Arahin'ny maro maso ny fitsarana ao Torkia amin'ny fiampangana ny Ben'ny Tanànan'i Istambul

Illustration of a blindfolded Lady Justice with a gavel in the background.

Sary asongadina nampiasana singa Canva Pro.

Voamariky ny fiampangana ny ben'ny tanànan'i Istambul, Ekrem İmamoğlu, ny ambaratongam-pahapotehan‘ny fahaleovantena ara-pitsarana sy ny fenitra demaokratika ao Torkia. Satria iray amin'ireo mpanohitra malaza indrindra ao amin'ny firenena i İmamoğlu, dia manasongadina izay antsoin'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho fandrindram-panenjehana ara-politika mialoha ny fifidianana ankapobeny amin'ny taona 2028 ny olana ara-pitsarana mihatra aminy.

Natomboka tamin'ny 20 Janoary ny famotorana an'i İmamoğlu noho ny filazana fa “nandrahona” ny Lehiben'ny Fampanoavana ao Istanbul Akın Gürlek sy ny fianakaviany izy. Mifandraika amin'ny fanehoan-kevitra nataon'i İmamoğlu nandritra ny dinika momba ny lalàna sy ny fampidirana politika ny fitsarana ao Tiorkia ny fiampangana.

Tanaty famoretana mahery vaika noho ny filazana fisian'ny kolikoly sy fampihorohoroana tamin'ny 19 marsa — rehefa ampoizina ho kandidà filoham-pirenena atolotry ny CHP amin'ny fifidianan'ny taona 2028 i İmamoğlu — dia notanana izy ary nampidirina am-ponja avy eo. Nanomboka teo, nihanafana tsy voasakana ny fisamborana sy ny famotorana ireo mpikamban'ny CHP sy ireo mpisehatra sivily hafa, ka tazanin'ny rehetra hoe manao ahoana ny lalana demaokratikan'i Torkia sy ny fanjakana tan-dalàna ao aminy.

Tamin'ny 16 Jolay, nampangain'ny fitsarana i İmamoğlu ho nanevateva sy nandrahona an'i Gürlek, saingy nanafaka azy madiodio (nefa) mampahafantatra azy ampahibemaso fa misy ny fikasana hanao azy ho lasibatra. Voaheloka higadra herintaona sy fito volana ilay ben’ny tanàna malaza. Rehefa nolavin‘ i İmamoğlu ny fiampangana dia andrasana hampiakarany ny raharaha.

Lohalaharana amin'ny fitsarana ireo olo-malaza ara-politika i Gürlek, tsaraina ihany koa ry Selahattin Demirtaş, filoha mpiara-mitantana taloha tao amin'ny Antoko Demokratikam-Bahoaka (HDP); Sırrı Süreyya Önder, lefitry ny HDP antoko efa maty amin'izao fotoana; ary Canan Kaftancıoğlu, filohan'ny Antokom-Bahoaka Repoblikana (CHP), antoko mpanohitra lehibe indrindra izay voaheloka higadra sivy taona sy valo volana noho ny ranty tao amin'ny tambajotra sosialy.

Namoaka didy ihany koa ny mpampanoa lalàna ny handraofana ny fananan'ilay mpanao gazety Can Dündar, izay nambarany ho “nandositra”, ary namoaka didy ho an'i Sebnem Korur-Fincancı, lehiben'ny Fikambanan'ny Tiorka mpitsabo, higadra roa taona sy enimbolana noho ny fiampangana ho “fanaovana propagandim-pikambanana mpampihorohoro”.

Tamin'ny 21 Jolay, nametraka fitarainana tany amin'ny Filankevitry ny mpitsara sy ny mpampanoa lalàna (HSK) ny CHP manoloana an'i Gürlek sy ireo mpampanoa lalàna roa hafa voarohirohy tamin'ny famotorana tao amin'ny Kaominina Metropolitana Istanbul (İBB), izay toa milaza fa politika sady tsy mifanaraka amin'ny mangarahara amin'ny fizotran'ny fitsarana ny sasany tamin'ireo didy navoakan'ny mpitsara taloha. Ao amin'ny fanambaràny ny CHP nanantitrantitra fa niverimberina hatrany ny famotorana amin'ny vesatra mihatra amin'i İmamoğlu sy ireo mpikambana hafa ao amin'ny antoko, ary tsy ny zon'ny tsirairay sy ny fahalalahan'ny tsirairay ihany no voahitsakitsaka fa ny fitsipika fototry ny fanjakana demaokratika fehezin'ny fanjakana tan-dalàna.

