Kamerona : ny tambajotra sôsialy, toerana niaingàn'ireo fanetsehana goavana talohan'ny fifidianana izay ho filoha

The Cameroonian flag with likes signifying social media engagement next to it.

Ny sainam-pirenen'i Kamerona arahan'ireo fanamarihana “Tiako”, mariky ny fanolorantenan'ny olompirenena eny anaty tambajotra sôsialy. Sary Canva.

Ny taona 2025, mihoatra lavitra noho ny maha-fitaovana fandraharahàna azy fotsiny ny aterineto. Ao Afrika, ampiasain'ireo tanora ihany koa izy io hanamafisana ny feon-dry zareo sy handraisana anjara amin'ny pôlitika. Izany no mitranga ao Kamerona.

Noho ny fivoarana teknôlôjika ao amin'ilay firenena, nahitàna fitomboany be ny isan'ny fidirana aterineto tao Kamerona rehefa nifandimby ny taona. Araka ny lazain'ny DataReportal, nisy 12,4 tapitrisa ireo mpampiasa aterineto tao amin'ny firenena tamin'ny Janoary 2025, miaraka amin'ny taham-pidirana manodidina ny 41,9 isanjato. Maneho fihatsaràna 18 isanjato io hatramin'ny 2025. Mbola mijanona ho sàkana ny vidiny midangana, noho ireo fehezana tolotra aterineto marobe sandaina lafo sy fohy monja ny fotoana mampanan-kery azy.

Ampiasain'ireo tanora kameroney sasany mba hanentanana ny hafa ny aterineto, momba ny filàna mandray anjara amin'ny dingan'ny fifidianana, raha ao anaty fiomanana indrindra ilay firenena mba hifidy izay ho filohampirenena manaraka amin'ny 12 Ôktôbra 2025.

Didim-panjakana iray avy amin'ny filohan'ny repoblika no nampiantso ireo mpifidy handatsa-bato mandritra ny fifidianana ho avy

#FifidiananaFilohampirenena#FifidiananaKamerona#FifKam #Kamerona #fifidianana pic.twitter.com/u9U2JRQKSi

— ELECAM Elections Cameroon (@elecamofficiel)  11 Jona 2o25

Latsaky ny volana telo mialoha ny fifidianana ho filohampirenena atao ny taona 2025 ao Kamerona, miomana hifidy ihany koa ireo olompirenena, indrindra fa efa nampahafantarina sahady ny daholobe ny lisitra iray misy ireo kandidà 14 mendrika hifaninana hitantana ny firenena mandritra ny taona fito ho avy, araka ny nambaran'ny ELECAM (Elections Cameroon), andrimpanjakana miandraikitra ny fikarakaràna fifidianana ao amin'ny firenena.

Youths are captivated by their screens, actively engaging with the latest social media campaigns. Photo from Sandra Tuombouh. Used with permission.

Voasariky ny efijeriny ireo tanora, mandray anjara mavitrika anatin'ireo fanentanana faramparany eny anaty tambajotra sôsialy. Saripika an'i Sandra Tuombouh, fampiasàna nahazoana alàlana.

Anisan'ireny olompirenena ireny ireo tanora mampiasa ny tambajotra sôsialy, toy ny  Facebook, Twitter (X), TikTok, LinkedIn sy Instagram, mba hampahafantarana sy hanentanana ireo mpanjohy azy momba ny lanjan'ny fanànana karatra maha-mpifidy sy ny fandraisana anjara amin'ny dingan'ny fifidianana. Amin'ny alàlan'ny lahatsary na votoaty voasoratra, amporisihan'ireny tanora ireny ireo mendrika ny ho mpifidy mba ho ilay fiovàna tian-dry zareo ho hita, indrindra fa miaraka amin'i Paul Biya, 92 taona izay mitondra ny firenena efa nandritra ny taompolo efatra mahery ary nanambara ny fikasàny mbola hàka fe-potoana fitondràna fanimbalony indray.

Azo lazaina tsy ho vita mihitsy ny hitety ireo sehatry ny tambajotra sôsialy ka tsy hitontona hahita ireo tenifototra « #FifidiananaFiloha2025. ». Io fanetsehana goavana tety an-tambajotra io dia nitarika ho amin'ny fisoratana anarana mpifidy vaovao niisa 373,588 teo anelanelan'ny Janoary sy Jona tamin'ity taona ity, araka ny voalaza ao amin'ity kaonty X ity:

Hamafisin'ny ELECAM fa mihoatra ny 8,2 tapitrisa ireo Kameroney nisoratra anarana ho ao anatin'ny lisi-pifidianana hiatrika ny fifidianana ho filohampirenena hatao amin'ny Ôktôbra 2025. Ho an'ny Dr. Enow Abrams Egbe, Filohan'ny Filankevi-Pifidianana, mpifidy vaovao miisa 373.588 no voarakitra teo anelanelan'ny 2 Janoary sy 26 Jona 2025.

