatra eny an-toerana, ampifandanjain'ilay sarimihetsika ny fitantaràna iraisampirenena ary asainy ny mpijery mba hijery an'i Sahel ho toy ny faritra iray manankarena talenta, fandraisana andraikitra ary tantaran'olombelona manainga fanahy.

Ao anatin'ilay sarimihetsika (3:56), Zabda, Borkinabe mpanakanto sady mpampiroborobo ny habaka Boul Yam ao Ouagadougou, no milaza ireo Fomba Fanao Ara-javakanto sy Ala Sarona ara-Kolontsaina izay hetsika mivondrona ao anatin'io habaka io.

Ohatra iray hafa amin'ny santatr'andraikitra ny an'i Zerbo Siaka fantatra amin'ny anarana hoe Fasky, mpanakanto mpakasary manasongadina ny tetikasany fampirantiana sary izay isarihany ny sain'ny rehetra ho amin'ireo olana sôsialy sy zo maha-olona, indrindra fa ny an'ny vehivavy.

Vakio: Fasky, mpanakanto ao Borkina Fasô, mampiasa ny saripika ho an'ny fiaretana sy ny fanolorantena ara-tsôsialy

JS : Inona avy ireo sàkana tsy maintsy noresenao tamin'ny fanatontosana ity sarimihetsika fanadihadiana ity?

JH: Te-hitantara Sahel iray hafa aho, ny an'ireo mpanorina, saingy vetivety dia nahatratra ahy ny zavamisy eny an-kianja. Tsapako fa voalohany indrindra, nitaky famakivakiana tsy fandriampahalemana ny fandraketana ilay faharetana, satria ny fivezivezena tamin'ny làlana eny anelanelan'ireo tanàna, raha mba azo natao ihany fahiny, dia lasa tena nampidi-doza.

Ny haavon'ny fahamailoan'ireo manampahefana koa dia niteraka endrika fanivànana ankolaka. Niainako ny fandàvana sy ny fisalasalàna avy amina mpanakanto roa samy manana ny niaviany tena tsy nahazatra. Nitaky ny fahazoana ny fitokisan'ireo olona nitafàna ny antsafa natao, mba hisokatra tsy amin-tahotra ry zareo. Tamin'ny tranga sasany, nila niantehitra tamin'ireo namana mpanao gazety mba hanatrarana ireo feo tena izy marina.
Mahagaga anefa fa manamafy ny hafatra entin'ilay sarimihetsika ireny fahasarotana ireny. Porofoin'izy ireny fa ny fahaizana mamorona sy ny faharetana dia hery mitoetra maharitra na dia anatin'ny toejavatra sarotra indrindra aza.

JS: Inona no tena hafatra fototra tokony horaisin'ireo mpijery anao?

JH: Ny ivon'ny hafatra dia ny hoe mifàka lalina ao anatin'ireo fiarahamonina ao Sahel ny faharetana sy ny fahaizana mamorona. Ny tetikasa ara-javakanto tsirairay, ny hetsika ara-kolontsaina tsirairay dia valinkafatra mivantana amin'ireo fanamby isanandro ary asa fanovàna ara-tsôsialy. Tokony ho tsapan'ireo mpijery fa i Sahel, ankoatra ireo krizy lalovany, dia ilay Sahel rafetin'ny vahoakany amin'ny herimpony, ny nofinofiny ary ny firaisankinany.

Antenaiko ihany koa ny olona mba hahatsiahy ny maha-zavadehibe ny fanomezana feo ireo mpisehatra ao an-toerana ary hanome lanja ny santatr'andraikitra avy amin-dry zareo. Ao ambadik'ireo fahasarotana, misy tantarana fanantenana sy famoronana mendrika hotantaraina. Ilay fanadihadiana dia mandrisika hijery amin'ny fomba hafa an'i Sahel,  hankalaza ireo feo avy ao aminy, ary hahatakatra hoe ny kolontsaina dia tena fanoitra iray ho an'ny fanovàna, afaka ny hanova ny fiainana sy ny fiarahamonina.

Vakio ny tatitray manokana:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.