MIVANTANA amin'ny 26 Aogositra: Hery fitaomana mifaninana – Famahavahàna ireo fampiasambola maitso ataon'i Shina any Azia atsimo

Noho ny fifandraisany manahirana amin'i India, katsahan'i Shina ny hampiasa firenena hafa ao Azia Atsimo mba hampitomboana ny hery fitaomany sy hitondràna solony amin'ilay hery fitaomana nananan'i India hatry ny ela. Ny ankamaroan'ireo Shinoa mpampiasa vola ao amin'io faritra io dia saika nitodika daholo tamin'ny resaka fotodrafitrasa maitso (momba ny tontolo iainana) sy ny indostria mavesatra, ary nanana fiantraikany mivantana tamin'ny fahazakàna ara-toetrandro tao amin'ny faritra sy ny fiveloman'ireo vondrom-piarahamonina ao an-toerana. Miaraha aminay ao anatin'ny Global Voices Insights atao amin'ny fiteny anglisy iarahana amin'ireo manampahaizana sy mpanao gazety avy ao Nepal, Bangladesh, ary Shina mba hahitàna ny fomba nitondràna fomba fijery samihafa momba io lohahevitra saropady io nataon'ilay lasitra fiarahamiombona antoka amin'ny fanoratana gazety ato amin'ny Global Voices.

Miaraha aminay mandritra ny Mivantana YouTube ny Talata 26 Aogositra 2025 amin'ny 9:15 am GMT/ 3:00 pm NPT / 2:45 pm IST (12:15 ora eto Madagasikara) hanaraka fifanakalozan-kevitra hahitàna an'i:

Sonia Awale, toniandahatsoratry ny gazety nepaley Nepali Times ao Kathmandu, toerana niasàny ihany koa amin'ny maha-iraka momba ny fahasalamàna, siansa ary tontolo iainana azy. Nanaovany fandrakofana tamin'ny fomba lalina ny fiantraikan'ny krizin'ny toetrandro tao Himalayas, ny fahalotoan'ny rivotra, ny fiomanana hiatrehana loza voajanahary, ny fifindràmonina ary ny fahasalamam-bahoaka — tamin'ny fandalinana ny fifampidirana ara-pôlitika sy ara-tokeran'izy ireny. Rtoa Awale dia nahazo diplaoma momba ny fahasalamana ary manana ny ‘master’ amin'ny asa fanaovana gazety avy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Hong Kong.

Kunda Dixit, mpamoaka lahatsoratra sy mpanonta ao amin'ny Nepali Times sy ny gazetiboky Himal no sady mpiara-manorina ny gazetiboky Himal Southasian. Izy dia nanao ny asan'ny mpanangom-baovaon'ny BBC tao amin'ny foiben'ny Firenena Mikambana ao New York tamin'ny 1985-86. Taorian'izay efa talen'ny Inter-Press Service faritra Azia-Pasifika ny 1990 hatramin'ny 1996; avy eo izy niverina tao Nepal, toerana nitarihany ny biraon'ny Ivontoerana Panos, faritra Azia Atsimo ny taona 1997 hatramin'ny 2000. Anisan'ireo boky navoakany ny Dateline Earth: Journalism as if the Planet Mattered (Inter Press Service, 1997, 2012) sy ireo lahatsoratra marobe tanaty gazety an-tsoratra ary an-tambajotra niresahany ny olan'ny toetrandro, ny fifandonana sy ireo olan'ny media sôsialy. Kunda koa no mpanoratra ireo boky ‘trilôjia’   (A People War; Never Again; People After War) momba ny fifandonana tao Nepal izay noheverina ho toy ny lasitra iray ho an'ny anjara toeran'ny fampahalalambaovao ao anatin'ny fampihavanana aorian'ny ady. Mitsidika ny toerana fampianarana ao amin'ny Departemantan'ny Media ao amin'ny Anjerimanontolon'i Kathmandu izy, ary nahazo diplaoma avy amin'ny Anjerimanontolon'i Kôlômbià, Sekoly fianarana asa fanaovana gazety ao New York.

Mpandridra: Rezwan, toniandahatsoratra ho an'ny faritra Azia Atsimo no sady mpitantana ny asa fandikàna lahatsoratra ao amin'ny Bangla Lingua ho an'ny Global Voices. Amin'ny maha-mpandray anjara hatry ny ela azy tato amin'ny Global Voices, niasa tanaty tetikasa maro isankarazany izy, toy ny Rising Voices, ny Civic Media Observatory, ary ny China Index, ary koa niaraka niasa tamin'ireo tetikasa samihafa fanaovana adisisika sy fiarovana ny zon'olombelona amin'ny maha-mpikaroka, mpandika ary mpanoro hevitra mahaleotena azy.

Antenainay ny hahita anao hiaraka aminay ny Talata 26 Aogositra 2025 amin'ny 9:15 am GMT/ 3:00 pm NPT / 2:45 pm IST (tsindrio eto hanovàna ny ora ho amin'ny hasinoran'ny toerana misy anao).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.