Zoerziàna mpanao gazety voaheloka higadra roa taona, niteraka tabataba tao an-toerana sy erantany

Pikantsary avy amin'ny vaovao fanadihadian'ny TV Pirveli momba ny fitsaràna an'i Mzia Amaglobeli.

Zeorziàna iray mpanao gazety fanadihadiana malaza ao Zeorzia no voasazy hifonja taona roa noho ny tehamaina nataony tamin'ny lehiben'ny pôlisy nandritra ireo hetsika fanoherana ny governemanta. Fanamelohana niely patrana, avy amin'ny fiarahamonina sivily sy diplaomaty iraisampirenena, no naterak'ilay didim-pitsaràna.

Tamin'ny 6 Aogositra, nohelohin'ny Fitsaràn'ny Tanànan'i Batumi i Mzia Amaghlobeli, mpanorina ny famoahambaovao tsy miankina Batumelebi, noho izy voalaza ho nanohitra sy nampiasa herisetra tamin'ny fampiharana lalàna nandritra ny hetsi-bahoaka tamin'ny Janoary. Lahatsary avy eny amin'ny toerana nisehoan'izany, nivezivezy teny anivon'ny fampahalalambaovao zeorziàna, no mampiseho an'i Amaghlobeli namelaka tehamaina an'i Irakli Dgebuadze, lehiben'ny pôlisy ao an-toerana, nandritra ny hetsipanoherana iray.

Nandritra ny fiarovany tena tao amin'ny fitsaràna, nambaran'i Amaghlobeli fa fihetsika natosiky ny fihetsehampo feno loatra no nataony taorian'ny nanatrehany maso ny fitànana an-kerisetra ireo mpiaramiasa aminy sy nanitsakitsahana azy ireny tao anaty fifanosehana. Nampangainy ihany koa i Dgebuadze ho nandrora azy sy nanandrana ny hikasi-tànana azy nandritra ny fitazonana azy. Feno mpanao gazety sy mpanohana azy tao anaty efitrano fitsaràna, ka maro tamin'ireny no nitazona sorabaventy nitaky ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy niampanga ny governemanta ho manampim-bava ny tsy mitovy hevitra aminy.

Tany am-boalohany izy dia niatrika fiampangàna ho nikasi-tànana sy nandratra  — heloka iray mety hahavoasazy hatramin'ny taona fito an-tranomazina — saingy ny niafaràny dia heloka maivamaivana kokoa no niampangàna azy. Nokianin'ny tarika mpiaro azy ho toy ny nitanila noho ny pôlitika ilay fitsaràna, ary notohanany ny hoe tsy nisitraka ny dingana ara-dalàna i Amaghlobeli.

“Tsy mifandanja sy misy ambadika pôlitika”

Ora maro taorian'ny nivoahan'ilay didim-pitsaràna, iraka diplaomatika niisa 24 – nahitàna ny Fiombonambe Eorôpeàna (UE), ny Fanjakana Mitambatra (UK), Alemaina, Frantsa, Kanadà ary Okraina – no namoaka fanambaràna iray niraisana nanameloka ilay sazy ho  “tsy mifandanja sy misy ambadika pîolitika,” ary nitaky ny hamotsorana avy hatrany an'i Amaghlobeli.

“Manahy mafy izahay noho ny nanamelohana an'i Mzia Amaghlobeli,” hoy ny vakin'ilay fanambaràna, nampitandrina hoe ny fitazonana azy sy ny famoretana midadasika kokoa atao an'ireo haino vaky jery tsy miankina dia maneho “fikororosiana mampanahy amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Zeorzia.”

Notsipihan'ireo diplaomaty ihany koa ny fitazonana am-ponja nitarazoka nahazo an'i Amaghlobeli talohan'ny fitsaràna — tao Batumi izy no nosamborina tamin'ny 11 Janoary 2025 — izay ambaran-dry zareo fa vao mainka nanimba be ny fahasalamàny sy ny fahitàny.

Manasongadina ny tsindry mitombo atao an'ireo fikambanana haino-vaky-jerin'i Amaghlobeli ilay fanambaràna, navoaka tamin'ny anaran'ny Media Freedom Coalition (MFC), fiarahamiasan'ireo firenena mihoatra ny 50 manerana ny koantinanta enina nanolo-tena hiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety manerana izao tontolo izao. Izy no mpanorina ireo gazety roa — Batumelebi sy Netgazeti — roa samy heverina ho rantsana famoahambaovao sangany amin'ny gazety fanadihadiana ao Zeorzia. Heverin'ny MFC fa ny fisamborana azy dia ampahany amin'ny fanentanana iray fampihorohoroana midadasika atao an'ireo mpanao gazety sy fikambanana sivily ao Zeorzia.

Tohano ny Global Voices hahafahanay mamoaka lahatsoratra tahàka izao


Fantaro mismisy kokoa ny momba ny fanentanana ho fanampiana ataonay.

Famoretana midadasika kokoa

Hajaina fatratra i Amaghlobeli noho ireo tatitra ataony mahakasika ny kolikoly, ny fanamparam-pahefana, ary ny fanimbazimbàna zon'olombelona ao amin'ilay faritra mikorontana ara-pôlitika ao Zoerzia, ao Adjara, faritra iray mizaka tena amin'ny ampahany ao amin'ny morontsiraky ny Ranomasina Mainty ao Zeorzia.

Amin'ny ampahany, noho ny toerana stratejika misy azy, misy tantara iray miresaka ady fahefana ifanaovan'ireo manampahefana ao an-toerana sy ny fitondràna foibe. Anatin'ireo fiampangàna miverimberina mahakasika ny kolikoly, tsy ela akory izay ny antoko eo amin'ny fitondràna no nanao hetsika hanilihana ireo mpanohitra sy hanamafisana ny vahohony amin'ny fitantanana ilay faritra.

Hatrany am-piandohan'ny 2024, niainan'i Zeorzia ireo hetsipanoherana niverimberina nanoherana ny antoko eo amin'ny fitondràna, ny Nofy Zoerziàna, izay ampangain'ireo mpanakiana ho manalavitra ny fiombonambe eorôpeàna ary manaikaiky an'i Rosia. Na misy aza ny fanohànana matanjaka avy amin'ny daholobe hidirana ho mpikambana ao amin'ny Fiombonambe Eorôpeàna, tamin'ny taona lasa, natsahatry ny governemanta zeorziàna ireo ezaka fidirana, niteraka korontana bebe kokoa. Fanampin'izay, ny fifidianana solombavambahoaka tao amin'ny firenena, tamin'ny 2024, dia voapentin'ireo filazàna fisiana faneriterena mpifidy, tsy fanjariàna ary famoretana natao an'ireo haino-vaky-jery.

Ao anatin'io toejavatra io, famoretana tsy nitsaha-nitombo no natrehan'ireo mpanao gazety, olon'ny mpanohitra– avy amin'ny fanarahamaso sy ireo fampielezankevitra manevateva ary  hatramin'ireo fiampangàna ho nanao heloka bevava sy fampidirana am-ponja.

Ny raharahan'i Amaghlobeli izao no heverina ho toy ny marik'izany famoretana izny, ary fampitandremana mahamay amin'ny fihenàn'ny habaka demaokratika ao anaty firenena iray izay fahiny noheverina ho mpisava làlana tao amin'ny faritra tamin'ny resaka fidirana ho anatin'i Eorôpa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.