— Mimi Mefo Info (@MimiMefoInfo) 30 Jona 2025

Nandritra ireo fifidianana filohampirenena natao farany tamin'ny 2018, nihoatra ny 6.667.700 ireo Kameroney voasoratra hifidy araka ny nambaran'ny ELECAM. Rehefa atambatra,  misy 8,2 tapitrisa amin'ireo Kameroney 27 tapitrisa no mendrika ho mpifidy mandritra ireo fifidianana ho filohampirenena ho avy.

Ao Kamerona, misy santatr'andraikitra isankarazany mifandraika amin'ny fifidianana mitranga any anaty tambajotra mba hanamafisana ny fanolorantenan'ny olompirenena sy ny mangarahara. Anisan'ireny santatr'andraikitra ireny ny fampiasàna ireo sehatry ny tambajotra sôsialy ho an'ny fanentanana fanabeazana ny mpifidy, ka amin'izany no izaràn'ireo olontsotra na ireo fikambanana ny torohay momba ny dingana ara-pifidianana, ny mombamomba ireo mpifaninana ary ny zo hifidy. Manamora ny fisoratana anaran'ireo mpifidy ireny santatr'andraikitra amin'ny alàlan'ny tambajotra ireny, no sady mampiroborobo ny fahaizan'ny mpifidy, mandray anjara araka izany amin'ny dingana demaokratika kokoa.

Hanson Miysh, Kameroney tanora iray, mpikatroka ho an'ny tanora sy ny fanolorantenan'ny olompirenena, no mamoaka fanavaozana tsy tapaka ao amin'ny pejiny Facebook, miantso ireo nàmany hanatevina ilay hetsika. Nandrisika tanora mihoatra ny 500 mba hisoratra anarana ireo ezaka an-tambajotra nataony. Toy izany koa, mahazo vàhana ety anaty tambajotra ny fikambanana iray avy amin'ny firaisamonim-pirenena Network for Solidarity Empowerment and Transformation for All (NEWSETA), miaraka amin'ny fanentanan-dry zareo hoe « Vote First ».

Amin'izao herinandro faha-12 izao, voaporofon'ilay hetsika fa nahomby izy, fahombiazana niteraka jery an'arivony sy fifaneraseràna maro tao amin'ny Instagram, Facebook ary LinkedIn. Tanjon-dry zareo ny hampiroborobo fiarahamonina iray mahafantatra ary hampitombo ny isan'ny mpifidy. Tsindrian'i Derick Ndzi, tale mpanatanteraka ao amin'ny NEWSET, fa:

Mamolavola ny safidintsika ireo torohay sy ireo hetsika ataontsika. Raha tsy mahafantatra ianao, tsy afaka ny handray anjara amin'ny fandraisana fanapahankevitra. Araka izany, arakaraky ny fahafantaranao, manandanja kokoa ny fandraisanao anjara.

Asongadin'ireo lahatsary sy ireo taratasy zaraina ny mpisehatra iray antsoina hoe  « Ballot Buddy »,  liona noforonina ary mampianatra ny vahoaka ny dingan'ny fifidianana. Mamaly fanontaniana maro manandanja mifandraika amin'ireo dingana mialoha sy aorian'ny fifidianana izy io, amin'ny fiteny anglisy, frantsay ary fulfulde, fiteny afrikàna tandrefana, mba ho mety amina mpihaino isankarazany. Ambaran-dry zareo fa miitatra hatrany ivelan'ny aterineto ny faritra tratrany, satria mampiasa olona ry zareo mba hiantohana araka izay tratra ny hahatafita ireo torohay ho amin'olona maro kokoa any amin'ireo faritra folo ao Kamerona.

Raha maro no mihevitra io fanentanana an-tambajotra io ho toy ny santatr'andraikitra miabo mba ho fampitomboana ny taham-pahavitrihan'ny mpifidy, somary manahy ihany kosa ny sasany manoloana ny ho fahombiazany. Mpanaramaso iray no nanambara tamin'ny Global Voices hoe :

Marobe ireo tanora tsy miraharaha, avelan-dry zareo mandalo fotsiny ilay ranty fa tsy ivakiany loha.

Tanora hafa iray nilaza hoe:

Raha jerena ny fanjakazakan'ny RDPC (Rassemblement Démocratique du Peuple Camerounais), tsy azoko eritreretina mihitsy ny hoe hisy olona iray hafa ho afaka handresy.

Na eo aza ny fahasamihafan'ny fomba fijery, marobe no miombona hevitra hoe raha tsy misy hetsika, tsy hisy zavatra hiova. Fotoana izao ho an'ireo tanora mba handraisana fanapahankevitra momba izay ho mpitondra azy ireo manaraka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.