Hatramin’ny 21 jolay lasa teo dia ben’ny tanàna miisa 16 farafahakeliny, misolo tena ny CHP, no naato tamin’ny asany noho ny resaka kolikoly. Araka ny tatitry ny Bianet, tafiditra anaty fiampangana ny “fananganana fikambanan-jiolahy”, “kolikoly”, “fakam-bola an-keriny”, ary “fandrobàna tolo-bidy”. Itarafana ireo nampiasaina nandritra ny fanenjehana ireo mpanohitra amin'ny ankapobeny tamin'ny volana marsa ny fiampangana, ary nihatra indrindra izany tamin'ny ben'ny tanànan'i Istanbul. Ampolony ihany koa ireo mpiasan’ny kaominina nosamborina na notanana am-ponja, ary tamin'ny 18 sy 21 jolay lasa teo ny ankamaroany. Anisan’ny fiampangana azy ireo ny fanaovana kolikoly sy fanodinkodinam-bolam-panjakana.

Mandritra izany fotoana izany, tsy mitsahatra ny miatrika fitoriana mutlak butlan (fahavendranana tanteraka) hatrany avy amin'ny mpikambana iray ao amin'ny antoko voalaza fa miara-milahatra amin'ny filohany teo aloha Kemal Kılıçdaroğlu, izay nosoloin'i Özgür Özel tamin'ny Kongresin'ny antoko ara-potoana faha-38 tamin'ny Novambra 2023 ny CHP. Milaza ny ho mety fisian'ny fanitsakitsahana ara-pifidianana sy ny mety ho fividianam-bato ny fitoriana, ka mahatonga fisalasalana amin'ny maha-ara-dalàna ny fitarihan'i Özel.

Nandresy lahatra ny ekipam-pitsaran'i Özel fa tokony hofoanana ny raharaha, amin'ny fanononana fa tapitra ny fe-potoana farany ary efa ny fahefam-pitsaram-pifidianana no misahana ny fivoriamben'ireo antoko fa tsy ny fitsarana sivily (intsony). Raha mandidy ny fitsarana fa tsy manankery ny kongresy 2023, dia mety hiteraka krizim-pitarihana izany, ka manokatra ny lalana hiverenan'i Kılıçdaroğlu. Fa hanafoana ny fanapahan-kevitra rehetra noraisin’ny mpitarika ny antoko hatramin’ny fiafaran’ny kongresy koa ny fanapahan-kevitra toy izany.

Nihaona tao Ankara avokoa tamin'ny 19 Jona ireo filohan'ny faritany 81 ao amin'ny CHP, ary namoaka fanambaràna iraisana tsy hankatoa didim-pitsarana toy izany. Mihevitra ny fitoriana ho toy ny valifaty ara-politika mikendry ny hifehezana indray ny antoko ireo mpanohana an'i Özel ary amin'izay hanaisotra ireo mpifaninana anatiny toa an'i İmamoğlu. Nandritra ny 13 taona nitarihan'i Kılıçdaroğlu, resy hatrany ny antoko isaky ny fifidianana manerana ny firenena, anisan'izany ny fifidianana ankapobeny tamin'ny taona 2023.

Taratry ny fironana mampanahy amin'ny fihemorana ara-demaokratika ao Tiorkia ny fanamelohana an'i İmamoğlu sy ny famoretana manindry ireo ben'ny tanànan'ny fanoherana sy ny fiarahamonim-pirenena. Miroso mankany amin’ny fifidianana taona 2028 ny firenena, lasa fitaovana ny rafi-pitsarana, tsy manilika ireo mpifaninana ara-politika fotsiny fa mandemy ny arofanin‘ny tamberin'andraikitra sy izay tsy mitovy hevitra. Mbola ho hita eo raha afaka mivondrona indray ao anatin'izao savorovoro ara-pitsarana sy ny fivakisana anatiny izao ny mpanohitra — saingy tsy mety hiakatra avo kokoa ny tsatòkan'ny hoavy demaokratikan'i Torkia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.