
Akanjon'ny mpianatra Afghana mihantona amin'ny rindrina, ho fanentanana amin'ny “Miverena an-tsekoly” nataon'ny governemanta Afghana tohanan'ny UNICEF, izay mamerina ankizilahy sy ankizivavy Afghana miisa 1,7 tapitrisa any an-tsekoly. Sary avy amin'i Eskinder Debebe, nahazoana alalana.
Avy amin'i Clarisse Sih sy Bibbi Abruzzini
Tsy zo fotsiny ihany ny fanabeazana ho an'ny zatovovavy sy zazavavy an-tapitrisany maro ao Afghanistan — fa sady fanamby ihany koa. Nofoanana avy hatrany ny fahafahana misitraka fanabeazana hatramin'ny nahazoan'ny Taliban indray ny fahefana tamin'ny taona 2021.
Nifoha tanaty zava-misy vaovao i Afghanistan tamin'ny alahady 15 aogositra 2021. Vehivavy iray nisafidy tsy hitonona anarana no nahatsiaro fa raha nivoaka ny trano izy dia nandre tamin'ny mpivarotra iray fa nifehy an'i Kabul renivohitra ny Taliban. Nihenjana ny rivo-piainana; tahotra sy fisalasalana no hita soritra teny amin'ny endrika rehetra. Nandeha nody haingana tao anaty ahiahy ny olona. Toa nisy fanantenana ny hoavy anefa talohan'ny niverenan'ny Taliban.
“Nigogogogo nitomany aho satria fantatro fa rava daholo ny fanantenako sy ny nofinofiko.” Manoloana ny ahiahin'ny fiainana eo ambany fitondran'ny Taliban, nandray fanapahan-kevitra sarotra ny fianakaviana handao an'i Kaboul ary hifindra any amin'ny tanànakeliny ao Dara-e-Pech, faritanin'i Kunar avaratra atsinanana.
Fanombohan'ny vanim-potoana maizina vaovao
“Taorian'ny nakan'ny Taliban ny fahefana, voahitsakitsaka sy nofoanana ny zon'ny vehivavy sy ny hetsika fanaony rehetra tany Afghanistan”, hoy ny fanazavan'i Hela, mpandray anjara amin'ny Fandaharanasana Leadership novolavolain'ny Afghans for Progressive Thinking (APT).
Fikambanana tsy mitady tombontsoa ny APT, tarihin'ny tanora ao Afganistana izay mavitrika amin’ny famahana ny krizy momba ny zon'olombelona, mifantoka manokana amin'ny zon'ny vehivavy, sady mampiroborobo ny fahafahan’ny zazavavy misitraka fanabeazana amin'ny alalan'ny hetsika famoronana sy fanentanana ihany koa. Hatramin'ny nananganana azy tamin'ny taona 2010, nanohana tanora maherin'ny 60.000 any amin'ny faritany miisa 34 ny hetsika ataon’ny APT, mampiroborobo ny fitantanana ataon’ny tanora, ny fanabeazana ary ny kolontsain'ny fandriampahalemana.
“Tahaka ny aizim-pito mandrakotra efitrano iray izay vaky ny jiro rehetra ao aminy, dia toy izany koa ny fon'ireo tovovavy Afghana tsy tambo isaina, matin'ny famoizam-po sy maniry ny fahazavan'ny fanantenana,” hoy ny vehivavy iray tsy mitonona anarana nandray anjara tamin'ny hetsika APT.
Mandà tsy hamela ny nofinofin’izy ireo ho faty i Ajmal Ramiyar, Tale Mpanatanteraka ao amin’ny APT.
“Indray andro any, tsy hisy olona hoferana noho ny maha-lahy na maha-vavy azy ary tsy hisy zaza hiatrika ny hoavy izay tsy hisitrahany fanabeazana intsony,” hoy izy tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'i Bibbi Abruzzini avy amin'ny tambajotran'ny fiarahamonim-pirenena manerantany Forus.
Tamin’ny alalan’ny zavatra niainany no nahalalan’i Ajmal an’izany hoe nafindra toerana noho ny ady izany. Nanomboka ny tolon'ny androm-piainany ho an'ny fanabeazana rehefa nandositra an'i Afghanistan ny fianakaviany tamin'ny taona 1996 fony nakan’ny Taliban voalohany an’i Afghanistan. Norarana tsy hianatra ny anabaviny tamin'izany.
Amin'izao fotoana izao, amin'ny maha-mpisolovava an-tsesitany azy, dia mbola manohy miady ho an'ireo izay tavela any izy, ary nitarika hetsika isan-karazany izy miaraka amin'ny APT, anisan'izany ny fananganana sekoly fanabeazana fototra ho an'ny ankizy nafindra toerana anatiny sy ny fanombohana ny fandaharan'asan'ny Solontenan'ny Tanora Afghan ao amin'ny Firenena Mikambana.
