Fandrahonan'olon-tsy fantatra nanery ny tompon'ny laharam-piara hiala an'i Hong Kong

Sary nomen'i Anthony Chiu ho an'ny inmediahk.net, mpiara-miombon'antoka amin'ny GV. Nahazoana alalana.

Nandao ny tanàna i Anthony Chiu, mponin'i Hong Kong ary nanorim-ponenana tany Angletera niaraka tamin'ny zanany vavy taorian'ny resabe momba ny fiarany Porsche mitondra ny laharan-takelaka US8964. Nizara ny tantarany momba kendaroroka sy ny fandrahonana ny fianakaviany tamin'ny herintaona izy ny 4 aogositra 2025 lasa teo noho ny laharan-kakelaky ny fiarany.

Entina anondroana ny Fandripahana tao an-Kianjan'i Tiananmen indray 4 Jona tany Shina ny laharan-takelaka, US8964,  nefa heverina ho hetsika saropady sy politika loatra izany any Shina tanibe sy Hong Kong.

Tamin’ny herintaona izy naharay taratasy fandrahonana hitoriana azy any amin’ny polisim-pirenena sy fandrahonana ny fianakaviany. Nisy olona tsy fantatra anarana nandrahona ny hametraka fitoriana ny ray aman-dreniny mba hanafoanana ny fahazoan'ireo monina an-trano. Nandefasan'olona tsy nitonona anarana taratasy koa ny mpiara-monina taminy rehetra, nampiharihary ny mombamomba ny havany akaiky. Nahazo fitarainana marobe avy amin'ny olon-tsy fantatra tao amin'ny toeram-piasany ihany koa ny vadiny sy taratasy iray niampanga an'i Chiu ho nanao firaisana ivelan'ny fanambadiana. Nohadihadian'ny polisin'i Shina Tanibe momba ny rohim-pihavanany amin'i Chiu nandritra ny diany ny zaodahiny. Na ny sekolin'ny zanany vavy aza dia nahazo fitarainana tsy fantatra anarana niampanga iuo zanany io ho manaparitaka hafatra manohintohina ny fiarovam-pirenena amin'ireo mpiara-mianatra aminy.

Nilaza i Chiu fa tsy nanampo ny fiantraikany toy izany rehefa nisafidy ny takelaka izy:

 Day 1 係我選擇將呢個車牌掛落架車度,我自己揸出去,我又唔可以話,係個天跌個花盆落嚟。但我無諗過,我做呢樣嘢,後果會演化到咁樣,咁複雜、咁 serious,亦影響晒屋企人,影響埋個小朋友…

Nisafidy ny hametraka ilay takela-piara teo amin'ny fiarako aho ary nitondra azy tamin'ny andro voalohany. Tsy afaka nilaza aho fa lozam-pifamoivoizana no nitranga. Saingy tsy azoko veroka ny fomba niitaran'ny hetsika nataoko ho amin'ny dingana henjana sy sarotra izay nisy fiantraikany tamin'ny fianakaviako manontolo, anisan'izany ny zanako…

Nanomboka tamin'ny taona 2021 i Chiu no nampiasa ny laharan-takelaka US8964. Tsy nahita olana izy tamin'ny voalohany. Tamin'ny taona 2022, rehefa nampitandrina tamin'ny fomba ofisialy [mg] ny HongKongers ny Polisin'i Hong Kong tsy handray anjara amin'ny “fivoriambe tsy nahazoana alalana” na manakaiky an'i Victoria Park tamin'ny 4 Jona — toerana nentim-paharazana hahatsiarovana ny 4 Jona — nanapa-kevitra ny hitondra ny fiarany ho any Causeway Bay i Chiu:

以前我哋嗰輩,一路以來 6 月 4 號都會有晚會㗎啦,不過依家就話唔得。香港人不嬲適應力都好強㗎嘛,你話唔得,我咪用自己方法去悼念,因為我覺得呢件事係好重要,亦都係唔應該忘記嘅日子… 咁我換個方式,你話唔入得維園喎,我喺維園外面囉,兜幾個圈咁囉,其實無乜特別。

Nanao fiaretan-tory hatrany ny taranaka indray mihira aminay isaky ny 4 jona, fa ankehitriny lazain-dry zareo fa tsy azonay atao izany. Tena mahay manara-bolontany ny olona eto Hong Kong, ka raha miteny izy ireo fa tsy azonay atao, dia hitady ny fomba hahatsiarovana azy aho, satria fotoan-dehibe io ary tsy tokony hohadinoina ny daty… Ka hanova ny fomba fanao amin'izany aho: Raha milaza ianareo fa tsy afaka miditra ao amin'ny Victoria Park aho, dia hitondra fiara mihodikodina ny Zaridaina aho. Hetsika tsotra fotsiny izany. 

