
Ny Filoha Donald Trump nandray ny Filoha Joseph Nyuma Boakai avy ao Liberia tao amin'ny Birao Lavalava, Alarobia 9 jolay 2025, mialoha ny sakafo niaraha-nihinana tamin'ireo mpitarika afrikana. (Sarin'ny Trano Fotsy Ofisialy nopihan'i Daniel Torok). Sary avy amin'ny Trano Fotsy ao amin'ny Wikimedia Commons (Azon'ny rehetra ampiasaina).
Niteraka tadio nanerana an'i Afrika sy ireo any ampielezana ny fanamarihana toa tsy misy dikany nataon'i Donald Trump, filohan'i Etazonia, nandritra ny fihaonany tamin'ireo mpitarika Afrikana tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny 9 Jolay .
Raha nampiantrano mpitarika Afrikana Tandrefana sy Afovoany miisa dimy avy any Gabon, Ginea-Bissau, Liberia, Maoritania, ary Sénégal hiresaka momba ny varotra sy ny fampandrosoana ny Filoha Trump, dia naneho hevitra momba ny teny Anglisin'ny Filoha Liberiana Joseph Boakai.
“Tena tsara izany teny anglisy izany,” hoy ny fanamarihany taorian'ny nitenenan'ny Filoha Boakai. Nanontany avy eo ny filoha Trump hoe taiza no nianatra ny filoha Liberiana.
“Any Liberia?” hoy ny fanontanian'ny Filoha Trump. “Eny, tompoko”, hoy i Boakai nanamafy.
“Tena mahaliana,” hoy ny filoha Trump. “Manana olona eto amin'ity latabatra ity aho izay tsy mahay miteny tahaka izany.”
Na dia nilaza tamin'ny CNN aza i Sara Beysolow Nyanti, Minisitry ny Raharaham-bahinin’ Liberia, fa tsy tafintohina tamin'ny fanamarihan'ny Filoha Trump ny filoha Liberiana, dia maro ireo Afrikana anjotra no nahita ny fanehoan-kevitra ho manafintohina sy manambany.
Niteraka fiampangana tsi-fahalalana, famelezana bitika, ary fitenim-panjanahantany ilay horonan-tsary, izay nahazo jeripejy an-tapitrisany manerana ny media sosialy amin'izao fotoana izao. Nihevitra ny fanehoan-kevitra ho taratry ny hevi-diso tandrefana raiki-tapisaka manao ny teny anglisy ho vahiny any Afrika ny Liberiana sy ireo Afrikana hafa, na maro aza ny firenena ao amin'ny kaontinanta mpiteny anglisy, ary noho ny tantaran'ny fanjanahantany ny ankamaroan'izany.
“Tsy fiderana”
Nanontany ny Liberiana iray Mpisera X hoe:
Our official language is English, our flag is literally like the US flag, but with only one star, how didn’t he do his research? https://t.co/1ejD7g8wjD
— Ami (@AmiKK30) July 9, 2025
Ny teny ofisialy ny anglisy, ny sainanay mitovy ara-bakiteny amin'ny sainam-pirenena amerikana, saingy tokana ny kintana, ahoana no tsy nanaovany fikarohana?
Nanoratra ny Zambiana mpisera X iray hoe:
Africans, listen: “Your English is so good” is not a compliment. It’s a backhanded slur, a reminder that people still see our fluency as “unexpected.” Language isn’t inherited by passport. #DecolonizeYourMind
— Sampa Kabwela (@ukusefya) July 10, 2025
Ry Afrikana, mihainoa: Tsy fiderana izany “Tena tsara ny teny Anglisinao” izany. Fanesoana izany, fampahatsiahivana fa mbola ataon'ny olona ho “tsy ampoizina” ny fahaizantsika miteny misosasosa. Tsy nolovaina tamin'ny pasipaoro ny fiteny.
Nanazava bebe kokoa ny resabe tao amin'ny ranty iray tao amin'ny X i Shehu Sani, Senatera Nizeriana teo aloha : “I Liberia no manana tantara sy ifandraisana akaiky indrindra amin'i Etazonia, mihoatra noho ny firenena rehetra aty Afrika. Gaga ny filoha Trump fa miteny ‘anglisy tsara’ ny filohany ary nanontany azy mihitsy hoe taiza no nianarany izany. Ohatra mahazatra amin'ny tsi-fahalalàna sy ny tsi-firaharahiana ny kaontinantantsika izany”.
Fiteny ofisialin'i Liberia ny teny anglisy, firenena manana mponina 5 tapitrisa mahery any amin'ny morontsiraka andrefan'i Afrika izay naorina tamin'ny taona 1822 araka ny tetikasan'ny American Colonization Society (ACS), izay mikendry ny hamerenana ny andevo noafahana i Liberia ary nanambara ny fahaleovantenany tamin'ny taona 1847.
Niezaka niaro ny fanamarihan'i Trump ho fiderana tsy manan-tsiny ny sasany. @Christinalb77, mpaneho hevitra ao amin'ny X nilaza hoe:
It was meant as a compliment, as many ‘English’ speaking Americans don’t even speak proper English!
Natao ho fiderana izany, satria maro amin'ireo Amerikana miteny ‘anglisy’ no tsy miteny anglisy araka ny izy akory!
Ilaina ny fahatsapana ara-kolontsaina amin'ny diplaomasia
Naneho ny ahiahiny amin'ny tsy firaharahiana ara-kolontsaina eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena i Jasmine Crockett, vehivavin'ny Kongresin'i Etazonia, indrindra rehefa ataon'ireo mpitondra ambony izany. Nanoratra tao amin'ny X izy:
Trump never misses an opportunity to be racist and wrong, and every day he finds a new way to be embarrassing.
Asking the President of Liberia where he learned English when it’s literally the official language is peak ignorance.
I’m pretty sure being blatantly offensive is not… https://t.co/Jhvf9dvqZE
— Congresswoman Jasmine Crockett (@RepJasmine) July 9, 2025
Mahita hirika hatrany i Trump hanavakavaka sy hanao ny tsy mety, ary mahita fomba vaovao mahamenatra isan'andro izy.
Tsy firaharahiana faratampony indrindra ny fanotaniana ny Filohan'i Liberia hoe taiza no nianatra teny anglisy raha io no fiteny ofisialy ara-bakiteny.
Tena azoko antoka fa tsy manafintohina miharihary…
Tao amin'ny fanambaràna iray, nilaza ny Trano Fotsy fa “fankasitrahana avy amin'ny fo” ny fanamarihana heverin'ny sasany ho manafintohina.
Tsy vao sambany ny filoha Trump no nahatonga resabe amin'ny fomban'ny vahiny miteny anglisy na ny lantom-peony. Ohatra, tamin'ny Febroary 2025, noderain‘i Trump ny “lantom-peo mahafinaritry” ny praiminisitra britanika Keir Starmer, ary taorian'izay tamin'io volana io, niteny tamin'ny Afghana mpanao gazety iray izy fa tsy misy azony ny “lantom-peony mahafinaritra”.
Ho fanampin'izay, hoy i Trump tamin'ny Indiana mpanao gazety iray, “Tsy misy azoko izay lazainy”, ary nampiany hoe: “‘Somary mafy amiko ny lantom-peo.”
Tsy gafy fotsiny, ho an'ny Afrikana maro, ny fanehoan-kevitr'i Trump, fa akon'ny hevi-draikitra maharary fony fanjanahantany. Mampijoro ny herim-panintonany manerantany i Afrika, manasongadina ny halehiben'ny fifanajana amin'ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa manan-danja ny fahadisoan-dingana tahaka izao.