Iray amin'ireo ahitana mponina mpitsoa-ponenana betsaka indrindra eran-tany ao Afghanistan, izay olona miisa 2,6 tapitrisa no voasoratra anarana maneran-tany ary olona miisa 3,5 tapitrisa fanampiny no nafindra toerana anatiny, nandositra ny tranony mba hitady fiarovana.
Mbola ao anatin'ny krizin’ny maha-olona i Afghanistan taorian'ny fifandonana nandritra ny efapolo taona mahery, ny loza voajanahary, ny fahantrana lalina ary ny tsy fanjarian-tsakafo. Araka ny UNHCR, efa “miha-manakaiky tsikelikely ny fetrany” ny fiaretan’ny mpitsoa-ponenana, ny olona nafindra toerana anatiny, ary ny vondrom-piarahamonina mpampiantrano.
Raha nihena tanteraka ny fiarovana sy ny fahafaha-misitraka hatramin'ny nanjakan'ny Taliban tamin'ny taona 2021, dia heverina hitombo ny isan'ireo voatery nandositra.
Manohitra ny famoretana amin'ny alalan'ny fanabeazana
Hatramin'ny androany, efa mihoatra ny 1.200 andro izay ny zazavavy Afgàna no noraràna tsy hiditra an-tsekoly mihoatra ny kilasy fahenina. Raha nanohy ny fianarana ambaratonga faharoa ny zazalahy Afghana tamin'ny 22 martsa 2025, dia mbola tsy tafiditra ao anatin'izany ny zazavavy raha tsy misy drafitra nambara momba ny fiverenan’izy ireo. Efa ho 400.000 mahery ny tovovavy nesorina tamin'ny zon'izy ireo hianatra ny taona 2025, ka tafakatra 2,2 tapitrisa ny totaliny araka ny nambaran’ny UNICEF.
Taratry ny fitondrana Taliban teo aloha (1996–2001) ity fameperana ity raha voarara ihany koa ny fianaran'ny tovovavy any amin’ny sekoly fanabeazana fototra. Ara-tantara, niadiana hevitra hatrany ny fisitrahan’ny zazavavy fanabeazana, nahitana fihemorana lehibe teo ambany fitondran’i Habibullah Kalakani tamin'ny taona 1929, nandritra ny vanim-potoanan'ny ady Mujahideen (1992–1996), ary teo ambany fahefan’ny Taliban indray nanomboka tamin'ny Aogositra 2021.
Talohan'ny niakaran'ny Taliban voalohany teo amin'ny fitondrana tamin'ny 1996, nahitana rafi-panabeazana somary niraisana tao Afganistana, ka ankizivavy miisa 230.000 no tany an-tsekoly ary vehivavy an'arivony no nanana andraikitra arak’asa sy tamin’ny fampianarana. Nivadika daholo izany fandrosoana izany.
Afganistana amin'izao fotoana izao no mitana ny laharana farany (faha-177) amin'ny Tondro momba ny Vehivavy, Fandriampahalemana ary Fiarovana, manasongadina ny fiantraikan'ny fandrarana fampianarana mbola mitohy. Tsy manaiky ny fandraràn'ny Taliban ny fanabeazana ho an’ny zazavavy i Ajmal sy ny ekipany ao amin'ny APT. Miasa amin'ny fanasongadinana ny “hetahetan'ny zatovovavy” izy ireo ary maneho “ny eritreritr'ireo izay miaina ny politika fanitsakitsahana ny zo eny ifotony amin'izao fotoana izao.”
We had two choices: walk away and let 20 years of progress disappear, or find new ways to support Afghan youth. We chose the latter.
Nanana safidy roa izahay: mandao ary mamela hanjavona ny 20 taona nandrosoana, na mitady fomba vaovao hanohanana ny tanora Afghana. Nisafidy ity farany izahay.
Namolavola fandaharan'asa-pampianarana feno fanavaozana mba hitazonana ny fanabeazana ho velona ny APT, mifantoka amin'ny hetsika e-fianarana hialana amin’ny famerana ny fandehanana any an-tsekoly. Mampifandray ireo tovovavy Afgàna amin'ireo manampahaizana manerantany ny fandaharan'asa-pampianarany an-tserasera ary manome toerana azo antoka ho an'ny zatovovavy hanoratana, hizara tantara, ary hisolo vava ny fanovana sy hamoaka ny lahatsorany sy ny filazana fohy mba hanamafisana ny feony eo amin'ny sehatra iraisampirenena.
Even if they cannot enter a classroom, we will find ways to ensure they continue learning.