Nampiasaina ho farangoteny hanamarihana ny famoretana narahina rà mandriaka nandritrany hetsika mpomba ny demokrasia tao Beijing tamin'ny 4 Jona 1989 ny isa 8964 (midika hoe 4 Jiona 1989) .

Hatramin'ny taona 2020 i Hong Kong no sehatra mpiteny Shinoa lehibe farany nahafahana nampahatsiarovana ny hetsika. Noraràn'ny polisy ny fiareta-tory mitondra labozia noho ny fameperana amin'ny valan'aretina COVID-19 tamin'ny voalohany. Na dia efa nesorina tamin'ny taona 2022 aza ny fepetra rehetra mifehy ny valan'aretina, dia nandà ny hanome alalana ny fivoriana am-pilaminana ny polisy ary nampitandrina ny olom-pirenena tsy handray anjara amin'ny fivoriambe tsy nahazoana alalana hanamarihana ilay fandripahana. Na izany aza, maro no, toa an'i Anthony Chiu miziriziry amin'ny fitadiavana fomba manokana hahatsiarovana ny daty akaikin'ny Zaridaina.

Na izany aza, mety hitondra voka-dratsy henjana ny fihetsik'izy ireo any Hong Kong amin'izao fotoana izao. Hatramin'ny taona 2022, olona maro no nosamborin'ny polisy rehefa 4 Jona noho ny fihetsika madinidinika amin'ny tsy fankatoavana sivily, toy ny fihazonana voninkazo na labozia eo akaikin'ny Victoria Park. Raha ny momba an'i Anthony Chiu, in-telo taona nisesy ny fiarany nosakanana sy nohazonin'ny polisy, lazaina ho noho ny “antony ara-teknika”, toy ny maotera mitabataba.

Hatramin'ny nampiharana ny Lalàm-piarovam-pirenena ao Hong Kong, noroahina intelo tao Hong Kong ny Porsche manana laharana ‘US8964’  isaky ny 4 Jona tao anatin'ny telo taona, ary tazonin'ny polisy rehefa tonga izany fotoana izany. Araka ny vaovao farany…

Noho ireo fandrahonana sy fanorisorenana maro, nanapa-kevitra ny tsy hanamory i Chiu tamin'ity taona 2025 ity. Nandefa ny fiarany nivoaka ny tanàna kosa izy ary nametraka antontan-taratasy tany amin'ny Departemantan'ny Fitaterana mba hamindrana ny takela-piara ho ana HongKonger hafa. Nilaza tamin'ny Yahoo News koa izy fa nandao an'i Hong Kong miaraka amin'ny zanany vavy. 

Voasakana anefa ny famindrana ny takela-piara ho an'olon-kafa. Araka ny taratasy nalefan'ny Sampandraharahan'ny Fitaterana ho an'ny tompony vaovao, nalaina ny takela-piara US8964 satria nalefa ivelan'i Hong Kong ilay fiara.

Nalaza tao amin'ny media sosialy ilay vaovao. Maro no zendana amin'ny hafainganam-piovan'ny tompom-pahefana tsirefesimandidy ao an-tanàna ka mamaly am-panesoana ireo tariam-baovao  ao amin'ny Facebook:

「黑社會」治港

Anjakan'ny Mafia ankehitriny i Hong Kong

一個幾無能同虛弱既政府會對一堆數字恐懼?!

Tahaka ny ahoana ny tsy fahaiza-mitantana sy ny fahalemen'ny  governemanta matahotra tarehimarika fatratra?!

就係一個簡單嘅車牌,都要俾政治打壓,香港真係越益可憐

Lasa katahotra tokoa i Hong Kong ka ny takela-piara tsotra no lasibatry ny famoretana ara-politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.