Na dia tsy afaka makany any an-dakilasy aza izy ireo dia hahita fomba hiantohana ny fanohizan'izy ireo ny fianarana izahay.

Vondrona vehivavy Afghana, mpitsoam-ponenana teo aloha vao tonga avy any Iran, mivory ao amin'ny tobin'ny mpitsoam-ponenana an'ny Vaomiera Ambony Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR) tany Sari Pul, Afghanistan. Sary: Eric Kanalstein. Nahazoana alalana
Ny herin'ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra: fitaovana hanoherana
Ho an'i Ajmal, mihoatra noho ny mamaky teny sy manoratra ny fahaizana taratasy — fitaovam-piadiana hanoherana ny famoretana izany: “Manome ny olona ny fahaiza-manao handravana ny tsingerin’ny fampahoriana sy hiarovana ny zony ny fahaizana mamaky teny sy manoratra.”
Telo taona taorian'ny nahazoan'ny Taliban indray ny fifehezana an'i Afganistana, ny fandrarana ny fanabeazana ho an'ny zazavavy dia tsy vitan'ny hoe nanala ny zo fototra ananan’ny zatovovavy amin’ny fanabeazana fa niteraka krizin’ny fahasalamana ara-tsaina amin'ny ampahany mampiahiahy ihany koa.
Vao haingana ny APT no nizara ny fitantaran'ny vehivavy tanora Afghana momba voka-dratsin’ny politika famerana ataon'ny Taliban eo amin’ny fahasalamana ara-tsain'ny vehivavy sy ny tovovavy, indrindra amin'ny tolona ataony isan'andro amin'ny ratram-po, tebiteby, fahaketrahana ary eritreritra hamono tena.
Ny 82 isanjaton'ny vehivavy Afghana no nitatitra fa niharatsy ny fahatsapana tebiteby, fitokana-monina, ary fahaketrahana tamin'ity taona ity, tarehimarika izay vao mainka niharatsy rehefa miha-mahazo vahana ny famerana ny vehivavy amin'ny fiainam-bahoaka.
Nisarika ny sain'ny iraisampirenena ny ezaka nataon'i Ajmal, saingy mbola mitohy ny tolona. Mandrisika ny fanohanana maneran-tany ho an'ireo hetsika tarihan'ny Afghana tahaka ny APT izy, izay mila loharanom-bola hanohanana ny asany. Zava-dehibe ny fangatahana vatsim-pianarana mba hiantohana ny fahafahan'ny zazavavy Afgàna mahazo fanabeazana. Manampy amin'ny fanasongadinana ny zava-tsarotra iainan’izy ireo ny fanamafisana ny feon'izy ireo amin'ny fizarana ny tantarany sy ny famoahana ny sanganasany.
Fanampin'izany, dingana tena ilaina amin'ny ady ho an'ny rariny sy ho an’ny zon'olombelona ao Afghanistan ny fitazonana ny governemanta ho tompon'andraikitra sy ny fanerena ireo mpisehatra politika hanohitra ny politika famoretana ataon’ny Taliban.
Protecting the rights of Afghan women is not just Afghanistan’s responsibility — it is a global duty.
Ny fiarovana ny zon'ny vehivavy Afghana dia tsy andraikitr'i Afghanistana irery — fa adidy maneran-tany.
Araka ny tenin'i Sona, mpianatry ny oniversite ao amin'ny tambajotra APT, hoe “Heveriko fa mendrika mihoatra noho izay ananantsika ankehitriny isika.”
Tsy resy ny ady amin'ny rariny eo amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy raha tsy misy ny fanabeazana. Araka ny tenin'i Ajmal hoe:
Afghan women don’t need saving. They need access to opportunities. And when they get them, they will show the world just how powerful they are.
Tsy mila vonjena ny vehivavy Afghana. Mila misitraka ny fahafahana izy ireo. Ary hasehony amin'izao tontolo izao ny heriny rehefa azony izany.
Tamana, Mpandray anjara amin’ny Fandaharanasam-piofanana APT nanampy hoe: “Ny fehezanteny tsara indrindra nanosika ahy foana dia ny hoe: ‘Ny olona rehetra, na inona na inona, raha manakana ny làlanao ka manakana ny fandrosoanao, dia midika izany fa mizotra amin’ny lalana mety ianao. Ary ianao, hanao fandrosoana lehibe ianao raha manohy izany.’ ”
Ity lahatsoratra ity, nosoratan'i Clarisse Sih sy Bibbi Abruzzini, dia anisan'ny fanentanana #AndaoHiarakaAminay — andian-tantara avy amin'ireo mpikatroka momba ny rariny eo amin'ny fitovian'ny lahy sy ny vavy manerana izao tontolo izao.






